Fampidirana am-ponja ny mpitoraka blaogy sady mafana fo Andrzej Poczobut any Belarosia

Vohikala natokana ho an'ny Gazeta Wyborcza

Tamin'ny 6 Aprily i Andrzej Poczobut, Poloney mpifandray amin'ny gazety Poloney mpivoaka isanandro Gazeta Wyborcza any Belarosia sady mpitoraka blaogy mafana hajain'ny fiaraha-monina Belarosiana noho ny herim-pony mamatsy vaovao ny fampielezam-baovao fototra, dia nosamborina araka ny lalàna Belarosiana roa samihafa – noho ny fanompàna sy fampielezam-baovao tsy marina momba an'i Alexander Lukashenko, filohan'ny Belarosia.

Tamin'ny voalohandohan'ity taona ity, ny 26 Janoary dia namoaka video i Poczobut izay manazava ny fisamboran'ny KGB azy – voalohany maniratsira – anisan'izany ny fitsaràna, ny fanaovana teny maniratsira ary ara-batana, ary tao amin'ny video fanindroany taorian'ny fisavàna trano sy fakàna ny solosain'ity mpitoraka blaogy ity, narahana fisamborana, alina tany am-ponja, fanadihadiana ary fitsaràna miaraka amin'ny mpisolo vava  izay nangatahana hiaro ny mpitoraka blaogy. Nandritra ny fitsaràna dia tsy noraharahiana ny filàzan'i Poczobut fa ny fijoroana vavolombelon'ny mpitandro filaminana roa no nomarihan'ny fitsaràna. Niafara tamin'ny fandoavana onitra ny fitsaràna tamin'ny volana Janoary.

Tamin'ny 28 Martsa i Poczobut dia namoaka fanazavana ny fanamelohana, izay hiresahany an'ireo lahatsorany 8 nivoaka tao amin'ny Gazeta Wyborcza sy lahatsoratra iray nivoaka tao amin'ny blaoginy manokana ary lahatsoratra iray nosoratany amin'ny maha-vahiny azy ao amin'ny blaogy iray hafa, ho niavian'ny fahasimbàn'ny hasin'ny filoha Lukashenko. Ireo fanamelohana ireo dia nitarika ny fisamborana azy ny 6 Aprily.

Hatramin'ny nisamborana azy dia namoaka lahatsoratra efatra – taratasy avy any am-ponja – i Poczobut mampahafantatra ireo mpamaky azy ny zava-misy marina momba ny tranga mahazo azy, tahaka ny tato amin'ity fanampim-baovao fohy ity:

Iray amin'ireo zava-niainako nahafinaritra indrindra taty am-ponja ny dia an-tongotra. Mamindra im-pito amin'ny ilany iray ianao dia midona amin'ny rindrina, dia avy eo miodina dia mamindra im-pito any amin'ny ilany hafa indray. Mety hahafinaritra ihany izany an? […] Midika izany fa – ianao mahita ny lanitra ary madio ny rivotra – Ao am-ponja ianao dia mianatra mankafy ireny zavatra tsotra sy iraisana ireny .

Taorian'ny fiampakarana fitsarana misesisety dia mbola mijanona any am-ponja i Poczobut ary mety hahazo sazy hatramin'ny 4 taona am-ponja. Ireo mpanao gazety avy ao amin'ny Gazeta Wyborcza dia nanao pejy manokana ho an'i Poczobut ao amin'ny vohikala manisa ny andro laniny sy mitantara ny fiainany any am-ponja ary ahitàna ny antson'izy ireto am-pahibemaso:

Mangataka izahay ny hamotsorana tsy misy hatak'andro an'Atoa. Poczobut tsy misy hatak'andro, sy ny hanalàna ireo fitoriana azy rehetra. Toherinay ny fampitahorana sy ny fanamelohana diso ny mpanao gazety nanao ny asany tamim-pahamendrehana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.