Koety: Miady Amin'Ireo Orinasa Mpanome Tolotra Aterinto Ny Bilaogera

Tato anatin'ny roa volana, ireo bilaogera Koetiana dia nanao fanentanana manohitra an'ireo mpanao tolotra aterineto izay mampihatra ny famerana ny ‘bande passante” (Avy amin'ny mpandika : asa raha azo atao hoe “Fatran'onja” izy io), ny vola lafobe aloa efa hatramin'ny taona lasa, izay sanda nifanarahan-dry zareo fa hampitoviana, ary dia mamono araka izany ny fifaninanana eo amin'ny tsenan'ny aterineto.

Ilay bilaogera Hornet dia nanoratra fanambaràna izay naverin'ny hafa navoaka, nosoniavin'ny bilaogera miisa 154, mpandrindra seha-pifanakalozan-dresaka ary na dia ny gazety Al-Watan aza. Io dia nanosika ny mpikambana ao amin'ny Parlemanta Koetiana hanontany tena  mikasika ny fomba fiasan'ireo mpanome tolotra aterineto rehefa tsy arahanamaso sy tsy fehezin'ny Ministeran'ny Fifandraisana.

Tsy ela izay dia nanapa-kevitra ny Ministra fa hanery ireo orinasa ireo hampidina 15%  ny sandany ary hanaisotra ny famerana ny hafainganana manomboka amin'ny volana ambony, saingy tsy ampy hamaly ny fangatahana izany.

The campaign's logo, as posted by blogger Hornet.

Ny teny famantarana ilay fanentanana, araka izay nandefasan'ilay bilaogera Hornet azy .

Ao anatin'ilay fanambaràna navoakany, ilay bilaogera Hornet [ar] dia nanoratra nilaza hoe:

قررنا انا و الاخوه والأخوات المدونين الكويتيين القيام بحملة ضد الانترنت المحدود , وبما انه زمن الثورات قررنا القيام بثورة انترنتية ضد الانترنت المحدود تحت حجة “الاستخدام العادل ” فنحن المدونين نرفض رفضا تاما القيام بمثل هذه الممارسات اللتي تسلب من المشترك او المستخدم حرية استخدام للانترنت بالشكل المتعارف عليه في كل دول العالم , نحن ندفع في الكويت اسعار خيالية من اجل توفير خدمة انترنت ذات استخدام عادل بكل ماتحمله الكلمة من معنى

Izaho sy akama Koetiana bilaogera iray dia nanapa-kevitra hanao fanentanana hanoherana ny politikan'ny famerana hafainganana, ary satria vanim-potoanan'ny revolisiona izao, dia nanapa-kevitra izahay hanomboka revolisiona iray eto amin'ny Aterineto hanoherana ny politikan'ny famerana hafainganana izay amarinin-dry zareo amin'ny antsoiny  hoe “fampiasana madio / ara-drariny”. Izahay bilaogera dia mandà tanteraka ny politika toy izany izay tsy manome fahalalahana ny mpanjifa amin'ny fampiasany ny aterineto toy ny ampiasàn'ny rehetra azy manerana izao tontolo izao. Vola be mihoam-pampana no aloanay mba hanànana fahafaha-miditra aterineto hampiasaina amin'ny fomba madio / ara-drariny.

Manampy ireo fitakiana amin'ity fanentanana ity i Hornet ao anaty lahatsoratra iray hafa [ar]:

حملتنا ضد هذي الشركات المزودة للإنترنت مستمرة ولن تتوقف إلا بتنفيذ هذي المطالبات:
١- الإستعجال بإقامة هيئة لتنظيم الإتصالات وسن قوانينها.
٢- فتح باب التراخيص للشركات الأجنبية بعد أن أثبتت شركاتنا الوطنية فشلها في خدمة عملائها.
٣- استكمال مشروع كيبلات الفايبر التي بدأت فيها الحكومة ثم توقفت عنها لأسباب لا نعلمها

Ilay fanentanana ho fanoherana ireo mpanome tolotra aterineto dia hitohy mandra-pamaly ireto fitakianay manaraka ireto:
1- Fangananana fikambanana hanara-maso ireo orinasa mpanao Aterineto sy fametrahana lalàna sy fitsipika ara-drariny.
2- Fanomezana alàlana ireo orinasa vahiny hiditra amin'ny tsena anatiny satria voaporofo izao ny tsy fahaiza-manaon'ireo orinasa eto an-toerana ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa.
3- Famitàna ny tetikasa fametrahana ny fibre optique izay ny governementa no nanomboka azy nefa natsahatra talohan'ny hahavitany, noho ny antony tsy fantatra.

Bilaogera iray hafa mitondra solonanarana Abu Flan no namerina namoaka ilay fanambaràna sy nanao ny fanamarihana [ar] farany nilazany hoe:

من المحزن أن نكون في دولة تعتبر من أغنى دول العالم ولا تستطيع الحكومة تقديم خدمة الإنترنت لشعب قليل بالنسبة للدول الأخرى كالسعودية ومصر بصورة ممتازه وجودة عاليه، الناس تتطور وتبحث توفير خدمة الإنترنت حتى في الطرق والشوارع ونحن نرجع للخلف !!

Mampalahelo ny filazàna fa isika dia iray amin'ireo firenena manan-karena indrindra eto an-tany ary ny governemanta tsy afaka akory hanome antsika fahafaha-miditra aterineto, nefa isika firenena kely raha miohatra amin'i Arabia Saodita sy Ejipta izay manana fifandraisana lafatra amin'ny aterineto. Ny firenena maro dia mivoatra sy miasa amin'ny fanolorana fahafaha-miditra amin'ny aterineto hatreny an-dalambe eny, raha ny antsika kosa mihemotra.

Ilay bilaogera Libane  Mark, monina any Koety, dia niezaka nanazava ny olan'ny aterineto ao anatin'ny lahatsorany “Ny tantara ao ambadiky ny famerana ny hafainganan'ny fisintonana amin'ny aterineto” amin'ny filazàna hoe:

ny olana araka izay mba fahafantarako azy dia satria ny Ministeran'ny Fifandraisana tsy mba nanatsara ny foto-drafitrasan-dry zareo, tsy afaka mahazo tambajotra sy “bande passante”  fanampiny ireo mpanao tolotra aterineto ao Koety. Mandritra izany anefa dia mitombo ny isan'ireo mpampiasa aterineto ao Koety.

Roa volana lasa izay, niseho sehatra ny bilaogy  iray tamin'ny anarana hoe  “Kuwait Anti Bandwidth Cap Alliance ( Vovonana manohitra ny famerana bande passante ao Koety)” ary tao amin'ny pejiny “Tanjona”  no voatanisa ireto fitakiana manaraka ireto :

1- Esorina ny famerana tsy ara-dalàna ny bande passante
2- Andàlana iray ao anatin'ny fifanarahana no milaza hoe “Azo ovana amin'ny fotoana rehetra ary tsy misy fampandrenesana mialoha ny fifanarahana” Manitsakitsaka ny zon'ny mpanjifa io ary angatahanay ny hanesorana azy tanteraka.
3- Saziana ireo mpanome tolotra aterineto mampihatra vidy tsy ara-dalàna.
4- Saziana ireo mpanome tolotra aterineto noho ny nampakarany ny sandany  70%+.
5- Halavain'ireo mpanome tolotra aterineto ny famandrihan'ireo mpanjifany tratry ny tsy rariny, mifanitsy amin'ny fe-potoana mitovy amin'ny laniny hatramin'ny nanombohan'ilay famerana (1 Jona 2011) ka hatramin'izay fotoana hanesorana azy io, mba hanonerana azy ireo ny tolotra tsy manjary nandoavany vola tsy an-drariny;

Tsy voafetra ho tany anaty bilaogy ihany ilay fanentanana ary, raha ny marina, dia tena nisy fiantraikany be mihitsy rehefa naely tamin'ny twitter tamin'ny alàlan'ny tenifototra  #q8cap@FalconFiery [ar], mpampiasa twitter, dia nanolo-kevitra ny mba hanaovana an-kivy ireo orinasa mpanome tolotra aterineto;

المقاطعه هو سر النكهه ، طيبة المذاق ، لا يستطيع التاجر الا تجرعه في النهاية راضخا لمطالب عادله

@FalconFiery: Ny fanaovana an-kivy no fitaovana miafina tsara indrindra mety ho andraman'ireo mpivarotra ny tsirony, ary dia hilefitra amin'ireo fitakiana ara-drariny ry zareo.

Nasser Alkhudhari (@Alkhudhari1) dia nanoratra ity bitsika manaraka ity:

@Alkhudhari1: fampidinana 15 % amin'ny sandany WTF !!. mila tolotra tsara isika, malaky, tsy miovaova & aterineto  ADSL . Miankina amin'ny “bande passante” ny ampitso.

Hamad AlJudai (@hamadmj) dia nandefa bitsika iray manakiana ny fandehan'ny aterineto ao Koety amin'ny filazana hoe:

@hamadmj: Taorian'ny nametrahana ny politika  famerana ny hafainganan'ny aterineto, tsaroako ho toy ny nihemotra nankany amin'ny taona 2000 izany aho. Ankehitriny mitady “download manager” misy safidy afaka tohizana  raha tapaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.