Filipina: ‘Veloma Friendster’

Lasa nahazo lohateny sy fironan-dresaky ny mpisera Filipiana ny vaovao nilaza fa hanao fanavaozana lehibe ny mpitari-dalana tamin'ny valan-tserasera Friendster.com ao anatin'ny volana vitsivitsy.

Ary tsy tokony hahagaga izany rehefa fantatra fa nalaza ho firenen'ny Friendster.com i Filipina. Izany no nitranga tanelanelan'ny taona 2003 sy 2007 nialoha ny nivoahan'ny valantserasera malaza kokoa tahaka ny Facebook, Twitter ary ny hafa.

Raha tokony ho hatairana, tsy finoana ary fanoherana anaty aza no nitranga tamin'ny fandrenesana fa karazany miala ilany ny valantserasera ankafiziny indrindra, dia ny nampanako ny hafatra avy amin'ny ekipan'ny Friendster miangavy ny hamindra ny votoaty an-toeran-kafa mialoha ny hamafana ny ambiny rehetra amin'ny 31 mey ihany no nataon'ny mpisera Filipiana.

Na izany aza dia misy sombin'alahelo sy embona ihany ao amin'izy ireo.

Roy dia mahatsapa fa nanaiky resy ny Friendster raha hifaninana amin'ny mpanjakan'ny valantserasera Facebook:

Izany hoe mieritreritra ve ianao fa nanaiky ny lahatra ny Friendster ka tsy hifanandrina intsony amin'ny Facebook?

Oh , misaotra indrindra Friendster. Fahatsiarovana nahafinaritra ny fiarahana.

Carlo Dimaandal dia nanembona ny fotoana nahafinaritra raha nahita ny vaovao nilaza fa hanao fiaingana vaovao tanteraka ny Friendster:

Nanaisotra ny fikirakirana mahavalantserasera azy sasany ny Friendster mba hironana bebe kokoa amin'ny sehatra fialamboly. Tsy miraharaha izany mihitsy ny sasany. Saingy ho an'ny tia fahatsiarovana tahaka ahy, misy ny safidy hisintonana antsera ny mombamomba ny mpisera (tulad nung mga testi na ipinagmakaawa mo pa! 🙂 ) na mamindra azy ho amina tolotra (servisy) hafa. Teo no nahitako fa fotoana “tampo” [tetezamita?]izao .

Pinoy Social Media dia nanome ny tantara fohy ny fomba nahazoan'ny Friendster ny fon'ny Filipiana raha nitodika ny fotoam-pifaliana sy nijerena ny antontanisa nilaza fa Filipina no voalohan-daharana tamin'ny firenena 15 mpitsidika Friendster hatramin'ny 2008. Saingy, niova tanteraka izany toe-javatra izany tao anatin'ny herintaona monja rehefa nirona ho any amin'ny Facebook ny firenena.

Izany hoe izao no fotoana hidirana faraparany amin'ny Friendster (raha mahatadidy ny tenimiafina ianao), mitadidy ny fampisana ilay valantserasera, mijery ny sarinao, fijoroana vavolombelona sy ny resaka nifanaovana taona maro lasa izay, Misintona ny rehetra hatao tahiry ary manao veloma ilay valantserasera namana, Friendster.

Ho an'i Grace Abonillo, ny fahatsiarovana dia tsy noho fiaramonina an-tserasera tamin'ny alalan'ny Friendster ihany, fa io no niandohan'ny fiakinandohany tamin'ny sehatra valantserasera isan-karazany:

Andro vitsy lasa izay, henoko ny vaovao fa tonga eo amin'ny fenitra farany ny Friendster. Tsy nampaninona ahy ilay izy satria tsy nampiasa azy intsony aho hatramin'ny 2007.

Saingy tsapako kosa fa tao ilay izy no nanomboka, ny fiakinandohako tamin'ny vohikalan'ny valantserasera. Tamin'ny voalohany friendster.com, dia multiply.com ary avy eo ny facebook. Nanomboka nampiasa ny FS(Friendster) aho tamin'izaho tany amin'ny kolejy nanodidina ny 2002 teo ho eo. Dia niondana amin'izay fa nannoratra foana isan'andro.

Tampoka teo, leo aho, dia nampiasa multiply sy facebook tamin'ny fiandohan'ny taona 2003 na 2004. Saingy sarotra ny nampiasa ny facebook hany ka nionona tamin'ny multiply aho.

Nofehezin'i Pepe Alas ny tamim-pifaliana ny tsiahy izay nilazany ny fiaingana vaovaon'ny Friendster indray:

Hefa nanampo azy ity hatry ny ela ny mpiondana Friendster-nivadika-Facebook (tahaka ahy!). Saingy mbola nampiotana hatrany ilay vaovao, satria efa karazany kolontsaim-bahoaka Filipiana manko ny Friendster. Ankoatra izay, Filipina no tsenan'ny Friendster lehibe indrindra.

Tsara iny fa nifarana.

Rico at Technograph indray nanatrika ny hoavy ka naminavina ny ampitso miandry ny Friendster:

Inona marina moa ny tena tian'ny Friendster lazaina amin'ny hoe “fialamboly sosialy”? raha nitsidika tsinahy ny takelaka fampidirana tenimiafina Friendster aho hanoratra momba ny fisintonana ny mombamomba ny tena ao amin'ny Friendster, nahamarika aho fa feno dokambarotra momba ny kilalao an-tserasera samihafa an'ny Friendster aho. Midika ve izany fa ilay valantserasera teo aloha dia hivadika ho vavahadin-tseraseran-dalao?

Izay ary no izy, niova vanim-potoana ny tntaran'ny aterineto ao Filipana, nametra-pialana ny Friendster, izay hany valantserasera tokana fantatry ny Filipiana taloha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.