Tantara tamin'ny 17 Jolay 2011
TED Talk avy amin'ny mpiara-manorina ny Global Voices Rtoa Rebecca MacKinnon
Niteny ny mpiara-manorina ny Global Voices Rebecca MacKinnon fa tokony hanorina orinasa tompon'andraikitra hahatonga ny aterineto hivelatra mankamin'ny fomban’ “olom-pirenena” ny olo-tsotra. Nandritra ny TED talk tamin'ny 12 Jolay 2011 tany Edinburgh, Ekaosy no namoaboasany fa lasa fantsom-pifandraisana voalohany eo amin'ny olo-tsotra sy ny fitondram-panjakana ny aterineto saingy nampitandremany fa misy ny andian'orinasa...
Togo: Fiatoana Kely Taorian'ny Dimy Herinandro Nisian'ny Hetsi-panoheran'ny Mpianatra
Ny tolon'ireo mpianatra avy any Togo, firenena Afrikana Tandrefana, ny mba hanatsaràna ny fepetram-panabeazana dia efa nahatratra ny herinandro faha-diminy ary na eo aza ny fitsaharana kely tato ho ato, mbola avo ny fihenjanana any Lomé renivohitra.Ao anatin'izany ny fampiakarana sy fandoavana ny vatsi-pianaran'izy ireo.
Shina: Mpisolovava Manohana Kandidà Noraràna Tsy Hilatsaka Ho Fidiana
Mitaha amin'ireo olona marobe milaza ny filatsahany ho fidianana tamin'ity taona ity ho fidiana ao amin'ny Antenimieram-bahoaka, ho tantara iray izay mbola tena misarika ny sain'ny maro ny an'i Liu Ping ao Jiangxi , izay nilahatra tamin'ireo kandidà roa hafa , saingy tsy navela hilatsaka tamin'ny fifidianam-paritra