Azia Afovoany: “Cyber Chaikhana,” Boky Nosoratan'Ireo Mpitoraka Bilaogy

“Cyber Chaikhana” dia tetikasam-boky iray mikasika ireo mpitoraka bilaogy any Azia Afovoany sy ny fomba fahitàn'izy ireny ny any amin'ny faritra, ny kolotsaina sy ny fiainana andavanandro. Natontan'i Christopher Schwartz sy navoakan'i HIVOS, ilay boky dia fantina avy  amin'ireo fitantaràna nosoratan'ireo mpitoraka bilaogy ao amin'ny  NewEurasia.net, ilay tambajotra fitorahana bilaogy ao Azia Afovoany.

Ny tanjon'ilay tetikasa dia ny sady hahazo mpamaky betsaka ao Azia Afovoany (miteny Rosiana) sy manerantany; samy hisy daholo ny famoahana ilay boky amin'ny teny Rosiana sy Anglisy.

Ny lohatenin'ilay boky, chaikhana, dia midika hoe “Tranon'ny dite”.  Christopher Schwartz no manazava ny filaozofia fonosin'ny lohatenin'ny boky :

Cyber Chaikhana, at Bar Camp Central Asia, photo by Alexey Sidorenko

Cyber Chaikhana, at Bar Camp Central Asia, photo by Alexey Sidorenko

Araka ny efa fantatrareo hatrizay, ny tranon'ny dite dia ivon'ny fiainam-piarahamonina any Azia Afovoany. Ao an-tranon'ny dite, ny zavatra rehetra, miainga amin'ny politika ka mandalo amin'ny resa-pinoana ary hatramin'ny kilalao backgammon sy ny endri-pitafian'ny mpanao politika iray dia voaresaka manodidina ny fisotroana dite mafàna daholo. Ao amin'ny  “cyber chaihkana”-n'ny NewEurasia, mitangorona manodidina ny fitendry ireo mpitoraka bilaogintsika fa tsy dite akory, saingy midadasika lavitra kokoa ny vokatra : raha eo an-toerana ihany no voarakotry ny  chaikhana nentim-paharazana, ny aterineto kosa dia tranon'ny dite maharakotra ny faritra manontlo.

Ny dikanteny Rosiana amin'ny  Cyber Chaikhana dia naseho nandritra ny BarCamp 2011 ho an'i Azia Afovoany, hetsika momba ny teknolojia natao tao Almaty. Tanaty valan-dreska fohy niarahana tamin'ny  Global Voices, Christopher Schwartz dia manazava ny anton'ny maha-zava-dehibe ny feon'ireo mpitoraka bilaogy amin'ny fampahafantarana ny faritra, ary ny fomba ahafahan'ny resaka atao anaty aterineto mandresy ny atao hoe “orientalisme”:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.