Pakistana : Nampiova ilay toeram-pisotroana kafe ny fahafatesan'i Ben Laden

Nitondra hafaliana tsy ho an'i Etazonia sy ny filohany  Barack Obama ihany fa koa ho an'ny mpandraharaha sasany ao an-toerana ny fahafatesan'i Oussama Ben Laden tao Abbottabad, ao Pakistan.

Coffity, toeram-pisotroana kafe ao an-tanàna, nanjary toerana faharoa be mpitsidika indrindra ao an-tanàna takaikin'ilay trano namonoana an'i Ben Laden. “Toeram-pisotroana kafe voalohany ao Abbottabad […] izay manolotra espressos kafe voatoto tsara” ary manolotra ihany koa tontolo tsy azo ifohana sigara ary wifi maimaipoana,” nanjary Ivontoerana tokana ao an-tanàna ho an'ny manao gazety i Coffity, izay hangalan'ireo mpanao gazety manerantany vaovao avy amin'ny mponina ao, vaovao manokana mikasika ny zavanitranga vao haingana .

Taorian'i Oussama Ben Laden

Nitombo hatrany ny fisongadinan'i Coffity amin'ny aterineto. Tamin'ny 2 mey 2011 vao maraim-be, ny pejy Facebook an'i Coffity no fampahalalam-baovao voalohany nampahafantatra izao tontolo izao ny fianjeran'ilay angidimby amerikana nandray anjara tamin'ny fisamborana an'i Ben Laden [lahatsoratra amin'ny teny anglisy] :

Antenaina fa salama sy avotra tsara avokoa ny olona rehetra ka tsy naratra tamin'ny fianjerana sy ny fipoahan'ny angidimby

Nampiseho ny firoborobon'ny asa tamin'ny fomba sy endrika vaovao ny pejy Facebook sy ny kaonty Twitter an'i Coffity (@coffity).

Nampiasa an'i Coffity ilay mpanao gazety norveziana Mariane Vikas mba hitady loharanom-baovao ao an-toerana momba ny fahafatesan'i Oussama, nangataka hoe :

Misy olona nahita na mahafantatra zavatra momba ny fanafihana an'i Oussama ben Laden ve ao Abbottabad? Mpanao gazety norveziana eo am-pitadiavana vaovao. AZAFADY mamelà hafatra.

Mpanao gazety espanola Julio Cesar Escovar koa nametraka ny fangatahany tamin'io ihany :

Mpanao gazety ao Espaina koa, mila vaovao ?

Mpiserasera pakistaney, Umar Naveed, no nanolotra vaovao :

antsoy aho fa ambarako zavatra ianareo

Jessi Spaulding Johnson nanome soso-kevitra an'i Coffity:

Tsara kokoa raha ampitomboinareo ny vidiny. Voatarika ao amin'ny kafe avokoa ireo mpanao gazety)

Tamin'ny voalohany, toa tsy nihevitra mihitsy ny habetsahan'ny mpanao gazety marobe toy izao ny mpitantana an'i Coffity:

Oups ! Antenaina fa tsy hisotro kafé betsaka ireo mpanao gazety…

Ary ankehitriny, hita fa tena difotra olona tao Coffity:

Ampiasain'ny mpiasan'ny fampitam-baovao ny ASI an'ny Coffity; Tsy afaka mampandeha ny herinaratra izahay androany fa be ny resaka renay – araka izany dia mikatona izahay mandritra ny fotoana fohy – mandra-pisian'ny filazana vaovao. Tsy misy kafe vonona ihany koa hatramin'izao.

Justin Macdonald namoaka fehin-kevitra hoe :

Tsara kokoa noho ny Starbucks, manantena fa mizotra tsara ny raharaha

Nick Rearden nanamarika hoe :

Peace and Love (Filaminana sy fitiavana) avy any Bath ao angletera. Tsy henatra ho an'ny mpanankarena sy ny manandaza manerantany ve ny fiononana manao ny adinyenyan-kianjan'ny cricket nefa isika mankafia misotro kafe 🙂

Michelle Klein-Hass namela ity hafatra ity ho an'ny tompon'i Coffity :

Mitady laza ny sasany, ny hafa kosa noterena hanana izany. Nitondra tena tanaty fitahiana mampitsiriritra ianareo tambanin'ny tsindry mavesatra. Antenaina fa indray andro any, hanjary fanta-daza tahaka ny ” io lehilahy io manoratra zavamiafina toy ny fantadaza sy manolotra ny kafe tsara indrindra manerana ny faritr'i Islamabad.” Arakaba avy amina Amerikana mpiondana aterineto iray.

Brian Dunmire nankasitraka :

Tampoka teo, toa tsy lavitra akory i Pakistan..

Ibtassam Rasheed, Pakistaney afapo amin'ny firenena niaviny, nanoratra hoe:

[…] Hiverina ao amin'ny toeram-pisotroana kafe anao aho indray andro any, tsy hoe satria olo-malaza amin'ny Twitter ianao fa satria nanokana ny fitiavanao ho an'ny firenenao ianao ho ambonin'ny zava-drehetra. Miangavy anao aho, tohizo ny mampahafantatra ny lafi-tsara momba ny Pakistan, satria tena ilaina tokoa izany amin'izao fotoanan'ny lainga maharitra ankehitriny izao sy ny fitarafana amin'ny lafi-ratsy hatrany an’ ity firenentsika mahafinaritra sy mamintsika ity. Nataonao ho anisany mpankasitraka anao tokoa aho !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.