Irana: Voasambotra ny “mpanala devolin'i Ahmadinejad”

Voasambotra ny olona 25 mpiara-miasa akaiky sy mpanohana ny Filohan'i Irana Mahmoud Ahmadinejad sy ny Lehiben'ny Etamazaoro, Esfandyar Rahim Mashai, ary araka ny voalaza dia anisan'izany ny “mpanala devoly” na “mpisambotra djinn” Abbas Ghaffari.

Maro no maminavina fa noho ny fifamaliana teo amin'i Ahmadinejad sy ny filoha ambonin'ny Repoblika Silamo Ali Khamenei momba ny fialàn'ny minisitry ny fitsikolovana Iraniana izany.

Tamin'ny herinandro lasa teo, Morteza Nabavi, mpanao politika avy amin'ny mpandàla ny nentin-drazana, dia nanameloka [fa] ny ekipan'i Ahmadinejad ho nieritreritra fa omen'ny djinn na “génie” hery ry zareo. Tamin'ny fivorian'ny kabinetra ny Alahady 8 mey 2011, namaly Ahmadinejad tamin'ny filazana [fa] fa hanihany ihany ny hoe misy mpanala devoly ao amin'ny governemanta. Azonao jerena  ato [fa] ny horonantsary.

Manontany [fa] i Azarakan, Iraniana mpitoraka blaogy manao hoe:  “Tsy henonao ve ny fofom-paty lo mivoaka amin'ny fitondràna izay mitondra ny firenena amin'ny fanalàna devoly sy tetika samihafa?” Milaza ilay mpitoraka blaogy hoe:

Maro ireo voasambotra, nampijaliana ary novonoina aza taorian'ny nipoiran'ny fihetsiketsehana fanoheram-panjakana tamin'ny 2009, ka tsy mahagaga raha migadra ankehitriny ireo mpanohana 20 na 30 an'i Ahmadinejad-Mashai. Taorian'ny tsy naneken'i Ahamdinejad ny fangatahana hitazonana ny Minisitry ny Fitsikilovana eo amin'ny toerany, mila manamafy ny fahefany ny Filoha ambonin'ny Repoblika Silamo, Khamenei. Mandefa fampitandremana koa i Khamenei [miaraka amin'ireo fisamborana ireo] ho an'i Ahmadinejad fa tsy tokony hitsipaka ny baiko omena izy mandritra ireo roa taona ambiny maha filoha azy. Farany dia nasehon'ny Filoha Ambony tamin'ny rehetra fa raha tsy manaraka ny baiko ny tsirairay dia samy ho voasazy avokoa, tsy misy arakaraka.

'Look what Mahmoud's exorcist did' cartoon by Nik Ahang

'Jereo anie ny nataon'ny mpanala devolin'i Mahmoud e' sarin'i Nik Ahang


Nik Ahang
, Iraniana mpanao kisarisary malaza, dia nanao ny sarin'ny mpitarika ny mpanohitra Mir Hussein Mousavi, nitazana ireo moatota nifidy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena niteraka resa-be roa taona lasa izay, izay nanambaràna fa nandresy tamin'ny isa 63% i Ahamdinejad. Milaza ny soratra eo amin'ny sary hoe ‘Jereo anie ny nataon'ny mpanala devolin'i Mahmoud e’.

Zabanesabz, mpitoraka blaogy hafa dia milaza [fa] fa ilay mpanala devoly Abbas Ghafari  dia karazana ‘mpitsabo amin'ny zava-maniry’ izay nampiasa ny fanambarana azy ho manana hery hafahafa, mba hanasitranany aretina maro samihafa. Nilaza koa izy fa manana hery maizina.

Mampahatsiahy [fa] antsika ilay mpitoraka blaogy Motafekrin fa nandritra ny fifidianana filoham-pirenena roa taona lasa izay, nilaza i Mir Hussein Mousavi fa mitondra ny firenena amin'ny finoanoam-poana sy faminaniana i Ahmadinejad.

Gazety Iraniana roa eo no nitatitra [fa] fa mpiasa maro tao amin'ny vohikala mirona amin'ny governemanta no nanjavona tamin'ny Talata. Tsy nanazava ny antony nanjavonany izy ireo: ny manampahefana sa ny djinn!

Fanamarihana: Nandritra ny minitra vitsy voalohany namoahana azy dia nisy olana ny fivoahan'ity lahatsoratra ity tao amin'ny fehezanteny voalohany, izay nanjary toa nilaza fa nosamborina ny filohan'ny Etamazaoro Esfandyar Rahim Mashai. Tsy marina izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.