Pôrtô Rikô: Mitohy ny Adihevitra Momba ny Herisetra ao An-tokantrano

Ao Portô Rikô, nangotraka ny adihevitra mikasika ny herisetra ao an-tokantrano.  Bilaogy roa no nanaraka ny didy navoakan'ny Fitsarana an-tampony fa ireo iharan'ny herisetra ao anatin'ny fiarahana tsy ara-dalàna dia tsy voaaron'ny Lalàna 54 manohitra ny herisetra ao an-tokantrano. Ary vao haingana, ny fitsarana ambony  ao San Juan (renivohitry ny firenena) no nanapa-kevitra fa tsy voaaron'ny Lalàna 54 ny vehivavy hafa niharan'ny herisetra tao an-tokantrano satria tsy ara-dalàna  ny fiarahany tamin'ny olona nanao herisetra azy fa filàna ara-nofo fotsiny.

Lohalaharana tamin'ny tsy fankasitrahana ny lalàna (Lalàna 54 tamin'ny taona 1989) izay heverina ho singan-dalàna lasa aloha indrindra manohitra ny herisetra an-tokantrano ny Fikambanam-behivavy Movimiento Amplio de Mujeres de Puerto Rico.Vao haingana koa ny Movimiento Amplio ihany no namoaka lahatsoratra mitaky ny lehiben'ny Birao Miaro ny vehivavy sy ny lalàna mba hanohana ny fampidirana ny vehivavy rehetra tsy an-kanavaka, na dia eo aza ny tsy fitovian'ny fironana ara-nofo ho arovan'ny lalàna 54. Izany dia ho valin'ilay raharaha efa voavaha nitranga vao haingana izay namaritra fa novonoin'ilay sakaizany mitovy fitaovam-pananahana aminy ilay vehivavy.

A las personas y políticos que repiten los disparates de los fundamentalistas religiosos, les tenemos que aclarar que si dos personas del mismo sexo inician una relación sexo-afectiva, del tipo que sea, mantienen una relación de pareja tal y como la define la Ley 54… y si es así, tienen derecho a recibir la protección de esa ley cuando esa relación se torna en una violenta

Ho an'ireo olona sy mpanao politika izay mamerina hatrany ny teniteny foana avy amin'ny fondamantalista, tokony hazava amintsika fa raha miaraka ny olona roa mitovy “fitaovam-pananahana”, na amin'ny endrika ahoana na fomba ahoana, dia miaraka toy ny olon-droa mifankatia izy ireo araka ny voalazan'ny Lalàna 54… raha izany no mitranga, dia manana zo hahazo ny fiarovan'io Lalàna io ireo mpifankatia raha sendra mivadika herisetra ny fiarahana.

Ao amin'ny lahatsoratra hafa, mbola miampanga ny fanapaha-kevitra  indray ny fikambanana ary mampitandrina ny olona tompon'andraikitra fa ho mafy ny fitsarana azy any amin'ny tantara :

Aquellas personas que siguen pensando en destruir la Ley 54 a base de prejuicios moralistas o religiosos, serán juzgadas por la historia como lo que son: enemigos de la humanidad y de los derechos humanos de las mujeres.

Ho an'ireo olona mbola mieritreritra hanimba ny Lalàna 54 noho ny fitsaratsaram-poanany na ny finoany, dia mbola hotsarain'ny tantara tahaka ny: fahavalon'ny olombelona sy ny zo mahaolona ny vehivavy izy ireo.

Ny Movimiento Amplio, miaraka amin-ny fikambanana sasany sy mpanao fihetsiketsehana hafa nandritra ny herinandro masina teo anoloan-ny Capitol mba haneho ny tsy fankasitrahany ny "finoana fondamantalista" an'ny governemanta. Sary nelan-ny MAMPR.

Sary an-i MAMPR.

Mpampianatra Lalàna sy bilaogera i Hiram Meléndez Juarbe izay namoaka tao amin'ny Gazety boky nomerika 80 Grados fa tsy naharesy lahatra ny Fitsarana tampony tamin'ny fanapaha-keviny, mampifanohitra ny didin'ny amin'ny Lalàna faha-7 (lalàna manome fahefana handroaka olom-panjakana faobe, ny polisy mpiambina ho an'ny governora teo aloha, sy ny Lalàna 54:

Entonces, la deferencia a las ramas políticas que figura prominentemente cuando se cuestiona la Ley 7, se desvanece cuando se cuestionan las escoltas (al punto de inventarse nuevos derechos económicos) y desaparece completamente cuando se enfrenta a la protección de víctimas en relaciones extramatrimoniales bajo el texto claro de la Ley 54.

Manaraka izany, ny fanajana ny rantsana politika izay miharihary rehefa anontaniana ny Lalàna faha-7, dia nanjavona rehefa anontaniana ny polisy mpiambina azy ireo (milaza fa manangana zo ara-toe-karena vaovao izy ireo) ary nanjavona tanteraka raha nanoloana ny fiarovana ireo niharan'ny herisetra tamin'ny fiarahana tsy ara-dalàna araka ny lahatsoratra mazava voalazan'ny Lalàna 54.

Mihevitra i Meléndez Juarbe  fa ny fisian'ny mpikambana vaovao (mpitahiry ny taloha) mandrafitra ny Fitsarana tampony no anton'io fanapahan-kevitra io ary heveriny koa  fa ny fanoritsoritana ny fanazavan'ny Fitsarana Tampony any Etazonia ankehitriny natolotr'i Ronald Dworkin dia mihatra ao Pôrtô Rikô :

Fahadisoana ny mihevitra fa voatarika ao anaty hafanam-po amin'ny fomba fihevitra sy fomba fijery mpitahiry ny teo aloha ny antoko ankavanana phalanx. Tsy misy fihevitra politika na ara-pitsarana mihitsy aza ao, fa fironana ara-pitsarana, ara-kolontsaina ary angamba ara-pivavahana. Mandrisika ny fifehezana ara-pitsarana sy fankatoavana ny mpanao lalàna izany raha mandray ny fepetra raisina amin'ny fironana politika konservativa ireo olona ireo… Saingy nandao ny fifehezana ny vondron'antoko ankavanana raha manjera ny lalàna toherin'ny mpitahiry ny nentin-drazana. Ronald Dworkin, Mpitsara an-tampony 47-48 (2008)

Meléndez Juarbe nanampy hoe:

Y es que, con este Tribunal, como señala Dworkin, cuando sea relevante, cuando la ideología económica, religiosa y política esté en juego, emergerán transparentemente esas visiones. Simple y sencillamente. Así es que debemos leer al Nuevo Tribunal Supremo.

Ary amin'ity Fitsarana ity, araka izay asongadin'i Dworkin, raha tsy maintsy ilaina izany, rehefa tafiditra ny resaka toekarena, finoana ary ny foto-kevitra politika, dia hiseho mangarahara izany fijery izany. Tsotra. Izay no tokony fomba hamakiantsika [ ny voalazan]ity Fitsarana Tampony vaovao ity.

*Nanampy tamin'ny fanatontosana ity lahatsoratra ity i Firuzeh Shokooh.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.