Moldavia: Liga Islamica sy ny Fandeferana ara-Pinoana (misy fetra)

Ny Liga Islamica dia voasoratra tamin'ny fomba ofisialy tany am-piandohan'ity lohataona ity tao Moldavia [en], rehefa nisedra fandàvana nandritra ny taona maro. [Amin'ny teny Romana daholo ny rohy raha tsy misy fanamarihana manokana]

Ny vondrom-piarahamonina Silamo ao Moldavia dia vitsivitsy ihany, heverina ho eo amin'ny 17.000 eo ho eo ao anatinà olona efa ho 4 tapitrisa. Manodidina ny 95 isan-jaton'ny vahoaka Moldavy dia Kristiana Ortodoksa avokoa ary, araka ny fanisàna farany (May 2011), 82 isan-jatony amin'ny mponina no matoky tanteraka ny fiangonana  (fampitahàna: ny tafika – 50 %; ny manampahefana ao an-toerana – 47%; ny governemanta – 23%).

Ny Fiangonana ortodoksa ao Moldavia dia niangavy ny governemanta hanaisotra io fanapahan-keviny io ary hamerina handinika ny lalàna mifehy ny resaka finoana (Legea cultelor), hakàna mialoha koa ny hevitry ny vahoaka. Samihafa be ihany ny fanehoan-kevitra, avy amin'ireo mpanao politika izay milaza fa ny fanoratana ho ara-dalàna ny Ligy dia “fitenenan-dratsy ny anaran'Andriamanitra sy ny fivavahana” ary  “mety hitondra fahavoazana ho an'ny fiarahamonina,” ho an'ireo pretra manondro azy io ho “fikorosian'ny fivavahana ofisialy” ary “henatra ho an'ireo mpino ortodoksa ao Moldavia“, ho an'ireo mpino nanao hetsi-panoherana nitondra lakolosy sy hazofijaliana nitandrozotra namakivaky ny afovoan-tananan'i Chişinău, renivohitra Moldavy, naneho ny tsy hafalian-dry zareo (ato ny sary ), nifarana tamin'ny fanomezan-toky ny amin'ny hijereny akaiky ilay olana avy amin'ny praiministra.

Nicu Popescu, bilaogera, dia tonga amin'ny fanomezana tohankevitra hanoherana ny  “filazana diso be” izay naely tao anatin'ity fifamalian-dresaka ity.

Tohankevitra diso 1: “Mba misy fiangonana firy moa any Arabia Saodita koa nahoana isika no tsy tsy maintsy hanome alalana ny maoske aty Moldavia”

Hoy izy:

Tsy tiako mihitsy hianatra an'i Arabia Saodita na amin'ny lafiny inona na lafiny inona i Moldavia. Ny tadiaviko dia ny mba hahafahan'ny vehivavy eto Moldavia mamily fiara, mivoaka ny trano, ary ny fanjakana tsy hifangaro amin'ny fiangonana. Izay olona rehetra te-haka tahaka an'i Arabia Saodita dia olona tsy mikatsaka velively izay tsara ho an'ity firenena ity.

Ireo vondrom-piarahamonina Kristianina ao Siria sy Ejipta no nataony ho ohatra, izay eo amin'ny 10% eo amin'ny mponina any no Kristianina ary miasa tsy misy sakana ny fiangonana:

Mampalahelko fa tafakatra avo ny tsy fahaiza-mandefitra ara-pinoana ananan'ny vahoaka Moldavy mitaha amin'ny manampahefana Siriana sy Ejiptiana – fanjakana tsy refesi-mandidy, izay tato anatin'ny volana vitsy dia namono ny vahoakany ihany, saingy andanin'izay dia mankato ihany koa ny finoana kristianina  ary niaro ny fiangonana tamin'ny vanimpotoana samihafa nanoloana ireo fanafihan'ireo Silamo mahery fihetsika.

Tohankevitra diso 2: “Tsy mifanaraka amin'ny tantara sy ny fomban-drazana eto amin'ity firenena ity mihitsy ny fivavahana Silamo, ary ny ankamaroan'ny Kristiana dia manohitra ny fankatoavana azy io (?)”

Tsy iombonako hevitra izany. Inoako fa tokony hanaja ny vitsy an'isa ara-pinoana i Moldavia, tafiditra anatin'izany ny Silamo; ary ny fanjakana tsy Kristiana toa an'i Siria na Sina dia tokony hanaja ny zon'ireo Kristiana vitsy an'isa.

Tohankevitra diso 3: “Silamo sy Fampihorohoroana”

Aoka isika tsy hivazivazy. Tena misy olona mihevitra ve fa ny mpifikitra fatratra amin'ny fivavahana Silamo dia mila fanoratana ara-panjakana mba hahafahany manao asa fampihorohoroana? Sahala amin'ny hoe nanandrana ny hanoratra ara-panjakana ny trano fivavahany tany Etazonia ery i Bin Laden talohan'ny  11 Septambra. Vendrana.

Ary ny fifandraisan'ny finoana sy ny asa fampihorohoroana/tsy fandeferana dia tena zava-tsarotra. Ny any Afovoany Atsinanana dia faritra sarotra tokoa izay ahitàna ny vondrom-piarahamonina rehetra izay samy nanao zava-doza avokoa– Silamo, Jiosy, Kristiana.

Tohankevitra diso 4: “Stefan cel Mare [en] sy ireo razambentsika dia niady nanohitra ny Silamo/Tiorka, ary tsy ho isika ankehitriny no hamela azy ireo hanao izay haha-ara-dalàna ny finoan-dry zareo”

Tsy dia mitombina loatra ilay tohankevitra ara-tantara. Ary raha niady tamin'i Rosia i Moldavia, dia ho nandràra ny fiangonana Rosiana koa ve isika ?”

Popescu mamintina hoe:

Mila miady amin'ireo hevitra voizin'ny finoana hafa ny fiangonana ao Moldavia hanaporofoany fa izy no mendrika, akaiky indrindra ny vahoaka, manana pretra manam-pahaizana, nahita fianarana kokoa sy lavitry ny kolikoly, sns., ary tsy amin'ny fanaovana tsindry be fahatany amin'ny fanjakana Moldavy, izay tokony hitoetra ho tsy miandany amin'ny resaka finoana.

Bilaogera iray hafa, i Vlad Cubreacov, no mitondra ho ao anatin'ny fifanakalozan-dresaka ny hevitra hoe ny fanosehana ny Silamo ho ivelan'ny lalàna dia mitondra mankany amin'ny fifanenjanana ara-pinoana eto amin'ny firenena, nefa koa mety hitarika any amin'ny fifanolanana amin'ireo mpiara-miasa avy any ivelany:

Efa fantatra amin'ny ankapobeny fa ny firenena toa an'i Israely, ny Federasiona Rosiana, Armenia na Azerbaidjan dia mora tohina amin'ny fomba fitondràna an'ireo vitsy an'isa avy any aminy tonga any amin'ny firenen-kafa. Azontsika eritreretina fa ny fanafoanana ny fanoratana araka ny lalàna ny Ligy Islamika ao Moldavia dia hiteraka olana eo amin'ny fifandraisan'i Chisinau sy Baku na Mosko.

Cubreacov mamintina:

Resy lahatra izahay fa ny vondrom-piarahamonina Silamo iray voafehy anaty faritry ny lalàna sy ampidirina ho ao anaty fiaraha-monina dia tsara kokoa raha ampitahaina amin'ny iray hafa atosika ho any ivelany hanao ny ataony fotsiny any, lasibatra marefo ho an'ireo Silamo mahery fihetsika.

Tsy arak'i Vlada Ciobanu :

Nahoana no feno Moldavy maro any ivelany, ary fiangonana sy pretra Ortodoksa maro afaka manao ny asany manerana izao tontolo izao, inona no ilàntsika manao diabe hilanja sary sy hazofijaliana ka tsy hamela ny olona hafa hisitraka ny fahalalahany.

Hajian-tsarin'ny fiangonana Ortodoksa avy amin'i  Guttorm Flatabø , mpampiasa Flickr (CC BY 2.0).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.