Tontolo Arabo: Handray an'i Maraoka sy Jordania Ny Vondron'ny Fitondram-panjaka Arabo

Tamin'ny voalohany nihevitra ny tsirairay fa vazivazy na tsahotsaho ihany ny tao amin'ny Twitter. Taty aoriana, fantatr'ireo mpiserasera fa zavamisy marina tokoa fa tsy tsaho na vazivazy ka nampitokelaka ireo mpisiokantsera ny fahafantarana fa horaisina  tsara sy hiadian-kevitra ny fangatahan'i Maraoka ho mpikambana ao amin'ny Vaomieran'ny Fiaraha-miasa ao amin'ny Helodrano (CCG).

Tsy nahataitra loatra ny mpitazana ny vaovao fa hiditra mpikambana ao amin'ny CCG i Jordanie satria iray sisintany amin-dry zareo , saingy mampiditra an'i Maraoka izay lavitra ny tontolo Arabo, no nahatonga ireo fanesoana sy fanontaniana marobe.

Vondronasa politika niforona tamin'ny taona 1981 ny CCG, izay ivondronan'i Koety, Arabia Saodita, Bahrain, Oman, Qatar ary ny Emirà Arabo Mitambatra.

The hash tag #GCC went on fire after the news of Morocco and Jordan requesting to join the GCC.

Talaky maso Ny tenifototra #GCC rehefa re ny fangatahan i Maraoka sy Jordania hiditra GCC.

Mpanoratra an-gazety avy ao amin'ny Emirà Arabo mitambatra sady mpisiokantsera Sultan AlQassemi (@SultanAlQassemi) moa no anisan'ny voalohany nisioka ny vaovao.  Nosoratany:

Ankehitriny dia lasa manana sisintany iraisana amin'i Isiraely, Palestina ary Syria ny Vaomieran'ny Fiaraha-miasa ao amin'ny Helodrano.

Ary nampian'i AlQassemi :

Lasa vondron'ny fitondram-panjaka Arabo izany ny GCC . #Morocco #Jordan

Nanamarika i Muna Abu Sulayman (@MunaAbuSulayman), mpanolotra fandaharana malaza Saodiana miasa ho an'ny fampielezam-baovao MBC  :

Te-hanana toky ny GCC vaovao fa tsy misy manana fahefana ankoatra ny GCC taloha… Lesona lehibe ho an'i Ejipta izay nahalany andro ny Ligy Arabo

Nisiokatsera ny fihetse-pony ihany koa ilay vehivavy Saodiana hafa, Hatoon Al-Fasi, mpikatroka malaza mpiaro ny zon'ny vehivavy sady manana diplaoma PhD raha nandre ny vaovao nampidirana an'i Maraoka sy Jordania ho mpikambana ao amin'ny GCC, ary niverimberina tamin'ny fomba fiteny hafa rahateo ny fomba fijeriny. Hoy i Al-Fasi (@HatoonALFASSI) nanoratra:

Niova ho Vaomieran'ny Fitondram-panjaka ny GCC, Nasaina hiditra tao i Jordania sy Maraoka.

Ebtihal Mubarak (@EbtihalMubarak), Mpikatroka Saodiana sady mpanao gazety mipetraka any New York Citydia nitovy hevitra tamin'i Al-Fasi tamin'ny filazana hoe:

Paikady farany entina hiarovana ny sisa tavela amin'ny fitondram-panjaka/fitondrana jadona any amin'ny tontolo Aravo ve ny #GCC vaovao?

Heba Al-Butairi (@H_eba), vehivavy tanora Saodiana iray amin'ny voalohany nisoratra anarana hifidy amin'ny fifidianana monisipaly any Khobar herinandro vitsivitsy lasa izay no nanoratra:

Misaotra nampahafantatra ahy ny mihoatra izay tokony ho azo. Andao ovaina ho “Monarchy alliance against democracy” MAAD [Fiarahan'ny Fitondram-panjaka manohitra ny demokrasia] ny GCC

Nitsikera ny vaovao ihany koa ny mpahay lalàna Koesiana sy mpikatroka politika Obaid Al-Wasmi (@Dr_alwasmi) tamin'ny fanoratana [ar]:

الترحيب يإنضمام الأردن و المغرب لمنظمة مجلس التعاون يستوجب تغيير نظامها القانوني من منظمة دولية إلى نقابة للأسر المالكة لأنه هو الهدف الفعلي

Tokony niaraka tamin'ny fanovana ny lalàna mandrafitra ny GCC  vondrona iraisampirenena ho fikambanan'ny fianakaviana mpanjaka ny fampidirana an'i Jordania sy Maraoka satria izay mihitsy no tena tanjony.

Tanora mpisiokantsera Saodiana Aalia Al-Faigh (@Aalia_F) moa dia niresaka teboka mahasadaikatra hafa ihany koa:

Ny tena zava-dehibe indrindra dia tsy nanontaniana ny olom-pirenena ka tsy manana ny heviny

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.