India: Ny Fandrisihana ny Vehivavy sy ny Lahatsary am-Bilaogy

WAVEWomen Aloud Videoblogging for Empowerment (WAVE) dia sehatra iray sy fandaharanasa handrisihana ireo vehivavy any amin'ny faritra manodidina ny renivohitra any India hanehoan'izy ireo ny heviny anaty lahatsary eo amin'ny aterineto mikasika ireo lohahevitra mahakasika azy.

Mivaky toy izao ny teny fanevan'ny WAVE: “vehivavy 30, faritra  30, lahatsary am-bilaogy isanandro”, ary noho izay indrindra, ahitàna karazana lahatsary maro samihafa miresaka lohahevitra midadasika be ao amin'ilay vohikala izay sahala amin'ny hoe avy any faritra tsirairay ao India. Ny Anjerimanontolo sy ireo ONG no nisafidy izay vehivavy handray anjara amin'ilay tetikasa fiahiana mandritra ny 9 volana, ka omena fanofanana ry zareo amin'izany, fitaovana ary vatsy kely ho tambin'ny lahatsary novokariny.

Ny filazofia fonosin'ny WAVE dia ny hoe mila henon'ny fiarahamonina misy azy ary amporisihana handalina ny olana ireo vehivavy tanora ao India, ary mandroso hatrany ho tonga mpitarika afaka manolotra vahaolana mahomby mba hahatonga ny fiarahamonina hivoatra ara-tsosialy sy ara-toekarena.

Chinju Prakash, efatra ambiroapolo taona avy ao  Trivandrum, Kerala dia miasa ho an'ny  SPACE, ONG iray mampiroborobo sy mametraka tetikasa fanofanana momba ny Media sy ny Teknolojiam-Baovao ary ny Fifandraisana vaovao. Ao amin'ny iray amin'ireo lahatsariny dia asehony antsika ny Kalavara, toerana fisakafoanana iray izay vehivavy manontolo no manodina azy ary azontsika hahenoana ny traikefa azon'ireo vehivavy ireo izay afaka mivelona amin'izany ankehitriny.

Preeti Jain , 27 taona avy ao Bilaspur, Chattisgarh. Amin'ny alalàn'ireo lahatsariny dia kendreny ny hanasongadina vondrom-piarahamonina indizena iray ao  Chattisgarh mba ho fanairana ny rehetra mikasika ny olana sedrain'izy ireo. Ao anatin’ity lahatsary manaraka ity, asongadiny ny fomban-drazana manokana ananan'izy ireo amin'ny fandrindràna fanambadiana (vady atolotra): miala amin'izay mahazatra fahita any India, ny lehilahy ao amin'ny foko Baiga dia mihaona sy mifidy izay ho vadiny mandritra ireo seho ara-tsosilay  toy ny any am-pandihizana ohatra, ary mampahafantatra ny safidiny amin'ireo ray aman-dreniny avy eo.

Salam Babina Devi dia avy any Imphal, Manipur ary mpiasa an-tsitrapo amin'ny ora feno ho anà fikambanana iray ao an-toerana mikarakara ny fampivelarana vehivavy sy ny ankizy. Ireo lahatsariny dia manasongadina ny endrika ara-kolotsaina ao Manipur, tahaka izay ao anatin'ity lahatsary momba ny dihy ity ohatra:

Ao Manipur isaky ny misy hetsika manan-danja ara-tsosialy na ara-pinoana ankalazaina dia samy manana ny endrika dihy manokana natao ho azy avy. Ireto ny topimaso amin'ireo fomba fandihy isaky ny foko, folklorika ary klasika avy amin'ireo havoana sy lemaky ny tanin'ireo razambe.

Tsidiho ny WAVE hahitàna tantara sy lahatsary bebe kokoa avy amin'ireo vehivavy avy amin'ny faritra maro manerana ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.