Ny Fitroarana Siriana sy ny Fampitam-Baovao Miely Patrana vs. Ofisialy

Voalohany izao tao anatin'ny folo taona no mitodika any Syria izao tontolo izao, raha an'alinaliny ireo vahoaka manao fihetsiketsehana fanoherana ny fitondrana nifehy tao efa ho 50 taona mahery. Raha anjatony ireo mpanao fihetsiketsehana no lavo araka ny voalazan'ireo tatitra azo, sary hafa tanteraka noho izany kosa no aroson'ny tatitra ofisialy. Tena miha goavana be ny hantsana eo anelanelan'ny fanambaràna mivoaka avy amin'ny fanarahamasom-panjakana sy ny zavatra atrehin'ny vahoaka maso satria ny olona dia mizara sy manangana ny fitantarany manokana amin'ny alalan'ireo fitaovana atolotry ny aterineto. 

Fanambaràna ofisialy

Ny 23 Aprily, ny SANA mampiseho ny lisitr'ireo polisy maty nandritra ny fihetsiketsehana

SANA, masoivohom-baovaon'ny fanjakana, manasongadina ny vaovao manaraka toy izao tamin'ny 22 Aprily, andro nahamafy indray ny hetsika ary nahafatesana mpanao fihetsiketsehana maherin'ny 100:

●     Ireo fanavaozana nambaran'ny  Filoha Basshar El-Assad.

●     Ny fanafihana fiara iray an'ny polisy ka nahafaty polisy iray sy naharatrana 11 hafa.

Ny TV Siriana mandefa ireo sarin'ny fiainana andavanandro afangaro aminà fanadihadiana ny fanovàna nambaran'ny Filoha tamin'ny  30 Martsa. Maro tamin'ireo fampahalalam-baovao fehezin'ny fanjakana no nifantoka tamin'izao manaraka izao:

●    Sarin'ireo varavarankely vaky fitaratra sy fiara simba noho izay ambaran'ireo fampahalalam-baovao tantanin'ny fanjakana fa asan'ny “mpampihorohoro”, “andian'olona mitam-piadiana”, “jiolahy” sy  “mpandroba”.

●     Sarin'ireo fitaovam-piadiana voababo, isan'ireny ny: kibay, famaky, tavoahangy, zava-pisotro anaty vifotsy. Fa koa, ampy hahatohina,  finday miaraka amina “karatra Sim vahiny”.

●     tafatafa taminà mpanao fihetsiketsehana milaza fa nanenina noho ny nandraisany anjara tamin'ilay hetsi-panoherana.

●     Olom-pirenena maneho ny fomba fijeriny, miaraka amin'ny fiampangàna ny vondrona salafista ho tomponandraikitra amin'ny korontana ka hatramin'ny filazàna fa tetika ataon'ny tandrefana hamotehana ny firenena izao.

●     Tafatafa sy fandalinana ny fanavaozana nambaran'ny Filoha

●     Fandalinana ireo lahatsoratra sy hafatra tanaty bilaogy toy ilay iray navoakan'ny Counterpunch, Syria sy ny Fanodikodinana ataon'ny Fampitam-baovao Tandrefana, izay miampanga ny fampitam-baovao tandrefana ho manafina sy manodinkodina ny vaovao mba hanimbana ny sarin'i Syria.

Taorian'ny 22 Aprily, ny fanambaràna ofisialy dia nitohy hatrany nanasongadina ny fahafatesan'ireo polisy, ny fidiran'ny tombontsoa vahiny amin'ny raharaham-pirenena ary ny fanehoan-kevitr'ireo mpomba ny governemanta

Sarin'ny hetsik'ireo mpomba ny governemanta. Sana, 26 Aprily

Ity ny rafitra fanaovana fanambaràna efa nahazatra ny Siriana. Ny tsenan'ny fifandraisan-davitra Siriana, iray isan'ny tratra aoriana indrindra aty Afovoany Atsinanana, no tena voafehifehy indrindra aty amin'ny faritra. An'ny Syrian Telecom ny foto-drafitrasa rehetra, ary mpanao gazety vitsy monja no mba mahazo fitokisana ao. Saingy ankehitriny, amin'ny alalan'ireo sehatra dizitaly, mipoitra ny fomba fitantarna samihafa azo isafidianana: mivoaka ho ren'izao tontolo izao ny feom-bahoaka taorian'ny am-polo taona nanampenam-bava ny famoahalalam-baovao teto Syria.

Fifandraisana mipariaka

Siriana iray mpanao fihetsiketsehana mampiasa ny findainy nandritra ny fandevenana iray

Tototra nandrindra ny herinandro maro ireo fampitam-baovao sy sehatra amin'ny aterineto, indrindra indrindra fa nanomboka ny April 22, miaraka amin'ireo sary sy lahatsary nalain'ireo mpanao fihtsiketsehana tamin'ny finday ny ankamaroany, ary nifampizaràn'ny olon-tsotra sy ny mpampiely vaovao erantany. Ny sasany tamin'ireny lahatsary ireny, izay misy sary mahatsiravina ny sasany, dia azo jerena eto. Ny iray amin'ireo lahatsary dia ahitàna tanana maro misandratra mitàna finday mba handraketana ny fandevenana mpanao fihetsiketsehana iray maty ny andro talohan'io, mampiseho tsara ny fifamatoran'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra sy ny teknolojia finday.

Ity sary ity dia miaty ireo teboka nisy ny fihetsiketsehana ary manampy hitarafana ny haben'ireo hetsika:

Sarintanin'ireo hetsika, ao amin'ny thenewsyria.net

Ny Adin'ny Aterineto

Tokony hahatsapa isika fa ny tena adin'ny fampitam-baovao nisy dia teny anivon'ny Aterineto no nitranga. Ny fitondràna Siriana dia nanakàna vohikala sy sehatra toy ny Youtube, Facebook, Blogger, ary Wikipedia efa ampolo taona, ary ny Siriana dia efa zatra niditra tamin'izy ireny tamin'ny fampiasàna “proxies” (fialàna sàkana). Volana vitsy lasa izay ny Facebook sy Youtube no afa-patorana, zavatra izay  narahabain'ny maro mpampiasa aterineto.

Ny pejy toy ny “Revolisiona Siriana 2011″, manana mpanjohy manodidina ny 150.000 eo ho eo na avy ao anatiny na avy any ivelan'ny firenena (saingy avy any ivelany no tena itantanana azy) dia nizara vaovao nandritra ny volana maro ary nandrisika ireo mpanjohy azy hirotsaka andalam-be. Ity pejy ity raha ny fahitàna azy dia nisy nijirika tamin'ny 23 Aprily. Pejy iray vaovao nonosokafana ary nahazo mpanjohy 2.000 tao anatin'ny ora vitsy monja, saingy niverina ihany ilay pejy teo aloha nony hariva ny andro.

Habaka hafa. toy ny vondrona facebook an'ny Fanaraha-mason'ny Vehivavy Siriana, no niantso iureo mpanao fihetiketsehana mba tsy hirotsaka an-dalambe ho fisorohana ny rà latsaka. Tanatinà fanambaràna maika iray navoaka ny 22 Aprily, ilay sehatra Fanarahamaso dia niantso ny governemanta mba hantanteraka ireo fanovàna nampanantenaina ary nangataka ny moanao fihetsiketsehna hanome 15 andro ny governemanta hanaporofoany fa tena izy tokoa ilay drafitra fanovàna.

Mandritra izay fotoana izay ihany, misy pejy maro hafa manohana ny governemanta sy ny filoha. Ohatra iray pejy fecebook-n'ny “Tanora ho an'ny Sirian'i Asad irery ihany” ka ny sarim-pianakavian'ny filoha feno tsiky no mandray anao amin'izany.

Ity Ady Mifanatrika tamin'ny aterineto ity dia hita koa tao amin'ny Twitter. Ity tambajotra ity, izay ahafahana manely hafatra fohy haingana tokoa, dia voaporofo fa tena nahomby ho an'ny olon-tsotra ho fandrindràna sy fifampahafantarana hatrany amin'ny niantombohan'ny fanentanana. Ireo mpampiasa toy an'i AnonymousSyria dia nizara sary maro, sy lahatsary ary teny faneva  manohitra ny governemanta. Ohatra, iray amin'ireo sary lehibe natao sy navoaka tao amin'ny twitter no nanjary baikom-pitoloman'ireo Siriana mpanohitra, ho setrin'ny iray an'ny fanjakana hoe: “Andriamanitra, Siria, Basshar ary tsy misy afa-tsy izay”.

Andriamanitra, Siria, Fahalalahana ary tsy misy afa-tsy izay

Hanoherana ireny hafatra ireny, karazana roa amin'ny mpampiasa twitter mpomba ny governemanta no niseho masoandro, toy ny hazavain‘ilay Siriana mpitoraka bilaogy,  Anas Qtiesh, manao hoe:

  • Izay antsoin'ny mpampiasa twitter hoe “twitter eggs” na “Ireo atodin'ny twitter”: ireo kaonty vao niforona, tsy misy sary ny ankamaroany, izay mandrahoana ara-bakiteny an'ireo rehetra izay mandefa bitsika fanohanana ny hetsi-panoherana na manakiana ny fitondrana. Ireny kaonty ireny dia inoana fa ny sampam-pitsikilovana Siriana no mampiasa azy izay tsy mahafehy tsara akory na ny fanoratra ny teny Arabo na ny Anglisy.  @AnonymousSyria dia nampiditra ny sasany amin'ireny kaonty ireny ho ao anatin’ity lisitra ity.
  • Misy ireo kaonty Spam izay voarindra sy voabaiko handefa bitsika aminà elanelam-potoana efa voafaritra mialoha. Ny bitsika dia mifandray amin'ny tenifototra hoe #Syria ary misy rohy mankany amin'ireo sary, lalao balina fandaka, vaovao manasohaso ny governemanta ary vaovao hafa raisidraisna etsy sy eroa momba an'i Siria. Ity no ohatra iray amin'ireo sary nozarain'ny kaonty Thelovelysyria.

Sary avy amin'i Ali Mahfood tao amin'ny Flickr, nozarain'ny Thelovelysyria tao amin'ny Twitter

Ireo mpampiasa twitter, mpomba ny governemanta, dia namorona lisitra ihany koa ametrahany ny kaontin'ireo manohana ny fitroarana na mitsangana mitaky ny zo ho afaka miteny malalaka eto amin'ny firenena. Ilay lisitra Against Terror, Fake Massmedia (Manihitra ny Horohoro, ny Mpampita vaovao Sandoka) dia ahitàna ny mpampita vaovao toy ny BBC na ny  Al-Jazeera, ireo fikambanana miaro ny zon'olombelona toy ny  Press Freedom sy ny Amnesty International, ireo mpanao gazety toa an-dry Brian Whitaker sy Dima Khatib ary sehatra sosialy tahaka ny  Youtube, miaraka amin'ireo mafàna fo sy mpikambana ao amin'ny mpanohitra. Ho setrin'ilay fihetsiketsehana, ireo manampahefana koa dia nanomboka nanaraka ny dingana nataon'i Ejipta sy Libia, manakana ny olona tsy hifandray izy samy izy, ary amin'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny fampanginana ny fifandraisan-davitra. Ny fampanginana ny aterineto dia voalaza fa nisy tao Daraa, toerana nanombohan'ny fitroarana. Ny 25 Aprily, tsy hoe ny aterineto fotsiny fa ny fifandraisana an-tariby sy finday koa no notapahana tao Daraa, Duma ary ireo tanàna hafa sy ny mpifanila vodirindrina aminy, ka nahatonga azy ireny hitoka-monina tanteraka tao anatin'ny fihazakazaky ny famoretana natao an'ireo mpanao fihetsiketsehana.

Tsy lasa lavitra ilay fanapahana hanakanana izao tontolo izao tsy handre ny tantara izay alefan'ireo Siriana mifanome tanana.  Amin'ny vanim-potoana toy izao izay tena mipariaka be tokoa ny teknolojian'ny fampitam-baovao, ny kabary teny midina– toetra mampiavaka ireo fitondrana tsy refesi-mandidy — dia manjary fantsona fanelezana ny feo ofisialy tsy dia ametrahan'ny olona fitokisana intsony. Saingy tokony hataontsika an-tsaina foana fa na dia mahazo ny fandresena amin'ilay ady aza ny olom-pirenena tsotra, mbola eny an-tanan'izay manana ny fahefana hatrany ny fiadiana miantoka ny ain'ny vahoaka.

Raha ny teny nentin'i  Syrianews tao amin'ny twitter:

“Mpanao gazety iray hafa indray voaroaka. Hangirifiry i Siria, ary ny fampielezan-kevitra ao amin'ny Youtube no ho hany loharanom-baovao eto amin'ny firenena”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.