Tonizia: Miverina indray ny Sakana amin'ny Aterineto

Ity lahatsoratra ity dia fitantarana manokana momba ny Fihetsiketseham-bahoaka Toniziana 2011.

Miverina indray ny sakana amin'ny aterineto any Tonizia, izay niteraka ny fahatezeran'ny “mafàna fo an-tserasera” maro manerana ny firenena.

Nandritra ny fitondran'ny filoha Toniziana niongana, Zein El Abideen Ben Ali, dia nampihatra fanakanana henjana ny governemanta tamin'ny fainakànana ny vohikala rehetra izay nanakiana ny fitondrana, anisan'izany ny vohikala Al Jazeera, Amnesty International, WikiLeaks, YouTube, Nawaat ary DailyMotion, sy pejy Facebook ampolony.

Tamin'ny 13 Janoary 2011, nanambara tamin'ny vahoaka Toniziana i Ben Ali ary nanome toky fa hofaranana ny sakana amin'ny Aterineto, mba hiezahana hampitony ny hatezeran'ny olona, indrindra fa ny tanora. Nihazona izany fampanantenana izany i Ben Ali saingy efa tara loatra izany ka tsy nahafahany nijanona teo amin'ny fahefana sady, nanomboka tamin'ny tapaky ny volana janoary, tsy mbola nisy toy izany, ny mpampiasa Aterineto any Tonizia dia nanomboka nahazo nanaram-po tamin'ny fahalalahana miditra amin'ny vohikala tsy misy sakana.

http://www.google.com/url?sa=t&source=web&cd=4&ved=0CEAQFjAD&url=http%3A%2F%2Fwww.facebook.com%2Ftakrizo&rct=j&q=Takriz&ei=bwnMTZjSBMOx8QO7_6mhBA&usg=AFQjCNH87HoM3w_OWFhm7KTA_bMY2jf_FA

Ity pejy ity dia voasivana mba hanatanterahana ny fangatahana nataon'ny mpitsara iray ao amin'ny Tribonaly Miaramila Maharitra an'i Tonizia.

Vao tsy ela anefa, ny Birao Toniziana misahana ny Aterineto dia nanakana pejy Facebook efatra [fr], rehefa nahazo baiko avy amin'ny miaramila. Ao amin'ny vohikla ofisialiny, ny Ministry ny Fiarovana Nasionaly dia nanazava ny antony nandraisana izany fanapahan-kevitra izany:

لوحظ في الآونة الأخيرة تعمد بعض المواطنين إحداث صفحات خاصة بهم على شبكة الأنترنات قصد الإساءة إلى المؤسسة العسكرية وقياداتها من خلال نشر مشاهد فيديو وتداول تعاليق ومقالات مغرضة ترمي إلى زعزعة ثقة المواطن في الجيش الوطني وبث البلبلة والفوضى بالبلاد.

وأمام هذه السلوكيات المنحرفة والمخلة بآداب التعامل مع شبكة الأنترنات، بادرت وزارة الدفاع الوطني بعد أن تحصلت على تسخير صادر عن حاكم التحقيق بالمحكمة العسكرية الدائمة بتونس بإخطار الوكالة التونسية للأنترنات لحجب الصفحات التالية:

- “Jalel Brick”
– “Youssef patriote”
– “Takriz

Voatsikaritra fa nisy mponina ninia nanokatra pejy manokana ao amin'ny “World Wide Web” (tontolon'ny tranonkala),  miezaka ny hanimba ny lazan'ny ivon-toerana miaramila sy, ny mpitondra azy, amin'ny alalan'ny fandefasana lahatsary sy, fanaparitahana hevitra ary, lahatsoratra izay mihezaka ny hampangozohozo ny fitokisan'ny mponina ny miaramila nasionaly, ary mihantsy korontana sy savoritaka ao amin'ny firenena.

Ho valin'izany fitondrantena mibirioka izany izay mivoana amin'ny etikan'ny fampiasana Aterineto, ny Minisitry ny Fiarovana sy, tao aorian'ny nahazoana fangatahana avy amin'ny  Mpitsara ao amin'ny Tribonaly Miaramila Maharitra, dia nandray fepetra nangataka tamin'ny  Birao Toniziana misahana ny Aterineto mba hanivana an'ireto pejy manaraka ireto:

- “Jalel Brick”
– “Youssef patriote”
– “Takriz

Nahatezitra ny mpitoraka blaogy Toniziana izany, izay mihevitra fa ny fanapahan-kevitry ny miaramila dia  fanaovana dia miverina. I Tounsi7orr (@tounsi7orr) dia nanoratra tao amin'ny Twitter [fr] hoe:

priver un peuple déjà censuré non pas 23 ans seulement mais tout un demi siècle de parler et de critiquer est de la pure anarchie #tunisie

ny tsy famelàna ny vahoaka, izay tsy voasakana nandritra ny 23 taona monja fa nandritra ny antsasaka taonjato iray, tsy hiteny sy hanakiana dia tena fanjakan'ny baroa

Hoy izy nanohy [fr]:

quelle démocratie veut on la construire si on ne respecte pas l'autre…et on censure ceux qui brise le mur de silence #tunisie

Karazana demokrasia tahaka ny inona no tadiavintsika raha toa isika ka tsy manaja ny hafa… ary manakana izay mihoatra ny rindrin'ny fahanginana.
Ammar 404 caricature on seifnechi.blogspot.com

Ammar 404 caricature on seifnechi.blogspot.com

“Ammar 404″ no anaram-bositra nomen'ny mpitoraka blaogy Toniziana ny sakana. “404” dia avy amin'ny “404 Page not Found” (404 Pejy tsy hita) ary “Ammar” dia anaran-dehilahy Toniziana.

Ny kisarisary etsy an'ila dia mampiseho an'i Ammar 404 miakanjo miaramila, mitazona hety mba hanapahana ny fidirana amin'ny Aterineto, amin'ny pejy maromaro ao amin'ny vohikala. Ny lohatenin'ny kisarisary dia “Nalain'ny miaramila hiara-hiasa aminy i Ammar.”

I Zied Mhirsi dia nanoratra [fr]:

Avec la révolution du 14 Janvier et la presence de Slim Amamou au sein du gouvernement, on aurait pu penser que la page de la censure a été définitivement tournée[…] Deux semaine avant la celebration de la 1ere année de la journée “Nhar ala Ammar” (contre la censure qd Slim 404 a été arrêté), voila que Ammar refait surface et cette fois ci habillé en militaire et ce placant derriere une décision de la court militaire.[…]

Les blogueurs ne peuvent rester silencieux devant cette “CENSURE” (et pas filtrage). Affaire à suivre…

Tao aorian'ny fihetsiketseham-bahoaka tamin'ny 14 Janoary, sy ny fisian'i Slim Amamou ao anatin'ny governemanta, nieritreritra izahay fa efa nikatona ny pejin'ny sakana. Roa herinandro talohan'ny fankalazana ny herintaona voalohan'ny Andro “Nhar ala Ammar” (miady amin'ny sakana fony i Amamou voatazona), dia indro indray i Ammar fa miverina, saingy tamin'ity indray mitoraka ity dia mitafy miaramila ary manaraka ny fanapahan-kevitry ny fitsarana miaramila. […]

Tsy afaka ny hijanona ao anatin'ny fahanginana ny Mpitoraka blaogy mba hanoherana ity “Sakana” ity (fa tsy sivana). Tantara mitohy

“Takriz” sy “Jalel Brik” dia anisan'ny pejy voasakana. Ireo pejy roa ireo tamin'ny fotoana maromaro dia nandrisika herisetra manohitra ny mpitandro filaminana.

Ny pejy Facebook “Tunisie: Contre les rumeurs post-révolution” [fr] dia namoaka lahatsoratra iray manohana ny fanapahan-kevitra noraisin'ny fitsarana miaramila [fr]:

Questionné sur la cause de cette agitation, l'on m'a expliqué que le tribunal militaire n'a pas le droit de s'immiscer dans telles affaires. J'ai répondu que ces deux pages ont appelé ouvertement, de manière flagrante, explicite et très claire à la violence. Pire encore, le dénommé Jalel Brik a incité carrément à brûler les postes de police, y compris les policiers

Rehefa nanontany ireo Toniziana “mafàna fo an-tserasera” aho ny anton'ny mampitabataba azy ireo noho ilay fanapahan-kevitra, dia namaly izy ireo fa ny tribonaly miaramila dia tsy manana zo hitsabaka  amin'ny zavatra tahaka izao. Namaly aho fa ireo pejy roa ireo (Takriz sy  Jalel Brik) dia nihantsy korontana ankarihary, tamin'ny fomba mihoa-papana, mibaribary. Ny tena ratsy aza dia ilay antsoina hoe Jalel Brik dia nihantsy ny fandorana ny foiben'ny polisy, miaraka amin'ireo manamboninahitra polisy.

I Aymen Ouerghi dia nanoratra tamin'ny Twitter [fr]:

Non à la censure, mais condamner diffamations, haine et violence n'est pas censure, ni atteinte à la liberté d'expression non plus #tunisie

Tsia ho an'ny sakana. Nefa, ny fanamelohana ny fanaratsiana, ny fankahalana, ary ny herisetra dia tsy sakana velively na famelezana ny fahalalahana maneho hevitra.

Ity lahatsoratra ity dia fitantarana manokana momba ny  Fihetsiketseham-bahoaka Toniziana 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.