Japana: Ny Hazakazaka Fiarakodia Amin'ny Alina Ho Kolotsaina Vaovao

Maro izany mpanao hazakazaka fiarakodia amin'ny alina izany. Maro noho izay mety ho eritreretinao, ary toa miha-malaza ihany izany.

Iray amin'ireo antony lehibe mahatonga ny mpifaninana hanao izany amin'ny alina dia ny resaka filaminana. Izany dia fampisehoana fa manintona kokoa ny amin'ny alina ho an'ireo olona miasa, rehefa maheno momba ny fandraisana anjara mahavariana amina hazakazaka ianao any amin'ny Lapan'i Osaka.

Kiyoshi, any Osaka, dia nandray anjara taminà hazakazaka fiarakodia amin'ny alina tany amin'ny Lapan'i Osaka:

さて、この大会ですが、平日の夜に開催されるということで、人が集まるんかいな?と最初は思っていましたが、会社帰りの方その他、計560名の方が参加されました。
大阪城公園内とはいえ、平日の夜に5km、10kmでタイムを計測してもらえるということで、いろんな事情で日曜日のレースに出づらい方や、レースは全く初めてという方などが気軽に参加されたのではないかと思います。

Amin'izao fotoana, saika amin'ny alina amin'ny andro fiasàna no natao ity fifaninanana ity, ka nieritreritra aho tamin'ny voalohany hoe: “Tena ho avy tokoa ve ny olona?” Na izany aza dia olona 560 no nandray anjara rehefa nandeha ny ora. Na dia tao anatin'ny Kianjan'ny Lapan'i Osaka aza izany, afaka nandrakitra ny hazakazaka 5km sy 10km ihany izahay. Mieritreritra aho fa mora kokoa ny fandraisana anjara ho an'ireo olona tsy afaka mandray anjara amin'ny andro Alahady na tsy mbola nandray anjara mihitsy.

Avy eo misy ny rivo-mahafinaritra entin'ny alina. Mahazo aina ny olona sasany amin'ny alina ary mety tsara ho an'ny hazakazaka ny fepetra.

Carna dia manazava ny itiavany azy ity:

空は雲に覆われている為、月明かりはなく、街も節電中の為、薄暗い中でのランニングとなりましたが
逆に走りに集中できたのではないでしょうか
夜のランニングはホントに気持ちが良いですね!
日焼けもしませんし

Noho ny lanitra voarakotry ny rahona, ny tsy fahampian'ny fahazavan'ny volana ary ny tanàna mitsitsy herinaratra, somary maizimaizina ihany ny hazakazaka. Amin'ny lafiny iray, toa afaka nifantoka tamin'ny hazakazako aho. Tena mampangatsiatsiaka ny hazakazaka amin'ny alina ary tsy miasa saina amin'izay ho main'ny andro ianao!

Misy mihitsy aza ny lamaody mivoatra sy miavaka amin'izao fotoana izao  ho an'ny hazakazaka fiarakodia amin'ny alina . Nanandrana akanjobà misy jiro DEL i Lafino, natao manokana ho an'ny hazakazaka fiarakodia sy dia an-tongotra amin'ny alina.

Voamarikay ny fahafinaretana azo amin'ny hazakazaka amin'ny alina amin'ny maha-fialàmboly azy, nefa ahoana kosa ny momba izany amin'ny maha-kolotsaina zanatany azy izay mamaritra ny olona sy ny fifandraisany amin'ny fiaraha-monina?

Tsy zavatra ampifandraisin'ny olona matetika amin'ny fiainana amin'ny alina sy ny zana-tsampan'ny kolotsaina ny hazakazaka fiarakodia, tsy izany kosa ny an'ireo mpikambana ao amin'ny vondrona Mpihazakazak'i Tokyo amin'ny Misasak'alina (MRT). Namolaka ny làlan'i Tokyo ry zareo ireto amin'ny alin'ny faran'ny herinandro; fotoana izay tsy eritreretin'ny ankamaroan'ny olona hanaovana hazakazaka fiarakodia mihitsy. Ho azy ireo, ny hazakazaka fiarakodia amin'ny alina dia tsy fanatanjahantena fa kolotsaina an-dàlam-pivoarana.

Manana lamin'asa tsinjolavitra ho an'ny MRT ireo mpandrindra ny vondrona. Niresaka tamin'ny mpikarakara iray, Shogo Otani ny GV Japana momba ny hevitra ao ambadiky ny hetsika amin'ny alim-be sy ny làlana alehan'izany.

Taiza no nahazoanareo ny hevitra ho an'ny MRT?

Nisy lahatsoratra iray nasongadina tao amin'ny Huge Magazine momba ny vondrona iray antsoina hoe New York Bridge Runners.  Amin'ny alina ny mpikamban'io vondrona io no mifaninana, ka nantsoin'ny Huge hoe Mpiazakazaky ny Misasak'alina ry zareo.  Nanontany tena izahay raha afaka entina aty Tokyo ny hazakazaka amin'ny misasak'alina, ka raha vao nanomboka ny taona 2011 dia noforonina ny MRT.

Inona ny tanjon'ny MRT?

MRT dia natao ho lamaody ho an'ny Japana maoderina izay hitondra amin'ny kolotsaina vaovaon'ny hazakazaka fiarakodia. Tsy avy amin'ny fombany na ny endriny ny mahafinaritra aminy, fa ny fahalalahany tsotra izao, ka hitondra karazana fomba fisainana “hippie” ho an'ny taonjato faha-21. Ny tanjona dia ny haneho ny “fahalalahana” amin'ny alalan'ny hazakazaka fiarakodia.

Inona no fahatsapàna entin'ny hazakazaka amin'ny làlan'i Tokyo aminareo?

Mahatsapa tena ho tena velona aho. Tsapako fa miaina aho eto Tokyo ary tsapako ny maha-zava-dehibe sy ny fahafinaretana azo amin'ny fanàna-namana.

Olona firy no tianareo handray anjara amin'ity hetsika ity? Inona no antony?

7 lavitrisa. Izany no isa tokony tratrarintsika amin'izao andro sy fotoana izao.

Impiry isan-taona no tianareo hanaovana io hetsika io?

In-droa isam-bolana no kendrenay, na in-24 isan-taona. Amin'ny manaraka dia ho afaka handray anjara amin'ny fikarakarana ny hetsika ireo mpandray anjara. Raha afaka manatanteraka soa aman-tsara hetsika iray izahay dia hitombo ny fotoana hanaovanay izany. Ny tanjona tsy ofisialy amin'izao fotoana izao dia ny hanao azy ity isan-kerinandro; ny tanjona ofisialy kosa dia ny hanatanteraka azy isam-bolana.

Mpikambana ofisialy firy izao no anananareo?

Manana mpandrindra roa izahay, mpikarakara vohikala iray ary tonian-dahatsoratra iray. Izay ihany. Amin'izao fotoana izao izahay mitady mpaka sary iray sy talen-java-kanto iray. Rehefa voafidy ireo mpikambana ireo dia hiasa matotra amin'izay ny fikambanana.

Inona no mahatonga ny MRT mavesa-danja kokoa (amin'ny fifantohan'ny media aminy) noho ny Bridge Runners?

Bridge runners dia zavatra mamaritra ny olona tsirairay. Tany am-boalohany dia teraka avy tamin'ny nofinofy manokan'ny olona vitsivitsy izy ity, noho izany dia nivondrona hoazy ny olona. MRT dia zavatra mamaritra kolotsaina iray. Tany am-boalohany dia teraka avy tamin'ny faniriana hanova izao tontolo izao izy. Noho izany, 7 lavitrisa. Mitodika amin'ny hevitra sy ny fifandraisana izy ka izany no mampiavaka azy amin'ny kolotsain'ny arabe fotsiny. Zava-dehibe ny singam-pahaizana.

Inona ny tanjon'ny hetsika?

Ny tena votoatin-kevitry ny MRT dia “fahalalahana.”  Amin'ny alalan'ny fanaparitahana izany hevitra izany, amin'ny alalan'ny fifandraisana rehetra, ny tanjona dia ny hanorina kolotsaina vaovao. Tanjona tsy manam-petra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.