Iraka: Mbola Velona ve i Saddam?

Naparitak'i Saddam Hussein eran'ny valan-tserasera, tamin'ny alalan'ny fitaovana fandraisam-peo izay milaza fa mbola velona ny mpanao didy jadona Irakiana fa ilay olona mitovy be aminy Mikhail no any tokana notapahan-doha tamin'ny 30 Desembra 2006. Marobe ireo mpiserasera nihevitra ny horonantsary ho lainga ary mampanantena ireo mpijery izany fa efa maty sy nalevina i  Saddam. Mbola velona ve izy, nandray ny faha 74 taonany androany ny mpanao didy jadona Irakiana teo aloha.

Mody mampiseho ny feon'i Saddam Hussein miresaka amin'ny namany Irakiana Hassan Allawi amin'ny antso an-tarobia ny  horonantsary (amin'ny teny arabo), izay nilazany fa mbola velona izy, fa olona mitovy be aminy no nisolo azy ka notapahan-doha. Mandrahona ny hanova ny Faritra Maitso  ho Faritra Mena ilay Saddam mpisandoka, mba hitobaka ny ràn'ny mpamadika” ary “hanafaka an'Iraka amin'ireo mpanani-bohitra.”

Ity ny horonantsary, izay nalefa ao amin'ny YouTube nataon'i sulalmalki ary efa nojerena farafahakeliny in-250 000 teo ho eo:

http://www.youtube.com/watch?v=KaTnUuLT2eA

Nahatarika tsikera maherin'ny 500 koa io lahatsary io, avy amin'ny vahoaka ny ankamaroany izay mihevitra fa fanadalana fotsiny ny horonantsary fa i Saddam dia efa nodimandry tanteraka. Mpitsikera hafa kosa no manome voninahitra an'i Saddam sy ny maha-lehibe azy, ary mankasitraka fa tena marina ny navoakan'ny horonantsary fa mbola velona any tokoa i  Saddam.

The ad on Facebook for the Saddam video

dokambarotra Facebook ho an-i video Saddam

Nalefa tamin'ny serasera hafa koa ny horonantsary, izay naparitaka tamin'ireo sehatra valan-tserasera manerana ny tontolo Arabo ary misy natao Dokambarotra Facebook ihany koa mba hampiroborobona ny lahatsary hatrany.

Ao Ejypta, Zeinobia, bilaogera mpitsikera Ejyptiana, no manaiky tanteraka fa efa maty tokoa i Saddam :

Mino aho fa antso an-tarobia feno lainga fotsiny izany, tsy mino izany aho na dia iray sekondra monja aza. Tsy mahaliana ahy ny teti-dratsy izay iarahan'ireo mpomba an'i  Baas izay mihambo fa mbola mirenireny any i  Saddam tahaka an'i Elvis !!!!
Notapahan-doha tamin'ny taona 2006 i Saddam Hussein, fa nahoana no niandry taona maromaro vao manambara amin'izao tontolo izao fa mbola velona izy !!!? Fa maninona no ankehitriny!!? Fa maninona no ankehitriny ny tanora Irakiana no manomboka voatariky ny taonan'ny Revolisiona Arabo ary samy nahita ny fikasan'izy ireo hanao sit in ao amin'ny kianjan'i Tahrir, kianja azy ireo manokana isika rehetra. Leo ny fibodoana ny tanora Irakiana,  leo ny fizarazarana ara-pinoana na firazanana ka te-hametraka indray ny Fahaleovantenan'i Iraka tafaray.

Ao Arabia Saodita, Sultan Al Sulami naheno zavatra somary mampiahiahy:

غريب يطلع مقطع صوت صدام حسين مع حلول الذكرى 74 لميلاده
Tsy hafahafa ve fa ny sary tamin'ny fandraisam-peo an'i  Saddam dia nifanontona tamin'ny faha-74 taona nahaterahany?

Ary momba izany taona nahaterahan'i Saddam izany, mpampiasa Twitter sasany no toa mankalaza izany.

Hamad A.M.A., izay ni-tweet tao amin'ny @alhajaj13, tao Bahrain, nanamarika hoe:

اليوم ذكري ميلاد رئيس الجمهوريه العراقية. الشهيد صدام. حسين
Androany ny andro nahaterahan'ny Filohan'ny Repoblika Iraka, ny maritiora Saddam Hussein

Nandritra izany koa i Tariq Khonji, tao Bahrain ihany, nananihany hoe:

Manontany i @tkhonji nahoana no vahoaka marobe ao  Bahrain no mankalaza ny andro nahaterahan'i Saddam Hussain androany? ;P

ary nampiany hoe:

Nojereko tao amin'ny  Google izany lehilahy Saddam izany izay ankalazain'i  Bahrain ny andro nahaterahany, toa hita fa efa nanafika an'i Koety  izy indray andro ary Iran no iray hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.