Malezia: Maniry Ny Fialàn'ny Praiminisitra Ireo Mpampiasa Facebook

Nahavondrona mpanohana efa ho 200,000 tao Malayzia sahady ny pejy Facebook Olona 100,000 mangataka ny Fialàn'i Najib Tun Razak andro vitsivitsy taorian'ny niforonany. Tamin'io andro io ihany no nitakiana ny fialàn'ny Praiminisitra rehefa nidina an-dalam-be ireo olona an'arivony
nandritra ny famoriam-bahoaka Bersih 2.0 ny 9 jolay lasa teo.

Ny  hetsika Bersih (midika hoe madio amin'ny fiteny ao an-toerana)  nokarakaraina ho fanohanana  ny fanavaozana ny resa-pifidianana. Nambaran'ny governemanta ho tsy ara-dalàna izany ka mpandray anjara mihoatra ny arivo no nosamborin'ny pôlisy tao an-tanàna. Nikisaka ka lasa hetsika ara-politika ankehitriny ny Bersih, izay mety hanaratsy ny fitatanan'ny Praiminisitra Najib.

Fanetanana Facebook manohitra an'i Najib

Manoratra momba ilay pejy Facebook i Lim Kit Siang

Ny ampahany betsaka tamin'ny mpiray fikambanana virtoaly no nandrafitra ny mpanohana ny Bersih 2.0, ny ankamaroany dia nampiasa ny mari-pamantarana ofisialin'ny Bersih 2.0

Naorina ny Sabotsy ny pejy, ny andron'ilay famoriam-bahoaka Bersih 2.0, natao ho toy ny sehatra ho an'ireo mpampiasa aterineto hanehoana ny feony manohitra ny governemanta. Na izany aza, tsy nisy vaovao nivoaka mikasika izay namorona ilay pejy.

Ireo mpanohana naneho ny hatairany tamin'ny fihazakazaky ny hoe  ‘tiako’ izao dia niantso ny hampakarana ny tarigetra mba ho iray tapitrisa.

Niteraka pejy hala-tahaka maro hafa tao amin'ny Facebook ihany koa ilay pejy, niaraka aminà lohateny mitovitovy.

Ny mpitarika ny Bersih dia nandà tamin'ny fomba ôfisaly izay mety fifandraisana tamin'ny fanentanana Facebook amin'ny fanizingizinana fa ny vondrona irery ihany no maniry ny fanovàna ny resa-pifidianana.

Mandritra izany, talanjona sy taitra ireo Maleziana mpampiasa aterineto  nahita ny sarin'ny Mpanjaka vavy Elizabeth II niakanjo mavo raha nihaona tamin'i Najib tao amin'ny lapan'i Buckingham omaly. Lokon'ny fanoherana  ankehitriny ny Mavo any Malaizia ary ny pôlisy dia mbola misambotra ireo izay miakanjo akanjo fohy tànana Bersih miloko mavo.

Niakanjo mavo ny Mpanjaka vavy, izay lokon'ny fanoherana ao Malaizia.

Indreto ny sasany tamin'ny fanehoan-kevitra tao amin'ny twitter….

@amanonfire: RT @ericmc90: Inona no hataon'i Najib ny Mpanjaka vavy Elizabeth II sy ny akanjony mavo?:P #bersihstories http://twitpic.com/5q27j3

@lxiongmau: #bersihstories Nanao zipo sy akanjolava mavo ny Mpanjakavavy Elizabeth II raha nihaona tamin'i Najib izy. Sary ao amin'ny The Star androany!!!!.Manana mpanohana iray hafa isika any UK

@peacefulman2009: Naneho ny fanohanany ny Bersih ny Mpanjakavavy. Alefa ry Mavo ah! alefa “@kyip: Kaw kaw Mavo ! Ho tratra antitra anie ny Amdriambavy #Bersihstories http://t.co/YDlF2et”

@_hafiz: “@wansaiful: miezaka mametraka teboka momba ny #bersih indray ve ny Mpanjaka vavy?:) http://bit.ly/o4dBrn (manitatra)” Tsy tokony ho tonga aho, mampihomehy #bersihstories

@cheahcs: @ericmc90 @bersih2 #bersihstories Fifandrifin-javatra sa zavatra hafa izany,  nanao tolo-tànana lehibe ho an'ny Bersih 2.0 ny Mpanjaka vavy  tamin'ny nitafiany akanjo mavo.

@ajib33: Minoa ahy, ry vahoaka!! tsy handeha irery izany mihitsy  isika. Miaraka amintsika ny Mpanjaka vavy Elizabeth II.., tena marina 😀 #Bersih #Bersihstories http://t.co/g0Oq3jt

@yonghaotan: Niakanjo mavo ny Mpanjaka vavy  niarahaba an'i Najib http://t.co/Nniqzed quick RT mialoha ny nanovan'ny mpampahalala vaovao fototra azy io tamin'ny alàlan'ny photoshop ho amin'ny loko hafa #bersihstories

Jebat Must Die dia nitondra famintinana ny hetsika Bersih. Nampatsiahy ny pôlisy i DannyLoHH fa tsy heloka be vava tsy akory ny fanaovana ny akanjonà Bersih ao anatinà demôkrasia iray.

Ny fanaovana akanjonà Bersih na akanjo misy soratra hoe ‘Bersih’, eny fa na dia ny sary famatarana ny Bersih ihany aza dia tsy tokony voaràran'ny lalàna satria isika dia firenena demaokratika. Ny fanaovana akanjonà Bersih tsy midika hoe isika dia mpikambana ao anaty “fikambanana mpandika lalàna” na tsy maintsy hidika hoe isika dia manohana (ara-pitaovana) ilay fikambanana.

Toa mampiseho fotsiny izany fa manohana ny hevitry ny fikambanana isika, izay mangataka fifidianana malalaka sy ara-drariny. Nanambara ve ny ministeran'ny atitany sy ny pôlisy fa tsy ara-dalàna ny mangataka fifidianana malalaka sy ara-drariny?

i RantingsbyMM dia mamaly ny filazàna hoe manaratsy endrika an'i Malezia eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny famoriam-bahoaka nataon'ny Bersih.

Nisy olona sasantsasany ihany koa nilaza fa manana fihevitra ratsy momba an'i Malezia izao tontolo izao ankehitriny, noho ny haino aman-jery avy any ivelany (sy teto an-toerana momba izany zavatra izany) nitatitra momban'ny fanipàzana baomba mandatsa-dranomaso sy fitifirana tamin'ny rano. Mierireritra aho hoe afangaroan'ny olona amin'ny governemanta ny vahoaka. Eny, manana fihevitra ratsy momba ny governemanta Maleziana izao tontolo izao ankehitriny satria tsy nety ny fomba nitantànana ilay raharaha manontolo. Tsy mitovy hevitra amin'ireo Maleziana izay mijoro ho an'ny zony sy ny heviny izy ireo.

Bhavan Jaipragas, mpianatra iray avy any Singapore, nijoro ho vavolombelona tamin'ny fomba nampiasàn'ny tafi-panjakana hery nandritra ny diabe Bersih.

Ny Alahady rehefa nilaza ny Praiminisitra Najib Razak fa ‘zàra raha nampiasa tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana  ny pôlisy ‘, izay tsy izay mihitsy ny zavatra hitako maso tao amin'i Jalan Pudu Lama. Nampiasa hery tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tsy nanana fitaovam-piadiana, izay nisalotra mavo izay loko famantarana ny hetsika Bersih 2.0 ny pôlisy, sy ny sasany izay nirakotra ny sainam-pirenena Maleziana. Ary indray mandeha farafaharatsiny, nahita pôlisy nitàna kibay teny an-tànany aho mba hifehezana mpanao fihetsiketsehana iray mitondra tànam-polo izay nanandrana hitsoaka ny fisamborana azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.