Filipina: Adihevitra Mikasika ny Volavolan-dalàna Momba Ny Fisarahana Am-Panambadiana

Mialoha ny adihevitra mafàna mikasika ny Volavolan-dalàna Momba Fahasalamana ara-Pananahana, efa tsy miombon-kevitra amin-javatra iray sahady indray ny Filipiana amin'ny fandinihana ilay ampahan-dalàna iray mahabe resaka : ny lalàna momba ny fisaraham-panambadiana.

Ilay adihevitra momba ny fandinihana ny lafiny araka ny lalàna momba ny fisaraham-panambadiana dia nanomboka tamin'ny nahenoana tany Filipina ny vaovao mikasika ny fitsapan-kevi-bahoaka natao tany Malta nanome alàlana sy nampanjary ho ara-dalàna ny fisaraham-panambadiana andry vitsy talohan'izao.  Io dia nanosika koa ireo vondrona tia fanavaozana hampiaka-peo hitaky ny firenena hanaraka ny dian'i Malta ka hanao izay haha ara-dalàna ny fisaraham-panambadiana ao amin'ity firenena ity izay Katolika no betsaka amin'ny vahoakany.

Tsy zava-baovao ny adihevitra momba ny fisaraham-panambadiana, jereo eto ny fantina momba ireo fomba fijery nandritra ny atrikasa AttyatWork tamin'ny taona lasa manodidina io olana io .

Filipino Thinkers dia manana famehezana goavana tokoa momba ny fomba nitondràna ny adihevitra sy ny safidy hanao ny fitsapankevi-bahoaka tao Malta. Mbola tsaratsara kokoa noho izay, manao fampitahàna ny olana misy ao Filipina sy tany Malta ihany koa izy io.

Ankoatry ny fiafarany nahafaly, izay nametraka an'i Filipina ho hany firenena tokana tsy misy divorce1, misy itovitoviany amin'ny adihevitra nataontsika momba ny fahasalamana ara-pananahana (RH) ny fitsapankevi-bahoaka momba ny fisarahana am-panambadiana tany Malta:

Ireo firenena roa ireo dia samy kitro ifaharan'ny fivavahana Katolika: Malta ao Eoraopa, ary Filipina any Azia; Ny Katolika no tena betsaka any amin'ireo firenena roa ireo: 95% ao Malta, 80% aoFilipina; ireo ady roa ireo dia eo amin'ny eveka mpifikitra amin'ny teo aloha sy ireo Katolika mpandàla fihavaozana no tena misy. Ary amin'ireo tranga roa ireo, ireo eveka mpifikitra amin'ny teo aloha dia mampiasa ny fampitahorana mba hitazonana sy hifehezana ny ondriny.

Mba hijerena malaky ny fahasamihafana misy amin'ny fisarahana am-panambadiana, ny fanafoanana ary ny fisarahana araka ny lalàna, manana toro-làlana malaky momba ireo tranga samihafa i Lyle R. Santos.

Miaraka amin'ny fankatoavana ny fisarahana am-panambadiana any Malta, i Filipina izany sisa no firenena tokana mandràra azy io manerana izao tontolo izao. Ho an'i Blue Dela Kanluran, ny adihevitra momba ny fisarahana am-panambadiana dia tsy tokony hafototra fotsiny amin'izay zava-misy izay:

Tahaka izay efa nambarako tany aloha dia manohitra ny fisarahana am-panambadiana aho na izany aza, tsy misakana firenena iray izay manana ny fiandrianany aho hisafidy izay heveriny ho mendrika ho an'ny firenena sy ho azy ireo, sahala amin'izay nasehon'i Malta. (Jereo, izany no ohatra amin'ny fisarahan'ny Fitondrana sy ny Finoana.

Nitarika ahy hanontany tena izany, inona no ho fiantraikan'ny maha- hany firenena tokana an-tany mandràra ny fisarahana am-panambadiana ao Filipina?

Raha ny hevitro manokana, hampanano-sarotra ny lalàna mankasitraka ny fisarahana am-panambadiana io amin'ny ho avy, tsy hoe fotsiny noho ny fitsabahan'ny fiangonana fa noho ny holatra efa nambara tany aloha (izay tsy amin'izany mihitsy no tokony hifandresen-dahatra momba ny lalàna)

Cocoy mahita fa efa naman'ny lany sahady ny volavolan-dalàna momba ny Fahasalamana ara-pananahana ary amin'izao fotoana ny volavolan-dalàna momba ny fisarahana am-panambadiana dia tahaka ny ‘reboot‘ ho an'i Filipina  (Avy amin'ny mpandika: raha amin'ny resaka solosaina, dia fiaingana vaovao indray no hevitry ny ‘reboot’), miala amin'ny toeran'ny fanjakana anjakan'ny resa-pinoana ho amina fitondrana laika:

Ka raha mivadika ho lalàna moa  ilay volavolan-dalàna momba ny Fahasalamana ara-pananahana, ary arahan'ny volavolan-dalàna momba n y fisarahana am-panambadiana avy eo? Dia fiaingàna roa sosona ho an'i Filipina izany. Manamarika izany fa miofo miandàlana ho firenena laika tsy ho eo ambany vahohon'i Vatikana intsony.

Amin'ny maha-Katolika, ho ahy, manome vintana iray ho an'ny fiangonana izany mba hifantohany bebe kokoa amin'ny ara-panahy. Mila toriteny sy tari-dàlana aho mba hahatonga ahy ho olona mendrika. Tsy ilaiko akory ny fiangonana hiteny hoe inona no tsy mety ao amin'ny governemanta ao. Ireo Filipiana any rehetra any dia efa mahalala sahady ny tsy mety eo amin'ny fireneny. Fotoana hanan-tantara izao mba hanitsiantsika izany. Ilaiko hitondra fanampiana ho an'io ramatoa mpikarakara tokantrano matetika matim-bonon'ny vadiny io ny fiangonana. Ilaiko ho mpitari-dàlana ireo ankizy mpirenireny an-dalambe sy hampiditra azy ireny an-tsekoly ny fiangonana. Mila io  fiangonana io hanao zavatra aho.

Dreamwalker mahita fifaliana amin'ny zava-misy hoe ity volavolan-dalàna ity, tsy raharahiana izay fisamantsamahana sy fifanoheran-kevitra any, dia miteraka adihevitra eo amin'ny fiarahamonina, ary dia mandrisika ny tsirairay handray anjara amin'ny fifanakalozan-kevitra eto amin'ny firenena :

Mitohy zendana hatrany aho amin'ny fahitàna ny Filipiana toa lasa manara-maso akaiky ny zava-mitranga ao amin'ny fireneny sy ny fomba ataontsika hahazo vaovao misimisy kokoa mikasika ny lalàna eto amintsika – na ny vao atolotra na ny efa nisy. Raha ny hevitro, hitondra ho amin'ny zavatra tsara ihany izany. Aza miasa loha hoe hisy foana izany

Maju di amitondra tohan-kevitra mazava amin'ny fampitandremana fa hoe  mpanao lalànantsika dia tokony hijery tsara an'ilay laàna momba ny fisarahana am-panambadiana amin'ny maso mahiratra tsara:

Tokony horaisintsika anaty kajikajy ihany koa ny tsara sy ny ratsy amin'ny fisian'ny lalàna momba ny fisarhana am-panambadiana.  any amin'ny firenena maro, indrindra fa ireo fehezin'ny Sharia, tsy mitovy ny zon'ny lahy sy ny vavy faritan'ny lalàna amin'ny resaka fisarahana am-panambadiana.

Farany, ity misy resaka mahasoa avy amina mpisolovava iray, Connie Veneracion, momba ny fanafoanana fanambadiana, ny fisarahana araka ny lalàna misy amin'izao fotoana ao anatin'ny lalàna Filipiana ary ny fomba mety hanentsenan'ny fisarahana am-panambadiana ny lavaka eo amin'ny Fepetran'ny fianakaviana ankehitriny:

Taoriana kely, na izany aza, nazava ihany fa na teo aza ny hakelin'ny fahafaha-mihetsika omen'ilay hoe tsy fahatomombanana ara-psikolojika, misy lavaka mangotanatàna be ao anatin'ilay lalàna. Làlana lavitr'ezaka be ny fanafoanana fanambadiana araka ny lalàna raha jerena amin'ny ara-bolan'ny ankabeazan'ireo Filipiana. Ny mpanasa lamba miaina anaty trano tsy zarizary ary iharan'ny herisetra ara-nofo ataon'ny vadiny mpimamo lava dia tsy ho afaka mihitsy hanao an'izany. Ankoatry ny fandaniana, elabe sy mandreraka ny dingana arahana. Farany, ireo mpomba ny fisarahana am-panambadiana dia nanomboka nitabataba indray. Araka ny efa nahiana, ny fiangonana Katolika dia manana fomba fandinika misimisy kokoa nentiny niaraka tamin'ny fandresena lahatra hanoherana ny fisarahana am-panambadiana.

Mampalahelo fa betsaka amin'ny Filipiana no tsy afaka mijery n y fanambadiana ivelan'ny sehatry ny ara-pinoana. Fa mbola mampalahelo kokoa ny mahita fa ny ankabeazan'ny Filipiana dia tsy mihevitra ny fanambadiany ho misy lanjany sy ara-dalàna raha tsy nandalo fiangonana. Faran'izay mampalahelo.

Noho izay, hameno ny banga amin'ny fahabangana misy ao amin'ny Fepetran'ny Fanambadiana ve ny fandaniana lalàna momba ny fisarahana am-panambadiana? Miankina amin'ny hoe inona no avelan'ny lalàna hataontsika ho antony ara-dalàna hisarahana am-panambadiana ary inona no dingana harahana. Tany aloha dia efa nitranga ny hoe lalàna iray nolaniana toy ny vatomamy fitsentsitra (bonbon secette). Afaka mandany lalàna iray momba ny ‘fisarahana’ am-panambadiana ny Kongresy, izay sehatra tery kely sy dingana manahirana mety handà ny tena anton'ilay fisarahana am-panambadiana. Mba fantatrareo, mba hilazana fotsiny fa hoe lany ilay lalàna momba ny fisarahana am-panambadiana. Manahy aho ny hoe ho afa-po amin'izany ireo mpandàla fiovàna sy ny mpandàla ny fisarahana am-panambadiana.

Ny sarikely dia nampiasaina avy any amin'ny pejy Filckr an'i jekert gwapo eo ambany fiarovana CC License Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.