29 Avrily 2011

Tantara tamin'ny 29 Avrily 2011

Syria: “Mitohy ny Revolisiona ao Daraa; Miaraka Aminay ve Ianao?”

Tsy nahitana na inona na inona intsony ny toe-draharaha ao Daraa, Syria, kanefa manohy manambara ny fisian'ny fihetsiketsehana vaovao ny fampahalalam-baovao, ary ny famaizana mahery vaika amin'ireo mpanao fihetsiketsehana. Ao amin'ny Twitter, Daraa Now mitatritra hoe: MAIKA: Fatin'olona Folo no mitsirara eran'ny tanànan'i #Daraa #Syria ary nanampy hoe: MAIKA: Fahamaizinana tanteraka...

Gresy: Fandrobana Nataon'ireo Mpankafy Baolina Fandàka Naneho Tsy Hafaliana Tao Thessaloniki

  29 Avrily 2011

Tanatinà herisetra tsy nampoizina tamin'ny lalao baolina fandàka, nifandramatra tao afovoan-tanànan'i Thessaloniki, Gresy ny mpankafy ireo tarika roa , Iraklis sy PAOK, tamin'ny 26 Aprily 2011. Nanafika tranombarotra ry zareo, trano sy fiara mijanona eny amoron-dàlana, ary dia norarafan'ny polisy mpandrava korontana entona mandatsa-dranomaso ny faritra afovoan-tànana.

Tontolo Arabo: Tazon'ny Fampakarambadin'ny Mpanjaka No Rivotra Iainana

Tonga hatrany Afovoany Atsinanana ny dobok'ampongan'ireo mpampita vaovao manodidina ny fampakarambadin'ny mpanjaka ho an'ny Printsy William sy Catherine Middleton rahampitso (29 Aprily), somary naka aina kely amin'ny fandrakofana ny fitroarana mitranga any amin'ny tontolo arabo ireo mpibitsika mba hanamarika ity lanonana sy fandraisana vahiny izay harahana avy ao amin'ny Lapan'ny Buckingham ity.