Oganda: Vondrom-Behivavy, Mpisolovava Manatevin-Daharana ny Hetsi-Panoherana “Walk to Work” Mandeha an-Tongotra Miasa

Ny tsy maha eo vonjimaika ilay mpitarika ny mpanohitra Ogande Kizza Besigye, izay  lasa nisidina ho any Nairobi hanaraka fitsaboana taorian'ny nitifirana mivantana azy entona mandatsa-dranomaso tany amin'ny masony nandritra ilay hetsi-panoherana  Walk to Work (Mandeha an-Tongotra Hiasa) tamin'ny 28 Aprily 2011, dia toa vao mainka nanamafy ny hetsiky ny vahoaka.

Raha miditra amin'ny volana faharoa ankehitrny ireo hetsiky ny mpanohitra, nanatevin-daharana an'ilay vondrona mpanohitra nanainga ny hetsika ireo fikambanam-behivavy sy mpisolovava izay tezitra, tsy noho ny resaka vidin-kanina sy solika lafo ihany, fa koa noho ny valin-kafatra an-kerisetra ataon'ny governemanta ho setrin'ilay hetsika.

Edward avy amin'ny bilaogy Echwalu Photography no mamariparitra ny fangatahan'ireo vehivavy:

Maneho ny firaisankina amin'ireo vehivavy, lehilahy ary ankizy mizaka ny tsy eran'ny ainy noho ny vidin-kanina sy solika midangana, tsy mila ny fampiasana bala tena izy intsony, ny fanafihana tsy misy antony atao amin'ny olon-tsotra, manandratra ny zo fototry ny vahoaka   misoratra ao amin'ny Toko faha-4 amin'ny Lalampanorenana, mijery ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena, ny tsy fisian'ny asa, mijery ny fiahiana ara-tsakafo, ara-pahasalamana ary ara-panabezana.

Edward koa dia nampakatra sary maromaro momba ny hetsik'ireo fikambanam-behivavy, ahitàna vehivavy iray eo akaikinà takelaka famantarana tobin-tsolika  iray milaza fa 3.490 Shiulling Ogande ny iray litatra amin'ny solika, eo amin'ny  $5.50 eo :

Fikambanam-behivavy Ogande manatevin-daharana ny hetsika anoherana ny fiakaram-bidin'ny solika sy ny sakafo. Sary an'ny Echwalu Photography

Timothy Hatcher ao amin'ny bilaogy Araa Linuga dia mampitaha ny hetsik'ireo vehivavy amin'ny nataon'ny vehivavy anglisy ‘suffragette’ taonjato iray laza izay:

Novakiako tany anaty aterineto androany fa ny fanahy nanànan'ireo ‘suffragette’ tany UK tany amin'ny fiandohan'ny taonjato faha-20 dia very ao anatin'izao tontolo misy antsika izao. Indraindray i Oganda dia toa sahala ny any amin'ny faran'ny tany raha any Angletera ianao no mipetraka, saingy misy fihetseham-po sasany izay iraisana ary tsy miankina amin'ny toerana. Antenaiko fa ny fanehoana firaisankina amin'ireo vehivavy tamin'ny Alatsinainy ho anà zava-dehibe ho tombontsoan'ny rehetra ao anatin'ny fiarahamoniny, eny fa na ambony tokoa aza ny mety hisian'ny fandratràna sy/na fisamborana, dia efa marika sahady fa velona indray io fanahy io.

Tamin'ny herinandro lasa ny mpisolovava Ogande dia nanao fitokonana hanoherana ireo herisetra entin'ny polisy mandrava ny fanehoan-kevitra. Tsy vao voalohany izao no nanaovan'ireo Ogande mpisolovava fitokonana hanoherana ny fomba fitondran'ny governemanta an'i  Kizza Besigye, izay nosamborina sy nampidirina am-ponja efa imbetsaka tato anatin'ny taona vitsivitsy. Tamin'ny 2005, Brian ao amin'ny bilaogy Black Star Journal dia manoritsoritra fitokonana iray tsy ela izay:

Androany, ny Fikambanan'ireo Ogande Mpisolovava dia nanokana andro iray  ho fitokonana ho fanohanana ny fahaleovantenan'ny fitsarana, izay tsapan'ireo mpisolovava fa tandindonin-doza.

Tohina manokana noho ny anton-javatra iray tateriko eto izy ireo. Ampolony ireo commando avy amin'ny tafika no tonga tao amin'ny tribonaly mba hiodidina ny tranon'ny fitsarana, nandritra ny fihainoana ny fiampangana natao an'ilay lehiben'ny mpanohitra Dr Kizza Besigye.

Raha tena ho voaheloka marina amin'ny heloka iampangàn'ny fitondrana azy i Dr Besigye, dia tsy ho nila akory ny miaramila ry zareo mba hanaovana ramatahora amin'ny fitsarana sivily.

I Besigye no tahaka ny ivon'ireny hetsika ireny, Iwaya avy amin'ny  Mad and Crazy dia mampitandrina ireo mpanaramaso  fa ny tena fo mampiaina ny hetsika dia tsy ny fanohanana ny mpanohitra fa ny kapoaka feno noho ny zava-misy ara-toekarena iainan'ny firenena ankehitriny.

W-2-W dia tsy teraka noho ny amin'i  Dr. Besigye akory, na dia nanao mafy izay vitany nanandrana ny hampivadiana azy ity amin'ny anaran'i Besigye aza ny milina fampielezan-kevitry ny governemanta. Ny anton'io dia noho ny toe-draharaha ara-toekarena iainan'ny Ogande amin'izao fotoana nentin'ny tsy firaharahian'ny governemanta izay manambatra ny tànany ho eo an-tratrany fotsiny sady miteny hoe, “Tsy misy na inona na inona azontsika hatao ny amin'izany”, mba hanamaivanana ny hirifirintsika, nefa ianao voatery foana handoa irony hetra irony tsy misy hatak'andro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.