Meksika: Miara-mihira amin'ny mpianatra nandritra ny fifampitifirana

Niely haingana dia haingana amin'ny firenena mpiteny espaniola ny lahatsary YouTube iray mampiseho mpampianatra garabola iray miara-mihira amin'ny mpianany hampitony ny ankizy nandritra ny fifampitifirana iray tany Monterrey, Meksika.

Mpampiantra mampitony ny mpianany nandritra ny tifitra tany Monterrey

Mampiseho kilonga madinika mandry amin'ny tany ity lahatsary noraketina tamin'ny finday ity. Heno tsara miteny amim-pitiavana ny kilonga mpianany hampandry ny lohany amin'ny tany ny mpampianatra raha heno any ambadimbadika any ny feom-basy.  Manome antoka ny ankizy izy fa tsy misy maninona ry zareo, ary tsy misy na inona na inona hanjo an-dry zareo ao an-dakilasy, raha manondrika ny lohany tsara ry zareo. Ho fampialana voly an-dry zareo dia nanomboka niara-nihira tamin'ny kilonga izy. Nosafidiany ny hira rehefa avy orana avy amin'ny fampisehoan'i Barney: Amin'ny teny espaniola moa dia manontany izay mety hitranga raha vita amin'ny rotsak'orana ny sôkôlà ary tahaka ny ahoana ny fanokafana mitanatana ny vava raha tiana hohanina avokoa izy rehetra ny hira. Tamin'ny nahafahany nitarika hira tamin'ny kilonga no nahafahany tsy nampitony ny ankizy ihany fa nahafahany manankina ny lohan-dry zareo tamin'ny tany ihany koa, raha nampitsilany ny ankizy hijery ny lanitra hanokatra ny vavany hitanatana izy.

Nahafantatra ilay sekoly ho any amin'ny Colonia Nueva Estanzuela ny gazety tao an-toerana, izay metatra vitsivitsy monja miala ny toerana nahatongavana andian'olona mitam-piadiana anaty fiara antonontonony fito izay tonga hamono olona dimy tao amina tobina fiarakaretsaka iray, ary nolazain'ny haino aman-jery sy ny mpijery ho manana fahasahiana, be herimpo ary tia ny mpiara-monina aminy ilay mpampianatra izay tsy mbola fantatra hatramin'izao.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.