Tonizia: bilaogy nandà ny loka notohanan'ny governemanta Barhainita azony

Nawaat says No to the Bahrain award

Nandà ny fankasitrahana avy amin'i Bahrain i Nawaat

Nahazo ny Amboara Arabo eContent 2011 ny vavahadin-tserasera bilaogy Toniziana Nawaat, ao amin'ny sokajy e-fandraisana anjara sy fampandraisana anjara Loka Arabo eContent 2011 . Fifaninanana nokarakaraina sy notohanan’ ny governemanta Barhainita ara-bola ny Arabo eContent. Mpikambana ao amin'ny Nawaat, sehatra bilaogy iraisana izay nampahafantatra amim-pivitrihana amin'izao tontolo izao ny fikomiana toniziana tamin'ny fanonganana ny fitondrana jadona Zain Al Abidine Ben Ali, no nandà hanatrika ny Fampirantiana IT 2011 ao Bahrain [teknolojia vaovao] sy handray ny loka avy amin'i Sheikh Mohammed Bin Moubarak Al Khalifa, praiminisitra lefitra, Filohan'ny Komity ambony momba ny teknolojia ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana. Avy amin'ny fanoherana ny fomba fanasivanana ataon'ny fitondrana Barhainita sy ny fisamborana ireo bilaogera sy ny mpiaro ny zon'olombelona no anton'izany fanapaha-kevitra izany.

Nawaat namoaka ity fanambarana ambany ity , manazava ny antony nandavan'ny mpikambana ny amboara:

Satria notohanan'ny eGovernemanta ara-pomba ofisialy ny loka eContent ary koa ny Nawaat dia ny misoroka hatrany izay mety ho karazana fanohanana avy amin'ny governemanta, dia mandà io amboara io izahay ho fanoherana ny fomba fanasivanana atao amin'ny aterineto ao Bahrain, ny fisamborana ireo bilaogera marobe sy ny mpiaro ny zon'olombelona ary ny fandrarana tsy ara-drariny ny tranokala aterineto an-jatony sy ny bilaogy mpitsikera ny governemanta Barhain sy ny fianakaviana manjaka ao aminy.

Fanampin'izany, tsy afaka manapa-kevitra sy manome fankasitrahana izay tranokala isafidianana ho mendrika indrindra hahazo ny loka Arabo eContent 2011 ny manam-pahefana eGouvernement Bahrain, indrindra ao amin'ny sokajy. Mifanohitra ny momba ny e-Fampandraisana anjara & Fandraisana Anjara ny zavamisy amin'ny fahalalahan'ny aterineto ao Barhain.

Amin'izao taona 2011 izao, Nawaat no nahazo Amboara Aterineto 2011 avy amin'ny “Reporters sans Frontières noho ny fiarovana ny fikomiam-bahoaka toniziana hatramin'ny fanombohany. Nahazo ny Amboara  Index On Censorship New Media, tamin'ny tetikasa Tunileaks koa ny bilaogy, izay “nampiseho ny  fivelaran'ny kolikoly izay milentika lalina ao amin'ny karazam-pianana Tonizianina “, araka ny voalazan'ny teny Index on Censorship. Nalain-tahaka tamin'ny Wikileaks ny tetikasa Tunileaks .

Ao amin'ny Twitter, noharabaina ny fanapaha-kevitr'i Nawaat tsy nanaiky nandray ny fankasitrahana.

Haythem Elmekki, bilaogera sady mpanao gazety toniziana ni-tweet hoe :

Fanajana ho an'ny lehilahy @nawaat izay nandà ny Loka Arabo e-Content, natolotry ny governemanta mpamono olona sady mpanao didy jadona ao Barhain.

Elizabeth Tsurkov Isiraeliana nanampy hoe:

Wow, manaja tanteraka ny mpikambana ao amin'ny @Nawaat aho noho ny fandavany io loka io !

Hasan Habib naneho fisaorana ny bilaogy :

@nawaat من شعب البحرين… شكراً لكم شكراً لكم

Avy amin'ny vahoaka Barhain…misaotra, misaotra

Ao amin'ny Nawaat, niteraka tsikera maherin'ny- 300 hatramin'izao ny fanambaran'ny bilaogy handà ny fankasitrahana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.