Afrika: Ny Tsy Fifankahazoana, Ny Drafitra Tsara Indrindra Sy Ny Fanambin'ny Fiteny

Fantatro, fantatro. Volana maro aty aorian'ny lahatsoratro farany,  inty indray aho,  nipoitra moramora ato habaky ny Global Voices natao ho ahy mba handefa lahatsoratra vaovao indray tahaky ny tsy nisy na inona na inona ,  tahaka ny hoe tsy efa ho volana maro izay no nahenoanao ahy farany. Fantatro fa miandry handre ilay tononkira ianao.  Inty ary ilay izy… miaraha miteny amiko :  efa ela izay.

Eny ary,  andao tonga dia ho resahana,  satria raha tsy izay,  ho ela vao ho azon'ny olona ny zavatra irian'ilay bilaogera Keniana Wanjiku Ndungu hotehirizin'izy ireo any am-pony indray andro any. Araka ny heviny, tsy  dia sarotra ohatry ny fiheverana antsika isika vehivavy. Ohatra fotsiny, ny lehilahy laftra aminy dia ireo manana toetra tsotra karazany telo  nefa manan-danja: mahalala an'Andriamanitra, marina amin'ny bitika indrindra sy amin'ny lehibe indrindra, ary mahay mihaino. Raha, ho fanampin'ireo zavatra ireo, ka afaka misary adala sy mahavita mampihomehy azy, dia izay no paradisany. “Miaraka amin'ny lehilahy” hoy i  Ciku mizara,”Ambony ambany daholo izany rehetra izany!”.

Manohy izy hoe:

Ny lehilahy dia mety hangataka ny hivoaka hiaraka aminao ary hahatonga anao hisaina fa hoe, ‘Oooay, tia ahy izy, na te hahafantatra ahy izy,’ raha lazaina tsotra dia hoe  mahao izay hahitanao fa tsy mihevitra ambadika izy na tsy te handeha hivoaka irery fotsiny, na koa navelan'ny namany irery izy ka niantso anao!

Tsy ny vehivavy rehetra no ho tia anao noho ny volanao! Milaminà!! Ary raha miantoka ny sakafo lany aho tsy midika fa hoe tsy lehilahy ianao, na hoe te hampiseho aminao aho fa mahavita tena. Fa izany fotsiny no tiako hitondrana ny lehilahiko.

“Leo ny fialantsinin'ireo anadahiko aho amin'ny fahitàny antsika ho toy ny noforonina ho fahafinaretan'ny maso, taonjato maro aty aoriana. Azafady. Ianao no lehilahy, ianao no mpibaiko, atsaharo izany!! Ary manaraka izay, ajanony ny fijerenao ahy toy ny sombin-kena tianao ho hanina izany!

Toa tsy hifarana ny tsy fifankahazoan-kevitra eo amin'ny lehilahy sy vehivavy-  Manana hevitra mafonja i Neefemi, nataony tanaty hafatra masiaka ho an'ireo mpandefa tweet rehetra izay mieriteritra fa mahay lavitra noho ny bilaogera izy ireo :

Koa dia adinoko ny tena laharam-pahamehana ary tsy te hanontany loatra momba izany aho , nefa ampahany hafa mihitsy izany ady atao amin'ny bilaogera ao amin'ny twitter izany. Mandreraka ahy, ilay hevitra raiki-tampisaka ao an-tsaina no tena mahasosotra. Bilaogera iringiriny aho, manoratra bilaogy momba ny zava-drehetra aho na inona io na inona. Raha miteny aminao aho hoe mpanoratra bilaogy dia efa antony ampy tsy hiresahanao amiko izay, TSARA TSODRANO. Mitady antony tsy hiresahako amin'ny lehilahy koa aho, Koa andeha mivoaka any mandehana, Aza avela ny varavarana no hikapoka anao. Eny, azoko antoka fa mety hisy fiantraikany amin'ny fiainako ny fitorahako bilaogy, eo amin'ny sehatry ny finamànana sy fiarahan'olon-droa. TSY RAHARAHAKO. Aza mamaky fotsiny. Vita..

Ny hatezerany momba ilay tantara mampifanolana ireo bilaogera-mpandefa tweet dia iray amin'ireo olana mpitranga amin'ireo Nizeriana mbola mpiofana tsy mandray karama. Nivadika resaka hafa haingana izy, nitantara ireo zavatra hafa mpiseho. Raha ny hita, tena voasarika ara-nofo aminy ankehitriny ireo lehilahy (mety mamaky ny lahatsoratr'i Ciku’ angamba aloha izy ireo). Misy taratasim-pizaham-pahasalamana any aminy, ary mitevika ny tendany. Misy mieritreritra izao fa kilasy mandry izany – tsy mandray karama – mety midika hoe tsy be tantara, nefa tsy izany mihitsy ny zavatra ho hitanao rehefa mamaky ny bilaogin'i Neefemi’ ianao.

Gee's 30-day challenge. Image from Gee's blog.

Fanamby 30 andron'i Gee. sary avy amin'ny bilaogin'i Gee.

Nanaraka  ilay Fanamby 30  andro i Gee ary hita fa, nanaraka fanenam-batana izy tamin'ny andro faha-8,

Ka dia…toy izao:

…Amin'ny fotoana anaovako”egusi” mifarana amin'ny fanaovana rony foana ilay izy. Ary miampy paty be larony sy zavatra toy izany, tadidiko fa nisy fotoana nitsingevana ny tsaramasoko ka nampiako an'ireny. Tsy hoe tsy mihinana ireny intsony aho, noho ny tavy sy menaka entiny, koa dia nanapa-kevitra ny hanajanona ireny aho ary nanao solony izay antsoiko hoe lasopy ravina (tsy misy”egusi”sy menaka “palm”),Vazivazy. Nefa mazava ho azy, amin'ity faran'ny herinandro ity no tena nilàna ny tena resaka. Teo koa ilay mofo avy ao Hawai nolazaiko fa tsy hohaniko intsony (satria mamy loatra ka rehefa manomboka mihinana iray amin'ilay fonosana 24 aho dia tsy mijanona raha tsy laniko, izy rehetra), novidiako tamin'ity herinandro ity koa io, satria nitady izany ireo vahiniko, na dia mbola manana ambiny antsasany mahery aza aho. Ary farany, nisy zavatra voaresaka teny ampandehanana an-tongotra tao amin'ny valan-javaboahary ka ny iray tery amin'ny sisin-drano niaraka tamin'ny sipanao, iny zavatra iny no antsoina hoe glasy!


Laurenta
koa dia nandray anjara tamin'ilay fanamby 30 andro. Ny lahatsorany ,alefany tamin'ny andro faha-3 dia natolony ho an'ilay lahatsorany voalohany izay tsy mbola novakiany mihitsy, izay miresaka sokatra iray fetsifetsy nangalatra laoka nataony tao anaty satrony sy nitondra izany.

Tantara an-tsary voalohany novakian'ilay bilaogera Nizeriana Laurent fony izy 6 taona. Sary avy amin'i Laurenta

Manoratra izy:

Nanapa-kevitra ny hiverina any amin'ny voalohany indrindra aho, tamin'ny fotoana nitsirian'ny fitiavako boky sy namakiako voalohany raha vao 6 taona monja tany amin'ny kilasy fahatelo tamin'ny ambaratonga fototra aho, nanana fikambanan'ny mpamaky boky izahay tao amin'ny ambaratonga fototra izay notohanan'ny  Lantern Books, mihena ny vola aloa amin'ny boky vidiana n'izan'iza miditra ao amin'ilay fikambanan'ny mpalmaky boky ary nosoratan'ny ray aman-dreniko tao ny anarako , nahazo boky vaovao 1 isan-kerinandro izahay. Nanampy betsaka ny fahazoako ny teny anglisy izany, by the time i was out of primary school my reading speed was through the roof, i could devour an entire novel in hours, ary hatramin'izao aza dia gaga ny olona hoe mahay mamaky sy manoratra haingana aho.

Nifarana ny fifaninanan'i Sugabelly fifaninanana fiteny zay nanaovan'ny  bilaogera Nizeriana lahatsoratra an'onjam-peo amin'ny fomba fiteny nenti-paharazana.

Ireto ny sasany amin'ireo fitsipika:

1.  Tsy OLANA  na ahoana na ahoana fahaizanao miteny ny teninao. Ny tanjona dia ny hahay hiteny izay ihany. koa aza manahy raha tsy mahay miteny tsara na tsy maintsy hisy teny anglisy ao anatiny. Tolorana arahaba tonga soa avokoa ny haavom-pitenenana REHETRA..

2. Lahatsary sy tahirim-peo no tena tian'ny olona. Satria ny tadiavina dia ny hihaino sy hankafy ny fiteny tenenina. Somary maivana ny lahatsoratra soratana saingy ekena ihany koa. ^_^

3. Miangavy mba asio diknteny ho an'ireo mpamaky anareo avy amin'ny foko hafa! Tokony ho amin'ny teny Anglisy ilay dikanteny ary mety ho haka endrika teny fanazavàna ery ambanin'ny lahatsary, na dika soratra ho an'ireo tahirim-peo sy ny lahatsoratra nosoratana.

Ity ny fandikàna ny fanambin'ny teny nataon'i Sugabelly:

Manao ahoana …. Sugabelly ihany ity…ity ny lahatsoratro. Misaotra ireo rehetra izay nilaza fa handray anjara amin'ilay fanambin'ny teny.

Miangavy ny tsirairay mba hanome ny tsara indrindra avy aminy satria ho tsara ho antsika ny haheno karazàna fiteny Nizeriana ao amin'ny Blogville (tanànan'ny bilaogy).

Tena faly aho satria efa nahazo fampidirana vitsivitsy amin'ny fiteny telo sahady izahay : Sting nanao ny azy tao Pidgin, Aseni nanao ny azy tany Yoruba, ary IphyIgboGurl tany Igbo.

Nandritra izany, efa nisy rohy napetrako ao amin'ny pejin'ny Fanambin'ny Fiteny ka dia afaka jerena ao hoe iza no efa nahavita ny azy.

Tena mampahazo aina ny mahafantatra fa tsy izaho irery no tsy nahatanteraka ny tetikasako matetika!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.