Filipina:Safo-drano Mahatsiravina Namely Ilay Tanàna “Tsy misy Typhoon”

Filipiana maro no notampohan’ilay safo-drano goavana izay namely ny ilany atsimon’i Davao renivohitr'i Filipina. Malaza ratsy amin’ny fisiana safo-drano tselatra i Filipina, antony mahatonga izany ny fisiana rivo-doza maro mandalo amin’io firenena io avy any amin’ny ranomasimbe Pasifika. Nefa lazaina fa hoe miorina eo amin’ny faritra tsy fandalovan’ny rivo-mahery Typhoon  ny tanànan’i Davao.

Ny alin’ny Alarobia 29 may 2011, tafakatra hatramin’ny 25 eo eo ny isan’ny maty niharan-boina ary 15 hafa mbola tsy hita hatramin’izao. Tsy vitan’izany ihany, anarivony ny fianakaviana nafindra toerana vokatr’ilay safo-drano ratsy indrindra teo amin'ny tantarany namely ny tanànan’i Davao.

Efa nampandre ny fisiana tafio-drivotra arahina oram-be izay nahatonga ilay safo-drano ny sampan-draharaha misahana ny famantarana ny toetr'andro tao an-toerana.

Ireo Filipiana tsotra sasany dia nampiasa fitaovan-tserasera mba ho entina izaràna ny niainany ilay safo-drano. Ireto misy fanehoan-kevitra tao amin'ny twitter momba ilay safo-drano:

@kangirlsonza: raha ny fitenin'ny nenitoako – “grabe talaga bilis.parang tsunami pagdating ng tubig. wala kaming nasave.” – maratra mihitsy ny foko é, safo-drano #Davao

@kangirlsonza: raha ny fitenin'ny nenitoako – “mampitolagaga ny hafainganam-pandehany. Nentin’ny rano izahay toy ireny “tsunami” ireny. Tsy afaka nanao na inona na inona”- maratra mihitsy ny foko é, safo-drano #Davao

@blogie: maro ireo olona ao an-tanàna no taraiky teny rehetra teny. Fa inona no ataon’ireo LGU eto Davao é? Hiharatsy hatrany ity olan’ny safo-drano ity amin’ny volana manaraka raha tsy voavaha ny olana .

@08chantal: ny oram-baratra nitanila no niteraka oram-be mikija ka nahatonga ny safo-drano tao Davao…ny hafa!!! mila tetikasa hifehezana ny safo-drano ianareo ry PH a!

@Bakla: manantena ary mivavaka aho mba ho avotra daholo ireo fianakaviako sy namako ao Davao. Ary koa mivavaka ho an’ireo fianakaviana sy ireo tratry ny safo-drano.

@carlomallo: ANDRIAMANITRA O! nahita aho fa ampahany lehibe amin'i Davao no niatrika safo-drano mahery vaika ny alina lasa teo noho ny oram-be nikija nandritra ny ora 3 ! nisy ankizy maty an-drano mihintsy aza.

@RainTravels:ANDRIAMANITRA O!, fa inona no nitarika izao safo-drano tao #Davao izao? Taloha i Davao tsy niharan-doza be avy amin'ny orambe mikija (#storms) sy safo-drano. Ndao hivavaka ho an'i Davao #letsprayfordavao

@bambiarias: Typhoon-free ang Davao pero biglang nagflash flood. *sigh* mukhang galit na si mother nature sa atin. #prayfordavao

@bambiarias: toerana tsy fandalovan’ny rivo-mahery Typhoon i Davao kanefa tampoka teo  dia nisy safo-drano . *sento* sanatria tezitra amintsika i reny natiora. mivavaha ho an'i Davao #prayfordavao

@iampaoloovejera: isan'ny toerana fitsidika tena ankafiziko  eto an-toerana i Davao …Mahatonga ahy hisenton'alahelo ny fahitàna ny tanàna safotry ny rano

Davao City flooding

Tratry ny safo-drano ny tanànan’ny Davao

Bilaogera maro no nahita ilay safo-drano, toa an'i Lady in Purple, izay tsy nanampo koa:….

Natory tsy nahare na inona na inona aho ary tsy nahafantatra akory fa niady aman'aina ireo Dabawenyos . Efa maheno vaovao tahaka ity aho avy any Manila fa ity no tena nahataitra ahy. Tsy matahotra isaky ny milatsaka ny orana kanefa heveriko fa fotoana izao tokony hahamailo.

Noeh’s Ark dia mizara ny efa saika naha-difotra ny fiarany tamin'ilay  safo-drano:

Rehefa tonga teny  Lalambe Tahimik izahay (ao Bangkal koa), tena tao anatin’ny heriny tanteraka ny rano. Korian-drano mahery vaika. Kanefa tamin’izay fotoana izay (sahabo tamin’ny 12 :30 atoandro teo) dia mbola lalina ny rano. Avy eo rehefa niverina, toy ny nataon'ireo fiara rehetra teo amin’ny tetezan’ny Bangkal (eny fa na ny kamiao aza). Sahabo 20-30 minitra no laninay vao tafaverina teny amin’ireo toerana tsy mbola tratra. Teo no fotoana nahitanay ireo poti-javatra simba marobe. Eny fa na dia ny « pedicab, posy tarihana bisikilety » aza dia noraofin'ilay korian-drano mahery vaika. Efa tafakatra hatreny ambalahana ny rano. (Teo no fotoana nangalako sary) teo koa no fotoana nidiran’ny rano tao anatin'ny fiaranay.

Manontany i Davao Travel raha efa niomana amin’ny mety hisian’ny safo-drano hafa ny tanàna:

Tsy azoko antsaina mihintsy hoe tsy afa-manoatra ny tanànan’i Davao. Tsy hoe tsy afa-manoatra satria hoe tsy manao na inona na inona ny governemanta, fa satria diso matoky tena loatra ny mponina hoe tsy hisy zavatra hitranga toy iny safo-drano tamin’iny alina tao amin’ny tanàna sasatsasany ao bangkal iny, matina pangi sy talomo.

Fantatra amin’ny maha-tanàna tsy lalovan’ny rivo-mahery Typhoon azy ny tanànan’i Davao kanefa tsy midika koa izany fa tsy fandalovan’ny safo-drano izy. Eritrereto indray ny filàzana ilay tanàna ho tsy fandalovan’ny rivo-mahery tato anatin'ny taonjato farany, tratry ny safo-drano vokatry ny rotsak'orana naharitra 3-5 ora teo ho eo.

Nandefa sary tao amin’ny bilaogy ny Caperture momba ny zavatra hitany nandritra ny safo-drano izay namely ny tanàna iny alina iny:

Tafatsofoka tany anaty trano fonenana sy trano fivarotana ny rano. Voatery najanona ny asa ho an’ireo toerana miasa alina satria niakatra teny ambony latabatra sy seza ireo tompon’orinasa sy ny olona. Betsaka ireo moto no lasan’ny rano toy ny hoe nasosan’ireo mpitangina azy ho any..

Niantso ireo manampahefana tao an-toerana i Albertology mba handray fepetra hentitra hiatrehana izao olana ateraky ny safo-drano izao:

Aoka izay ny fialàna bàla. Efa be no henon'i Davao momba ny fiovan’ny toetr-andro, ny fitomboan'ny rotsak'orana ary ny tsy fahampiam-bola. Tsy afaka hanohy resaka mikasika ny antony miteraka ny safo-drano sy hijery ny olona izay voatelina velona lasan’ny rano isika. Tsy hilaza ny tahotr’ireo Dabawenyos maro nateraky ny safo-drano tamin’iny alina lasa iny.

Ny ben-ny tanànan’ i Davao dia nampiasa ny pejy Facebook-ny mba handefasana fanavaozam-baovao momba ny zava-misy ao an-tanàna sy ny asa fanampiana sy famonjena..

Mizara ny tantàrany arahana lahatsary fanadihadiana momba ilay safo-drano ihany koa i Caha de Opinion:

Taorian’ny nitsaharan’ny orana dia nandeha nivoaka kely aho mba hividy zavatra hohanina ! Akory ny hagagàko, raha nahita ilay rano tondraka izay efa nikoriana teo amin'ny zana-tohatra ambany indrindra tao ivelan’ny tranonay. Tsy mbola nahita tondra-drano tahak’ity aho hatrizay nipetrahako teto amin'ity toerana ity nandritra ny 6 taona.

Hita ao anaty aterineto ao amin'ny bilaogin'ny GensanBoy sy ny The Mindanao Examiner ny sasantsasany tamin'ireo sary izay maneho ny fahasimbàna vokatr'ilay loza nahatsiravina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.