Syria: “Manohana an'i Bashar izahay Koa Aza Helingelenin'izao Tontolo Izao”

Halan'ny olona rehetra i  Bashar El-Assad. Halan'ny lehilahySyriana izy. Halan'ny vehivavy Syriana izy. Na dia ny lehilahy zavoto Amerikana mahita azy ho toy ny vehivavy Syriana mitia vehivavy aza, dia mankahala azy ihany koa. Kanefa, marina tokoa ve fa tsy mankahala azy mafy toy izany ny Syriana sasantsany araka ny fihevitsika? Tsy mba nihevitra ny fisian'ireo mpiserasera manohana ny fitondrana izany mihitsy aho teo aloha raha tsy tamin'ny andro vitsivitsy lasa izay raha nifandray taminay ny Syriana iray monina ao Kanada izay niampanga ny fitantaran'ny Global Voices momba an'i Syria ho miandany amin'ny ankilany ihany, ary mirona any amin'ny fampahalalam-baovao manerantany ao anatin'ny vondrona manohitra an'i Assad. Nilaza izy fa tokony hampahafantarina tsara ny fisian'ny toerana sasany ao Syria izay matetika tsy mba fantatry ny fampahalalam-baovao akory, ka ampahafantarina ny feon'ny vahoaka ao izay tsy mitovy hevitra. Tsara ihany koa raha ampiana izahay amin'ny fitadiavana ireo mpisiokantsera sasany izay tafasaraka taminay noho ny lalàna “Six Degrees of Separation“.

Raha ny marina dia tsy misy mihitsy ny fotoana mba handrefesana ny fihetsaham-pon'ny Syriana toy izao taorian'ny kabary nataon'i Al Assad tamin'ny 20 Jona teo, ka nandeha nijery izay mety ho lazain'ireo manohana azy izahay.

Dina Jaffary, Syriana monina ao Damas, no nizara ny heviny momba ilay kabary:

@DinaJeff: Tiako ilay kabary, tena marina ny voalazany, sady lojika no mangarahara, tsy nanantena kely na betsaka.

@DinaJeff: ho an'ireo izany nanantena fiodinana faharoa tamin'ny kabary, mila miala ao amin'ny twitter, a/ mirenireny/ mihaona olona matetika kokoa.

Shadi Hijazi, izay nahavita fianarana ambony amin'ny Fitantanan-draharaha, no nanamafy fa Syriana an-tapitrisany no nidina andalambe ho fanohanana an'i Al Assad, indrindra taorian'ny fanambaran'ny Filoha hanome famotsoran-keloka ho an'ny olom-pirenena maromaro.

@shadi: An-tapitrisany ny olona teo andalambe ao #Syria manohana ny Filoha Assad, ary famindram-po indray ho an'ny heloka vita talohan'ny 20/06/2011

Tsy faly amin'ireo vahiny izay miteny momba ny Syriana sy mitsikera ny kabarin'ny Filoha i Sate Hamza.

@sate3: Raha tsy Syriana ianao & tsy mahita zavatra tsara amin'ny kabarin'i #Assad, dia aza manelingelina; tsy misy tokony hidiranao.

Nilaza ny tweet an'i Hamza ny amin'ny fampahalalam-baovao sosialy sy mahazatra izay mety tsy mahalala akory ny fisian'ny toerana ahitana loharanom-baovao, ka mety hanandratra ny hevitry ny hafa ho fanaratsiana ny sasany.

@moshebli: olona 5 amin'ny namako no mankasitraka ny pejin'ny revolisiona Syriana…4 Libanezy, ary 1 Syriana :S (manana namana Syriana aho)

@DinaJeff: ho an'ireo izay mihevitra fa ny Twitter no tena mahavita azy, sy loharanon'ny vaovao rehetra..Indrisy, mila miala ao ianao ary manao fiainam-baovao! mijery ny tena izy!

Ary raha momba ny fampahalalam-baovao mahazatra izany, Al Jazeera sy i Al Arabiya no fahitalavitra miparitaka indrindra eny amin'ny faritra ary izay inoana fa voatsikera mihitsy amin'ny fitantarana ataony, izay araka ny hevitr'i Mohamed Shbeeb, Oulabi sy i Nai fa miandany amin'ny ankilany.

@Mhd_Shbeeb: Aiza ny @AJALive & @Alarabiya avy amin'ireo an-tapitrasany tamin'ny famoriam-bahoaka ??? avotra i Syria, & ary ho mandrakizay 🙂

@Nye30: Jazeera tsy nanaparitaka ny fivoriam-bahoaka an-tapitrasany izay manohana ny Filoha fa ireo an-jatony tsy tia azy ihany no hitany?! Lek tfeh. [Tena adala!]

@ooulabi: Hita tokoa fa nanjary ny fampahalalam-baovao no mitondra ny “revolisiona” Syriana fa tsy ny vahoaka. #Syria #Aljazeera

Nahazo tsiny ihany koa ny fampahalalam-baovao vahiny.

@moshebli: Tsy afaka mijery ny vaovao vahiny ianao ary AJA ary mino izay lazainy momba ny hetahetan'ny vahoaka, satria mitongilana ny fintataran'izy ireo momba an'i #syria

Ghassan, izay mpianatra mpitsabo monina ao Libanona, matoky fa ny lohataona Arabo rehetra dia noforonin'ny tandrefana.

@gKbbCH: Tsy misy amin'ireo ‘revolisiona” Arabo ireo afaka nanohy niaina ara-dalana raha tsy nisy ny fanohanan'ny tandrefana.
@gKbbCH: Ary manao izay vitany io fanohanan'ny tandrefana io fa tsy ho lasa “revolisiona” ny revolisiona.

Dina – izay tsy mino ny fifanojoan-javatra – ary i RK mino fa misy ny teti-dratsy hitondra fikorontanana ao amin'ny faritra.

@DinaJeff: معناتها اللي لسا مفكر انو القصة قصة اصلاحات وحريات, بكون كتير غلطان’ المطلوب هلأ نشرالفوضى بكل أشكالها بكل المنطقة
@DinaJeff: Midika izany fa na iza na iza no mbola matoky fa resaka fanovana sy fahalalahana izany, dia diso tanteraka. Fanankorontanana amin'ny fomba rehetra ao amin'ny faritra no zavatra natao androany.

@3plus1twtr:Maniry fiovana ny olona tsirairay. Ny sasany maniry gaboraraka. Ary ny “hafa” manimba izany ho an'ny “tsirairay.”

Deek El-Gen nanamafy fa miara-miasa amin'ny Etazonia i Arabia Saodita amin'ity teti-dratsy ity.

@deekelgen963: namana Irakiana: tsy mpankafy an'i Bashar aho saingy resy lahatra kosa fa voatery hametra-pialana izy satria manana drafitra hafa ho an'ny Syria i Arabia Saodita sy i Etazonia.

Na dia tsy manaiky ny hevitr'izy ireo aza i Oulabi dia mahita kosa fa hafa tamin'ny nitranga tao Ejypta sy i Tonizia  ny zava-niseho tao Syria .

@ooulabi: Ny maha samihafa ny revolisiona tao Ejypta/ Tonizia  tamin'i Syria dia tsy misy fanohanana maro an'isa tamin'ny fanovana ao #Syria

Ary satria nisy ihany fiarahan'ny  fitondrana Syriana sy ny Iraniana, nampangaina ny Iraniana ho mitsabaka ny raharaha ao Syria, etsy andaniny kosa ny Syriana izay manohana an'i Al Assad dia voampanga ho Iraniana mpamadika. nindramina avy tamin'ny boky tantara anefa ny sasany amin'ireo fifampiangana ireo.

@ooulabi: Mbola tsy nahita porofo fa niditra tamin'izany raharaha rehetra izany ny Iraniana na ny mpiady Hezbollah , mety ho vazivazy tsara mbola tsy nisy izany.

@ManoliaSy: شو يعني العميل الصفوي ؟ وعنجد عم بسأل مو مزح لان امبارح اسمعت حدا قالها هون
@ManoliaSy: Inona no dikany hoe mpiasan'i Safavid? Tena matotra izany, manontany izany am-pahamatorana aho fa tsy mivazivazy, raha nahare izany fiampangana izany tamin'ny olona teto omaly.

Ary tamin'ny farany, nanoratra i Moshebli ho fitakiana ireo vahoaka manerantany mba tsy hanelingelina azy ireo.

@moshebli: Hafatra ho an'ny vahoaka maneran-tany. Miaraka amin'ny Filoha ny ankamaroan'ny vahoaka Syriana, koa avelao izahay

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.