Mey, 2011

Tantara tamin'ny Mey, 2011

Toekarena Erantany: Ny Lanjan'ny Vehivavy Amin'ny Resaka Fahantràna, Asa ary Trosa

  30 Mey 2011

Ny fanehoan'ny International Museum of Women / Tranombakoka Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy teo anivon'ny aterineto mikasika ireo vehivavy sy ny toe-karena, manasongadina sary mifandimby, podcasts, lahatsary sy andrana momba ireo vehivavy any amin'ny firenena toa an'i Sodana, Danemarka, Filipina, Etazonia, Costa Rica, Meksika, Arzantina sy ny fahitan'izy ireny ny olana tahaka ny fahantràna, ny fandraharahana, ny fianakaviana, ny zo, ny ara-bola ary ny maro hafa.

Ejipta: Voasazy handoa onitra noho ny fanakanana ny aterineto nandritra ny Revolisiona i Mubarak

Voasazin'ny fitsarana ejipsiana handoa onitra 540 tapitrisa livra ejipsiana (90 tapitrisa dolara amerikana) noho ny fanapahana ny aterineto sy ny finday nandritra ny revolisiona nanaisotra azy ny filoha voaongana Ejipsiana Hosni Mubarak sy ny olom-panjakana hafa, araka ny didy nivoaka androany. Araka ny voalazan'ny Reuters, dia nodidian'ny Fitsarana misahana ny...

Ségou Village Connection: Aterineto Finday Mampifandray Olona

Rising Voices  28 Mey 2011

Tsotra ny tanjon'ny tetikasa Ségou Village Connection ao Mali, iray amin'ireo tetikasa nahazo ny famatsiam-bola avy amin'ny Rising Voices: mampifandray ny mponina ambanivohitra sy ny mponina an-tanan-dehibe ao Mali amin'ny alalan'ny finday sy ny Aterineto. Boukary Konaté, bilaogera maliana, mpanentana mavitrika amin'io tetikasa io no manazava ny maha-iankinan'ny ain-dehibe io fifandraisana io :...

Lahatsary: Manam-pahaizana tanora vao misondrotra any Inde, Singapore ary Afrika Atsimo

  28 Mey 2011

Efa nivoaka ny filaharan'ireo mpifaninana hiatrika ny dingana antsasa-dalana amin'ny Tetikasan'ny Google Science Fair. Na dia nisokatra ho an'ireo tanora eo anelanelan'ny 13 sy 18 taona avy amin'izao tontolo izao aza izany, mahaliana ny manamarika fa i Etazonia, Singapore ary Inde no nahazo ny isa ambony indrindra tao anatin'ireo mpiatrika ny dingana antsasa-dalana 60 voafantina, izay ahitana ihany koa ireo tafiditra avy any Nouvelle-Zélande, Afrika Atsimo, Fanjakana Mitambatra ary Kanada.

Japana: Ampio ireo izay manampy

  27 Mey 2011

Roa volana izay no lasa taorian'ilay horohorontany sy tsunami tao Japana. Afaka manohy ny fiainany ara-dalàna ireo izay tsy tratran'ny horohorontany mivantana, olona eo amin'ny 110 000 no mbola mialokaloka anaty trano lay, araka ny fanombatomban'ny polisy. Ny tsy fananana fiainana manokana, ny fisarahana amin'ny fianakaviana sy ny namana mahazatra,...

Teknolojia ho amin'ny fangaraharana: Tatitra farany

  26 Mey 2011

Faly ny Tambajotran'ny teknolojian'ny fangaraharana fa mivoaka izao ny tatitra farany , Sarintanin'izao tontolo izao momba ny fampiasana ny teknolojian'ny fangaraharana sy ny asa madio. Vao navoakan'ny Transparency and Accountability Initiative (@TAInitiative) miaraka amin'ny tatitra am-polony hafa momba ny hetsika fampangaraharana asa manerana izao tontolo izao izy io. Mifototra amin'ny...

Ekoatora: Fandalinan'ny Vahoaka Ny Vokatry ny Fitsapan-kevibahoaka

  25 Mey 2011

Ny vokatry ny fitsapan-kevibahoaka tao Ekoatora farany teo, izay ankoatry ny zavatra hafa rehetra ka nanome fahefana bebe kokoa ny Filoha Rafael Correa manolona ny fitsarana sy ny media, dia niteraka fifanakalozan-dresaka mikasika ny fampielezan-kevitra sy ny fifidianana ary nitondra fampisaintsainana teo amin'ny sehatra rehetra misy ao anatin'ny fiarahamonina Ekoatoriana mikasika izay haterak'ireo vokatra ireo.