Hongria: Ady no niafaran'ny fihenjanana teo amin'ny Hongroà sy ny Rôma Tao Gyöngyöspata

Halina, olona efatra no naratra nandritra ny fifanandrinana teo amin'ny foko Hongroà mpikambana ao amin'ny vondrona farany ankavanana Véderő sy ny fokonolona Rôma ao Gyöngyöspata. Efa nihahenjana ny toe-draharaha tao amin'ity tanànakely avaratr'i Hongria ity hatramin'ny volana marsa. Nialoha ny Zoma teo dia efa nanao sarinady mandranitra ady ny Véderő izay fanitsakitsahana ny fandriampahalemana misy eo amin'ny Rôma monina ao an-toerana sy ny fokonolona Hongroà.

Mifanohitra be ihany ny voalzan'ny haino aman-jery Hongroà ny amin'izay nahatonga ny ady – samy mandà ny ho tompon'andraikitra nitarika ny fifandonana ny fokonolona roa tonta

A Roma girl cries after arriving back home following her evacuation from the Hungarian village of Gyöngyöspata. Image by David Ferenczy, copyright Demotix (24/04/2011).

Ankizivavy Roma nitomany rehefa tonga tao an-trano taoriana ny nanalana azy vonjimaika tao an-tanànan-i Gyöngyöspata. Saripika David Ferenczy, copyright Demotix (24/04/2011).

Ny Bolongana Gyöngyöspata Solidarity dia nizara ny dikan-dahatsoratra voasoratra ao amin'ny vaovao notaterin'ny index.hu (HUN). János Ladó avy ao amin'ny Fiarovana ny Zo ara-tsivilin'ny Rôma dia nilaza tamin'ny index.hu fa ny Hongroà no nihantsy ny fokonolona Rôma nandritra ny tontolo andro ka tonga hatramin'ny fifandonana izany:

[…] Nialoha ny mody masoandro, tanatin'ny fankalazana ny tsigerintaona nahaterahana, nitombo ny fihatsiana, ary dia samy nihamaro na ny andaniny na ny ankilany. Ny Roma no niantso ny polisy, tonga aloha ny andiany voalohany, vao tamy ihany koa ny hafa.

Raha mbola samy nivorivory teo afovoan-tanàna ny olona dia nisy ny nitora-bato ny varavarankelin'ny trano iray anatin'y faritra Roma, ny sasany 10 minitra raha dia an-tongotra avy eo, ary nisy ny nisetrasetra tamina tovolahy Roma 14 taona iray. Ary dia nanaraka amin'izay ny ady nanodidina ny tanànan'ny Roma; araka ny nolazain'i Ladó, dia nisy ny naratra mafy, telo no hitany. Niantso mpanampy ny polisy. Voamarin'ny solotenan'ny TASZ [HCLU- Hungarian Civil Liberties Union] izany izay nahita andiana fiara polisy nandeha tamin'ny arabe midadasika mizotra ho any Gyöngyöspata. […]

Gábor Vona, filohan'ny antoko farany havanana Jobbik ao amin'ny anteimieram-pirenena Hongroà, dia nitsikera ny fomba nataon'ny minisitry ny atitany, Sándor Pintér, tamin'ny toe-draharaha tany avaratr'i Hongria, ary nitaky ny fialan'ny minisitra noho ny tsy nahafahany niaro ny olom-pirenena Hongroà tamin'ny Roma izay “mifehy ny tanàna iray manontolo, indrindra ny antitra, ao anaty horohoro hatrany.”

Egyenlítő blog indray nitatitra fa nanasa ny Praiminisitra Viktor Orbán Atoa Vona hiresaka momba ny fifandraisana eo amin'ny Hongroà sy ny Rôma. Henjakenjana ny fehin-kevitra navoakan'ny mpamaham-bolongana tao amin'ny lahatsorany (HUN):

[…] Ny olana dia ankoatra ny teny mibolisatra dia mihamaro ihany koa ny fifandonana mivantana. Mandritra izany fotoana izany anefa ny fitondrana no manangana Lalampanorenana, lalàna mikasika ny haino aman-jery [ary] mitaiza an'i Eoropa. […] Tahaka ny miverina tsimoramora any amin'ny taompolo  [1930]. Ary indrisy fa hita mihamanatona indray izay nitranga nandritra ny taompolo [1940].

Na nisy fotoana hafa nety ihany koa: roa herinandro lasa izay dia mety ho nitony kokoa ny filaminana teto amin'ny firenena raha nametra-pialana Atoa Orbán sy Atoa Pintér.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.