Tanàna Ségou: Torohevitra mandritra ny andro avy orana

Mitohy ny dia ho an'i Boukary Konaté sy ny tariny ao amin'ny tetikasa vatsian'i Rising Voices,  Ségou Villages Connection. Iray amin'ireo zava-bitany farany ny famoronana ny foiben'onjam-peo tao an-tanàna tamin'ny alalan'ny “lecteur” mp3 sy “carte mémoire”. Boukary ao amin'ny blaogin'ny tetikasa “Ity misy teknolojia  izay ahafahan'ny mponina mihaino amin'ny FM ny mozika henoin'ny mpiray vodirindrina aminy amin'ny alalan'ny  ‘carte mémoire’.”

Foiben'onjam-peo tsotra dia tsotra

Ary manohy milazalaza ny fomba fiasan'ilay onjam-peo izy:

 

Ataonay anatina MP3 ny “carte mémoire” misy hira maromaro dia fantenanay ireo hira ao amin'ilay “carte” no sady mitady ny “fréquence”-n'ny onjam-peo ihany izahay. Rehefa azo tsara amin'ny onjam-peo ilay hira ao amin'ny “carte” dia afaka mihaino hira mitoby ireo mpiray vodirindrina na dia misy elanelana aza eo amin'ny radio, na ny kely aza.

Indrisy anefa, noho ny tsy fahampian'ny herinaratra any an-tanàna, samy alefa amin'ny “batterie” ilay “lecteur” mp3 sy ilay radio, nefa fahombiazana tokony hasiam-pivoarana sy haparitaka amin'ireo tanàna Maliana hafa ity. Izany no nitarika an'i Boukary hametraka ity fanontaniana [fr] manaraka ity:

si la carte mémoire a beaucoup joué sur les cassettes en matière de musique, est-ce que les MP3 ne vont pas aussi jouer sur les radio FM dans les les localités rurales en matière d’information et de musique ?

Raha mahazo tombony betsaka avy amin'ny “carte mémoire” ny kasety amin'ny lafiny mozika, tsy hahazo tombony amin'ny mp3 koa ve ny radio any amin'ny faritra ambanivohitra amin'ny lafiny vaovao sy mozika?

Na izany aza, tokony hitandrina ihany rehefa momba ny fitaovana ara-teknolojia, indrindra rehefa amin'ny tontolo somary mahery setra. Ny tanjon'ny Segou Villages Connection dia tsy voafetra amin'ny fanapariaham-baovao sy fampianarana ny fampiasàna ny teknolojia vaovao, fa koa fampahatsiarovan-tena ho an'ny mponina ambanivohitra. “Ka rehefa avy ny orana dia vonoy ny findainao,” hoy Oumar Dembélé manoro hevitra, mpitoraka blaogin'ny Ségouinfos ao an-tanànan'i Zambougou, izay mitantara loza iray niseho tao an-tanànan'i Bla, raha nanoratra tao amin'ny blaogin'ny Segou Infos [fr] :

Oumar Dembélé, solotenan'ny Ségouinfos any Zambougou

 

Le samedi 19 juin 2011, le gardien du lycée de Bla est mort sous le coup de la foudre. Ils étaient huit personnes dans une case au champ. Le gardien jouait avec son téléphone, soudain, une foudre s’est abattue sur les huit personnes dans la case. Deux personnes ont trouvé la mort sur le champ parmi dont le gardien qui est un camarade à moi. Les autres blessés ont été emmenés à l’hôpital de Bla.

Tamin'ny Sabotsy 19 Jona, maty nilatsahan'ny varatra ny mpiambina ny lisean'i Bla. Olona valo ry zareo no tao anaty tranokely teny an-tsaha. Nilalao ny findainy io mpiambina io, ka tampoka teo dia nilatsahan'ny varatra ireo olona valo tao anatin'ilay tranokely. Roa no maty teo noho eoTwo, ny iray tamin'ireo dia ilay mpiambina, izay namako rahateo ihany koa. Ireo hafa naratra kosa dia nentina tany amin'ny tobim-pitsaboan'i Bla.

Nanoratra momba ny loza hafa tao amin'ny tanànan'i Dotebougou ihany koa i Oumar, ka nanome torohevitra fanampiny ho an'ireo mpamaky azy:

Le mardi 31 mai 2011 sous la pluie, un baobab est tombé sur une femme et son bébé à Dotebougou. Ni la femme ni le bébé n’ont survécu. Je lance un appel à toutes et à tous d’éviter de s’assoir sur les l’arbre sous la tornade.

Ny Talata 31 Mey tamin'ny andro avy orana, nianjeran'ny hazo baobab ny ramatoa iray sy ny zanany tany Dotebougou. Tsy nisy avotra na ilay vehivavy na ny zanany. Miantso ny rehetra aho mba tsy hipetraka ambodihazo rehefa mivatravatra ny orana.

Sarin'ilay hazo Baobab nalain'i Oumar Dembélé

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.