Syria: Ny Revolisiona sy ny Toekarena

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoherana ao Syria 2011.

Ny Zoma teo (24/06), nanamarika ny andro faha 100 hatramin'ny nanombohan'ny hetsi-panoherana i Syria. Lasa fomba fanao isaky ny zoma ny hetsi-panoherana. Saingy misy endriny hafa ihany koa ilay tantara. Nandritra ny 100 andro dia kofona koa ny toekaren'ny firenena. Tsy nandroso tsy nihemotra ny toekarena ary ny vanim-potoanan'ny fizahantany vao mitsidika io dia tsy mamelom-panantenana. Fanampin'izany, an'aliny ireo Siriana velon'ahiahy ka namadika ny tahiriny hiala amin'ny “Syrian pounds” hanjary dolara amerikana na Euros, nahatonga ny vola Siriana hizaka tsindry mavesatra. Ny marina dia tao anatin'ny 48 ora voalohany tamin'ny volana Aprily, very 10 isan-jato tamin'ny sandany teo aloha ny vola Siriana, niteraka tahotra ny amin'ny hisian'ny fitotongànana goavana.

Hatreto aloha dia tafavoaka velona ihany ny banky foibe Siriana amin'ny fitazonana ny sandam-bola tsy hitotongana. Saingy noho ilay fepetra vaovao nambaran'ny filoha nandritra ny kabariny voalohany tamin'ny Martsa; fampiakarana karama, fampiakarana ny famatsiam-bolan'ny fanjakana amin'ny vidin-tsolika, ary ny tsy fisian'ny hetra miditra sy efa zara raha misy, be no mihevitra fa mety ho tonga amin'ny tsy fananam-bola ny firenena.

Maro amin'ireo ao anatin'ny fanoherana aza no miafa mafy hahatongavana amin'izany. Ny tohankevitr'izy ireo dia ny hoe ny fitontonganan'ny toekarena dia ho lefona ivoho hanaisotra ny mpitondra, ary hanosika ny rehetra hifototra hanohitra azy. Ny sasany, na izany aza, dia kely finoana ihany amin'izay foendri-dalao izay. Ilay Siriana bilaogera, nuffsilence, dia miteny hoe:

Raha tsorina ny marina, tsy resy lahatra loatra aho hoe fomba hahitàna vonjy ny fanapotehana ara-toekarena. Raha matanjaka tsara ny fitondràna miatrika ny hetsi-panoherana, dia mbola mety hanana hery koa izy hiatrehana olana hafa. Ny firodanana'ny fitondràna tsy voatery ho avy amin'ny fitotonganana sy fahapotehan'ny tsena. Tsy tokony hoadinointsika fa  Mugabe sy Saddam dia samy nahavita niaina izany ela sy bebe kokoa mihitsy. Mugabe, indrindra indrindra, dia nahavita nanao izay hamotehana ny toekaren'ny fireneny ka hanjary ho sarotra harenina, kanefa, tsy dia nisy fiantraikany loatra teo amin'ny fifehezany ny fahefana izany.

Syriana mpahay toekarena, sady matetika no manoratra amin'ny bilaogin'ny Prof. Joshua Landis, Syria Comment, Ehsani, dia niezaka ny hamaly an‘ireto fanontaniana ireto mikasika ny hoavin'ny toekarena Siriana:

Moa ve tena lozabe tokoa ny famotehana ny toekarena sy ny fanaovana izay tsy hananan'ny firenena vola ?
Ary mikasika ny Lira (Avy amin'ny mpandika: iantsoana ny vola fampiasa any). Misy ve fomba ahafahana mamiravira azy io avy any ivelan'ny firenena? Azo atao ara-teknika ve izany hoe manao tsindry amin'ny Lira izany ireo governemanta any ivelany?

Amin'ny fanamby lehibe ho an'ny toekarena dia hoy izy:

Zava-droa loha ny olan'ny toekarena Siriana:

  • Fandaniana mihoam-pampana ataon'ny governemanta amin'ny famatsiam-bola sy ho an'ireo sehatra tsy mamokatra, hetra zara raha misy miditra etsy ankilan'izany. Olana goavana io fitotongan'ny toe-bola io.
  • Fitomboana ara-toekarena zara raha misy ary dia zara raha misy koa ny famoronana asa. Ny fahafaha-mividin'ny isan-tokantrano dia faran'izay ratsy tsy maharaka akory ilay fisondrotana ara-toekarena  7-8%, izay taha ilaina fotsiny hamokarana asa ho an'ireo zazavao vao tonga eo amin'ny taona tokony hiasàna. Mahantra fadiranovana tsy afaka hanao fandaniana na fampiasam-bola  ny governemanta. Tavela amin'io ny fampiasam-bola sy ny fanondranana. Taraiky lavitra any aoriana i Syria raha resaka foto-drafitrasa no resahana, ary ny harena ara-olona sy ny ara-bola izay mety ho efa tsy ho vita intsony ny hanarina azy sy hampifaninana azy eo amin'ny tsena iraisam-pirenena raha ny resaka fanondranana ny vokatra sy ny tolotra avy ao no resahana. Taraiky eo ny fampiasam-bola e.  Ny tontolo politika no mampihisatra ny fampiasam-bola vahiny sy hitsitaitaika. Ela vao ho voaova io fironana io. Ny mpampiasa vola avy eo an-toerana dia mila mahita fanavaozana azo tsapain-tànana aloha vao manapa-kevitra hanao fampiasam-bola amin'ny fotoana maharitra. Eo amin'ny lafiny lalàna dia tsy nisy firy mba nataon'ny governemanta raha resaka fanomezana aina vao sy ho fanamaivanana ny fiàsan'ireo mpampiasa vola vaventy.
  • Na izany aza, ny sasany amin'ireo mpitondra fanamarihana dia mba velom-panantenana ihany mommba ilay olana; Why Discuss dia miteny hoe, ao amin'ny valintenin'ny ho an'i Ehsani:

    Fotoana mety izao mba hividianana SP! Izany izao no hataoko. Hahazoan'ny banky 9% io, raha mitambotsitra ny Euro.
    Mba fampieritreretana fotsiny.
    Mifanohitra amin'ireo firenena tandrefana, tsy mbola niaina mihitsy mihoatra noho izay azony atoraka i Syria. Afa-tsy Siriana vitsivitsy nahazo ny fomba tandrefana, raha ny mahazatra, ny Siriana dia zatra mampihatra ny fitsitsiana ary dia tsy tafiditra mihitsy ao anatin'ny faribolan'ny fanjifàna.
    Tsy ho sarotra manao ahoana noho  ny any Gresy sy Espana ary Portiogaly anefa ny taona ho avy raha ny ao Syria, sa ahoana ho y ianao??

    Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoherana ao Syria 2011.

    Atombohy ny resaka

    Mpanoratra, azafady Hiditra »

    Torolalana

    • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
    • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.