Makedonia: Fijery ivelan'ny firenena mikasika ny hetsika fanoherana ny herisetra ataon'ny polisy

Manondro ny tanjaka hananan'ny haino aman-jery nentim-paharazana izay tsy dia marisika firy amin'ny fitantarana ny vaovao “tsy tian'ny olona” ny fihetsehan'ny olo-tsotra amin'ny alalan'nyfanoherana ny herisetra ataon'ny polisy any Makedonia, ary manome lanja ny fotoana mety hisian'ny firaisankina raha vao tafita ny vaovao.

Nanoratra[mk, en] mikasika ny fihetseham-pon'ireo namany i Jovana Tozija, vehivavy Masedoniana monina any Alemaina:

Maro amin'ireo namako eran-tany no nanontany hoe inona ny zava-miseho any Masedonia taorian'ny nahitan'izy ireo ahy mamerimberina tao amin'ny Facebook ny rohy izay mifandraika amina taratasy hafahafa ary rehefa  hitan'izy ireo koa fa novaiko ny sariko eo amin'ny mombamomba ahy eo amin'ny kaontiko. Nohazavaiko fohifohy azy ireo ny famonoana an'i Martin Neshkovski. Ireto ny valintenin'izy ireo ary ny fandinihako manokana mikasika ireo fihetseham-po voalohany nataon'izy ireo.

Vehivavy Rosiana iray: Dia ahoana? Novonoin'ny polisy ilay lehilahy. Maninona izany no ataonao resabe? Tsy misy na inona na inona azonao atao amin'izany.

Hita mazava tsara, fa tsy mbola tafakatra avo ny fahalalana maneho hevitra ao amin'ity firenena ity. Tsy haiko ny antony raha toa hoe matahotra izy ireo na koa hoe tsy dia ampy fivelarana. Fa ny haiko dia misy ny fivangogoam-pahefana eo am-pelatanan'olom-bitsy ary tsy misy na inona na inona azonao atao ara-bakiteny tokoa amin'izany.

Lehilahy Iraniana iray: Olona iray fotsiny ve no maty?

Izay no fihetseham-pony voalohany. Tsy mora ho azy ihany koa izany. Efa nahita ny ratsiratsy kokoa noho izany izy. Tamin'ny herintaona, nandritra ny revolisiona maitso tany Iran, namono ireo tanora ny governemanta, satria tsy nanaiky tsotra izao ny fisian'ny hala-bato tamin'ny fifidianana i [Ahmadinejad] .  Vondrona tanora liam-pivoarana no nanao fihetsiketsehana saingy nandamoka ny nataon'izy ireo. Maro tamin'izy ireo no novonoina ho faty ary mbola eo amin'ny fahefana ihany i Ahmadinejad.

Vehivavy Alemà iray: Ahoana koa no 2 andro mbola tsy fantatra ihany hoe iza ilay zazalahy maty ary mbola tsy nivoaka tamin'ny vaovao ny tranga?

Efa zatra ny olona ao amin'ity firenena ity amin'ny hoe manao ny asany araka ny fenitra napetraka ny rafi-pitantanana. Tsy nahaliana azy ny hoe ahoana no mahatonga ny polisy manokana hamono hahafaty ilay zatovolahy fa ny hoe ahoana no tsy hitan'ny rafi-pitantanana ity tranga ity.

Lehilahy Kroaty iray: OMG, eo am-pandefasana antsika any am-pasana ny polisy izany.

Tsy dia manana tsikera amin'ity aho, ary tsy haiko izay ho dinihina. Ataoko angamba fa mpanaraka ny lesona [ACAB] izy.

Yurukov Nanoratra [bg] ny mpitoraka bilaogy Boligara eo amin'ny bilaoginy rehefa nandeha andro maromaro ny fihetsiketsehana:

Maninona no tsy misy haino aman-jery Bolgara mihitsy milaza mikasika ity fanoherana ity mandritra ny herinandro? Maninona no amin'ny alalan'ny Twitter no ahafahantarako an'izany, ary koa mbola tsara vintana izaho nanaraka Masedoniana maro? Inona no andrasan'izy ireo? Teny baiko ofisialy avy amin'ny ministeran'ny Atitany ve sa avy amin'i [PM Boyko Borisov]? Nisy ve izany tafarafara tao? Matahotra ve isika fa hahazo tsiny ny haino aman-jery noho ny fitarihana korontana raha miparitaka eran'i Bolgaria ny fanoherana? Maninona ireo filazam-baovao izay noheverina ho malalaka no nangina? Sa tokony hiandry ny vaovao halaza kokoa isika, amin'izay isika afaka miresaka ny momba izany?

Nanoratra i Yurukov herinandro nanaraka ny nanombohan'ny fihetsiketsehana, fa vavahady lehibe roa ihany no nampiseho ny vaovao tamin'ny teny Boligara : Dir.bg and News.bg. (Fanampin'izany, tsy naneho ny tohin'ny lahatsoratra intsony ireo mpilaza vaovao niavaka ireo tao anatin'ny herinandro vitsy taty aoriana.)

Nampiseho ny lahatsoratra [mk/sr] mikasika ny fanohanana ny fanoherana avy amin'ny antoko mpihira vehivavy “Kombinat” [sl] avy any Slovenia ny tranonkala Stop police violence:

Mandefa sarin'ny fanohanana izahay, izay nalaina nandritra ny fampisehoana tany [Celje], atolotra anao, izay manohitra ny herisetra ataon'ny polisy any Makedonia. Alefanay [ny fanangonan-tsonia] natao tao amin'ny fampisehoana. Tsy manana hevitra mihitsy mikasika izay miseho any Makedonia ny olona any Slovenia, satria tsy milaza na manoratra mikasika izany ny haino aman-jery… Ekeo ny firaisan-kinanay ary tohany, miaraka aminareo ny eritreritray sy ny fonay…

No Pasaran!

kaonseritra Kombinat tany Celje, Slovenia. Sary nalain'i Kombinat, nampiasana nahazoana alalana.

Mbola manasa ireo olona avy any ivelany foana ireo mpanao fihetsiketsehana Masedoniana haneho ireo fanohanany amin'ny fihetsiketsehany amin'ny alalan'ny fanoratana na fanamboarana horonantsary mihetsika mikasika azy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.