Makedonia: Repoblika Twitter .mk

Mitohy ny Fihetsiketseham-panoherana ao Makedonia, raha mbola mandà na dia ny hiresaka izay tadiavin'ny olona amin'ny fangaraharana, andraikitra politika ary ny fanajanonana ny herisetra ataon'ny polisy fotsiny ihany aza. Tamin'ny alahady, dia nisy sarim-pamantarana vaovao nasehon'ny mpanao fihetsiketsehana sasany: Sainam-pirenena Masedoanina misy sary famantarana Twitter ao aminy, ho fahatsiarovana ny asan'ny fiarahamonina Twitter.

Mampiasa ny voambolana “Repoblika Twitter” ny mpandray anjara amin'ny fihetsiketseham-panoherana ho fampahatsiahivana ny “Repoblika Krushevo”, fitondrana demokratika nitsangana nandritra ny fotoana fohy nandritra ny fikomian'i Ilinden tamin'ny 1903 ho fanoherana ny Ampira Ottoman; nahitana ny solontenan'ny vondrom-poko sy fivavahana rehetra tao amin'izany governemanta izany (hafa noho ilay fitambaram-pirenena balkan haorina tsy ho ela).

Saina Masedoniana misy sary famantarana Twitter. Sary avy amin'i Mite Kuzevski avy amin'ny IT.com.mk, nampiasaina nahazoana alalana

Viktor Arsovski avy ao amin'ny IT.com.mk no nanome vaovao [mk]:

Somary manofinofy ihany angamba saingy mety indrindra ho an'ilay voronkely Twitter birdie ny manidina ao anatin'ilay saina Masedoniana mandritra ny [andro faha-14] nihetsiketsehana nanoherana ny herisetran'ny polisy. Mifanaraka satria ny tahala 140 ifotoran'ny valantserasera no nampiasaina ho fifampizaram-baovao ao amin'ny fihetsiketseham-panoherana ary mbola mitohy ho amin'izany, ary io no mampifandray ny mpisera ao amin'ny fiaraha-monina .mk.

Na ianao aza afa-mitady amin'ny alalan'ny fampiasana ny tenifototra #protestiram sy #martin – Saika ny mpisera Twitter Masedoniana [mazoto] rehetra no tafiditra anaty fihetsiketseham-panoherana, miresaka momba ny voina mitranga, na ny fitakiana hampakaran-danja ny fampiasana ho an'ny polisy.

Miverina isan'andro isaky ny amin'ny enina ora hariva ny fihetsiketsehana eo afovoan-tanànan'i Skopje saingy tsy voatery harahina diabe hatrany.

Misy hetsika lehibe omanina ny Asabotsy 25 Jona, mitondra ny lohateny “Raisintsika an-tanana ny Parlemanta” [mk]. Sambany hivory manko ny mpikambana vao voafidy ho ao amin'ny Parlemanta ary mikasa ny hanao rojon'olombelona hiodidina ny Lapan'ny Antenimiera ny mpanao fihetsiketsehana.

Poster: "Hetsika. Asabotsy amin'ny 10. 25.2011. Eo anoloan'ny Mama Teresa. Avy eo eo anoloan'ny Parlemanta. Ho entitsika atolotra ny volavolam-panitsiana nosoratan'i Martin Neshkovski (1989-2011)."

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.