Mozambika: Noravan'ny polisy tamin-kerisetra ny grevy

Ny 6 aprily, mpiasa ao amin'ny sampana polisin'ny Repoblikan'i Mozambika – Hery Vonjy Taitra ( Force d'Intervention Rapide)  – no nampiasa herisetra mba handrava ny fihetsiketseham-panorenana nataon'ireo mpiasa amina orinasa momba ny Fiarovana olo-tsotra Group Four Security (G4S).

Toa hita fa ny G4S dia nampidina ny karaman'ireo mpiasany, ary mitaraina izy ireo ankehitriny noho ny faharatsian'ny toe-draharaha nanomboka ny volana jona 2010. Tamin'ny fihetsiketsehana, nitaky ny karamany izay efa nahenan'ny mpampiasany tsy ara-drariny ireo mpiasa, ary koa nitaky ny tambim-pialan-tsasatra sy ora fanampiny iasana .

Screenshot from the video featuring FIRs violent intervention. Available on Youtube by verdadetruth.

Sary mipoitra voalohany amin'ny horonantsary mampiseho ny firotsahan'ny FIR an-tsehatra feno herisetra, afaka jerena ao amin'ny Youtube navoakan'i verdadetruth.

Ao amin'ny Facebook, nanambara ilay mpahay lalàna Hbro Chipas fa tsy ara-dalàna ny fihetsikehana ataon'ireo mpiasa, satria tsy nanaja ny sori-dalana “voalazan'ny lalàna”. M. Chipas nandinika ny toe-draharaha, izay nilaza fa misy  “fahitana roa” [amin'ny teny portiogey] manoloana ny zava-misy :

a da violência gratuita protagonizada pelos agentes da FIR, e a outra, os estragos perpetrados pelos seguranças

Voalohany, ny herisetra tsy ara-drariny nataon'ireo mpiasan'ny Hery Vonjy Taitra (FIR), ary ny faharoa, ny loza naterak'ireo mpiambina.

Tamin'ny resadresaka tao amin'ny  Facebookn'ny gazety @Verdade, nanamafy ny fahitan'i Chipas ilay mpaka-sary Hugo Costa.

Uns acham que “fazer greve” significa que têm o direito de agir como selvagens e vandalizarem tudo o que encontram pela frente destruindo propriedade privada e agredindo quem não tem nada a ver com o que reivindicam; e os outros acham que “intervenção policial” significa ter luz verde para demonstrações de violência gratuita e abuso de autoridade gozando de plena imunidade!!

Mihevitra ny andaniny fa “ny fanaovana fihetsiketsehana” dia midika fa manana zo hitondra tena tsy mendrika sy hamotika izay rehetra hita ka manimba ny fananan'olo-tsotra sy mandrangitra ireo izay tsy tafiditra amin'ny fitakiana atao: ary ny ankilany milaza fa “ny firotsahan'ny polisy” dia midika fahazoana alalana amin'ny fampisehoana herisetra maimai-poana sy fanararaotam-pahefana noho ny tombotsoa amin'ny tsy fanasaziana” !!

Tsy misy ifandraisany amin'ireo “fahitana roa ireo”, tsikaritr'i Chipas ny fihetsika feno herisetra ataon'ireo polisy amin'ny mpanao fihetsiketsehana, ary nanampy izy hoe:

espero que as autoridades competentes nao fiquem impávidas e serenas perante essa situação deveras chocante. Aquele senhor  nao constituía nenhum perigo futuro nem iminente, não fornecendo qualquer tipo de resistência.

Inoako fa tsy hijanona hipetraka sy hangina ireo tompon'andraikitra manam-pahefana manolona izao toe-javatra mampalahelo izao. Tsy ho loza amin'ny hoavy na mananontanina io rangahy io, tsy mampiseho karazana fanoherana mihitsy.

Tao amin'ny horonantsarin'ny TVM, hita ny famaizana arahina herisetra ataon'ireo Hery Vonjy Taitra izay namono ny mpiambina ny G4S nefa efa tsy mihetsika sy nampidirina tao anatin'ny fiaran'ireo polisy.

Nampiseho fihetseham-po feno hakiviana ny horonantsary tao amin'ny  valan-tserasera, ary indrindra tamin'ny Facebook izay Mozambikana marobe sy vahiny no nampiseho ny alahelony manoloana ny herisetra toy izao.

Tononina ny fanambaran'ny [pdf] Liga Moçambicana de Direitos Humanos (LDH) [Fikambanana miaro ny Zon'olombelona] – izay mitaky ny anaovana fanadihadina ho an'izay tompon'andraikitra tamin'ny loza sy ny fandroahana ny lehiben'ny Hery Vonjy Taitra, ny jeneraly Binda – nanoratra ilay psykology Linette Olofsson hoe:

inaceitável num Estado de Direito! Faz-me lembrar dos tempos da ditadura em Moçambique, 1975-1994 onde não se respeitava os Direitos Humanos; (ainda hoje são violados com se vê) O comandante da FIR deve ser demitido imediatamente. Segundo a LDH, este mesmo Comandante fez estragos na Província de Nampula. O nosso Estado ainda é dominado por militaristas camuflados de democratas! São horríveis estas cenas.

Tsy azo ekena ao amin'ny firenena tan-dalàna! Mampatsiahy ahy ireo fotoanan'ny didi-jadona tao  Mozambika tamin'ny taona 1975-1994 izany, raha tsy voahaja ny zon'olombelona; (na ankehitriny aza dia mbola tsy voahaja araka ny hitatsika). Tokony hiala amin'ny asany ny lehiben'ny Hery Vonjy Taitra izao dia izao. Araka ny hevitry ny LDH, io lehibe io ihany no nanao fanakorontanana tao amin'ny faritanin'i Nampula. Anjakazakan'ireo tia fitondrana miaramila miafina ho demokraty ny Firenentsika ! Mampatahotra izany endri-javatra izany.
Relatório da Amnistia Internacional "Licença Para Matar - Responsabilização da Polícia em Moçambique" (2008) .pdf

"Ny polisy no atahoran-ny olona kokoa noho ny mpamono olona", tatitra nataon-ny Amnesty International "Afaka mamono – Mangataka zavatra amin-ireo polisy ao Mozambika" (2008) .pdf

Ao Mozambique, tsy misy zava-baovao ireo herisetra vitan'ny polisy izay nandrasana ny fametrahana ny filaminana ara-dalàna, araka ny voamarin'ny tatitra navoakan'ny Amnesty International tamin'ny taona 2008  – Zo hamono olona. Herintaona taty aoriana, tamin'ny 2009, tatitra hafa an'ny Amnesty – “Tsy mino ny fitsarana intsony aho” (Já não acredito na Justiça [amin'ny teny portiogey sy teny anglisy])- nilazalaza ny amin'ireo karazana “tranga famonoan'olona vitan'ny polisy tao Mozambika”.

Toe-draharaha mitovy ny nahazo ireo mpiasa tao amin'ny G4S koa no niseho tamin'ny volana aprily 2009, raha nitifitra ireo mpanao fihetsikitsehana tao amin'ny tranobe ireo polisy [amin'ny teny portiogey]. 

Toy izany koa tamin'ny fikomiam-bahoaka ny 1 sy 2 septembra 2010 (jereo ny lahatsoratra de Global Voices) nitifitra ireo mpanao fihetsiketsehena ny polisy, namono olona 11, araka ny  tatitra [amin'ny teny portiogey] nataon'ny Foiben'ny Fitsinjovana ny Vahoaka (Intégrité Publique).

Ofélia Macie, mpianatra, nilaza hoe:

Estes polícias pensam que podem fazer o que quiserem e nada é feito por eles…eu pessoalmente ja vi 2 polícias em Tete agora em fevereiro batendo em dois miudos dos seus 12 e 13 anos de idade so porque não tinham BI, aí sairam chapadas, murros, pontapés e ate bateram-lhes com a própria AKM, quando viram que os miudos ja estavam a sangrar levaram-nos para a 1ª Esquadra… eu pergunto eles estao para proteger, fazer justiça? ou para pôr terror a população?? E estes da FIR são os piores selvagens!!

Mihevitra ireo polisy fa afaka manao izay tiany atao ka tsy ho voasazy mihitsy…Nahita polisy 2 ambony aho nikapoka ankizy lahikely 2 izay 12 sy 13 taona noho ny antony manokana tsy nananan'izy ireo karampanondro, araka izany dia nomeny totohondry sy daka izy roa lahikely ary noveleziny tamin'ny basy AK, ary raha nahita azy ireo niboba rà ny polisy dia noentiny teny amin'ny commissariat avy eo… Manontany tena aho hoe hiaro ve no antom-pisiany, sa hitsara ? Sa hampihorohoro ny vahoaka? Maharikoriko kokoa  ireo FIR ireo!!

Nandritra ny firotsahan'ny polisy manohitra ireo mpiasan'ny G4S, mpanohitra 24 no notanana ary notazonina am-ponja tao amin'ny distrika faha-18 ny polisy. Vaovao tsy voamarina no nanambara fa mpiasa tao amin'ny G4S no namoy ny ainy noho ny herisetra niaretany nandritra ny firotsahan'ny polisy. Amin'izao fotoana izao, ireo mpiasan'ny FIR rehetra dia mbola hita mirehareha eny hatrany.

Mahakasika ny fahafatesan'ilay mpiambina ny orinasa, niantso fanentanana tao amin'ny Facebook i Inusso Mario Jojo Mutambe

toda G4S a nível nacional deveria fazer uma marcha contre la FIR

Tokony hanao diabe ho fanoherana ny FIR ireo rehetra momban'ny G4S eto an-toerana

Naneho ny fahatezerany i Celso Miguel mpahay serasera sy varotra

até quando teremos de viver com essas impunidades??? uma vida se foi, uma mulher ficou viúva, crianças ficaram sem pai, o país perdeu um cidadão… esses polícias se esquecem que os impostos que aquele indivíduo descontava, todo santo mês, servia também para pagar o salário dele??? nunca soube! sinceramente, quem se responsabiliza????? QUEM????… é revoltante ver uma coisa destas acontecer no nosso país!!!! Quem nos devia defender é quem nos mata!!!!

Hatramin'ny rahoviana isika no hizaka tsimatimanota ??? Aina nafoy, vehivavy nanjary mpitondratena, ankizy navela ho tsy manan-dray, olom-pirenena very… tsy mba fantatr'ireo polisy ve fa ny haba aloan'io olona io isam-bolana izay nataon'Andriamanitra dia mba andoavana ny kamaran'izy ireo ??? tsy mba fantany izany! Fa iza marina tokoa no tena tompon'andraikitra ???? ENY ????… mampalahelo tokoa ny mahita izao toe-javatra izao eto amin'ny firenentsika !!!! Ireo izay tokony hiaro antsika indray no mamono antsika !!!!

Araka an'i Ivone Gonçalves, misy “sakantsakana marobe” amin'ny fampiharana ny zon'ny olombelona ao Mozambika. Tsy manantena na inona na inona raha resaka fitsarana, hoy izy nalahelo :

Infelizmente o Ministro do Interior nada vai fazer para punir os agressores e como sempre vão ficar impunes porque não existe justiça no nosso País. A justiça só funciona para o ladrão de galinha!

Indrisy fa tsy nandray fepetra ny minisitry ny Atitany mba hamaizana ireo mpanao herisetra izay manararaotra ny tsy fanasaziana satria  tsy misy Fitsarana marina eto amin'ny firenentsika. Tsy manao ny asany ny Fitsarana raha tsy amin'ireo mpangalatra akoho !

Ho fehin'izany, Boa Matule niantso ny firaisankina hanoherana ny fampitahorana :

Isto é resultado de uma força politizada e cujo único objectivo é intimidar as pessoas! Mas a verdade é que nós somos maiores que eles! Unidos podemos revolutionar Moz [Moçambique].

Izao no vokatry ny tafika nampiasaina ho fitaovana politika izay hampihorohoro no vahoaka ny tanjona tokana kendrena! Fa raha ny marina dia isika no mbola lehibe sy matanjaka noho izy ireo! Hiray isika mba hanova an'i  Mozambika

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.