Azerbaijan: Novruz Bayramı

Nomarihina indray ny Novruz, fialan-tsasatra ankalazaina any Iran, Afghanistan sy any amin'ny firenen-kafa, any Azerbaijan tamin'ny 21 Martsa  izay efa nanomboka tamin'ny herinandro talohan'ny lahatsoratra teo amin'ny Global Voices teto ary amin'ny antsipirihany eto. Tsy nisy fiovana tamin'ity taona ity ary miresadresaka momba ny lanonana indray ny Mpilatsaka an-tsitrapon'ny Corps de la paix (PCVs) teo amin'ny repoblika Sovietika teo aloha . Mampahafantatra ny mpamakiny mikasika ny Novruz i ALOINK IN AZERBAIJAN, PCV miorina any amin'ny tanàna rezionalin'i Lankaran.

Arahabaina daholo isika rehetra tratry ny Novruz! 20 sy 21 Martsa no andro roa izay natokana amin'ny fomba ofisialy hankalazana ny Novruz hampiditra amin'ny taom-baovao. Betsaka ny fomba amam-panao miaraka amin'io fotoam-pialan-tsasatra io, ary ahitana ihany koa fialam-boly maro. Mamboly karazam-bozaka ny ankamaroan'ny fianakaviana izay jerena toa mandrobona be, isan-taona ary mamboly azy ireo eo an-tokontany amin'ny fanombohana vaovao. […] Mitombo tsara ny bozaka toa an'ireny an'ny biby fiompy ao an-trano Chia ireny, miaraka amin'ny masomboly napetraka eo afovoan'ny lovia misy tany, nosaronana lamban'akanjo manify, ary notondrahana foana mandra-pitombony. Ny tena mahasamihafa azy mazava ho azy dia, izy ity tsy mitombo fotsiny araka ny haben'ny biby na zavatra hafa hoatra izany. fa dia hoe ny haben'ny lovia misy azy, mahazatra dia hoe karazana boribory.

Ny karazana fomba amam-panao izay azonao eritreretina ihany koa dia ny sakafo. Araka ny efa nambarako teo aloha, dia manana ny sakafo malazany ihany koa i Lankaran izay antsoina hoe lavangi izy sahala amin'ny hoe zavatra miaraka amin'ny akoho na trondro. Tena matsiro izy io ary iray amin'ireo sakafo tena tiako be, raha tsy hoe izy mihitsy aza no tena faran'izay tiako. Ka mahandro vary indray mahamasaka izy miaraka amina voaloboka mamy eo amboniny, ary ampiarahana amin'ny trondro na akoho lavangi, ary zavatra hafa izay tsy haiko tsara ny anarany. Tsara daholo izy ireo, na izany aza, miezaka foana aho ny tsy maka trondro raha mbola azoko atao. Safidy manokana fotsiny iny ny ahy. Mahandro bolongana siramamy sy mofomamy ihany koa izy ireo amin'ny tsindrin-tsakafo izay tena tsara lalandava ary tena inoako fa adala mihitsy aho nihinana azy ireo niaraka tamin'ny akoho rehetra, ny vary sy ny tsindrin-tsakafo izay nohaniko.

[…]

Ity no iray amin'ireo fakan-drivotra tena goavana ary misomebiseby ny rehetra amin'izany, izay tena mahavariana mihitsy.Mahazo andro efatra tsy iasana ihany koa izahay amin'izany, ka iza moa no tsy ho faly amin'izany? […]

Ankizy foko Azeri manao akanjo nenti-paharazana ho aminny Novruz © Onnik Krikorian

Nahita fitovizana amin'ny fomba amam-panao amin'ny fodiana an-tanindrazana toy ny Paka sy ny Trick na Treet mandritra ny Halloweenihany koa ny Asan'ny Olona Hafa .

Fahatsiarovana ny kolontsain'ny taranaka Zoroastriana ity fialan-tsasatra Azeri ity – fankalazana ny fiainana vaovao azo avy amin'ny fidiovana amin'ny rano, ny afo, ny tany ary ny rivotra. Manomboka amin'ny Talata voalohan'ny volana Martsa miaraka amin'ny plov (sakafo nasionaly – matetika vary) sy fandinganana afo – ara-bakiteny ny fanokafana azy amin'ny fomba tsy ofisialy. Ary mitohy izany isaky ny Talata mandra-pahatongan'ny herinandro fahaefatra (20 – 28), ary mandritra izany dia tsy misy olona miasa ary miara-mikorana ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina. Ireto ny vitsivitsy amin'ireo fomba amam-panao Novruz ireo: ny fambolena ny samani (taho na bozaka-na varimbazaha na lafarinina) hanehoana ny fiavian'ny fiainana vaovao miaraka amin'ny Lohataona, “Lohataona” manala ny taloha ary manomboka amin'ny madio sy vaovao, atody maty – lalaon'olon-droa izay samy mitondra ny atodiny maty avy nangotraka miaraka ary izay mamaky ny azy voalohany no mandresy, fanangonana vatomamy isam-baravarana – mitety ireo trano manodidina ireo ankizilahikely, manala ny lambany ary mametraka izany eo amin'ny tokonam-baravarana, mandondona ary mitsoaka avy eo…fenoina vatomamy ny lambany avy eo, ayr miverina ilay zazalahikely maka izany rehefa mikatona indray ny varavarana – feo hoatry ny efa mahazatra e? Mino aho fa betsaka ny adinoko, fa ho azonao amin'ny sary..

Miresaka mikasika ny fanomanana i East Meets West Meets Girl .

Miaraka amin'ity andro miharatsy ity, toa manjary tapatapaka koa ny fiavin'ny herinaratra, tsy mampilaza mialoha. Nanakorontana ny vehivavy teo amin'ny tanàna ny fahatapahan'ny herinaratra satria izy ireo niezaka ny nanao mofo ho an'ny fotoana ho avy: Novruz – fankalazana ny taona vaovao/lohataona. Amin'ity herinandro ity ny Novruz; ary herinandro izay tsy azo tsinontsinoavina izany na ho te tsy ho hasiana hasina. Manambatra ny singa rehetra amin'ny kolontsaina Azerbaijani ny Norvuz ary mametraka izany soa amantsara eo amin'ny khoncha. Latabatra Norvuz eo am-povoan-trano ny khoncha. […] Misy dikany daholo ny zavatra rehetra eo amin'ny khoncha ary na dia hoe ratsy, efa ela, na mifanohitra amin'ny mety ho hita aza, dia mahita lalana ny hiarahana foana izy ireo. Eo amin'ny ivo ny fianakaviana ho an'ny kolotsaina Azerbaijani. Mifanasoa ny tsirairay, ary rehefa raisin'ny fianakaviana Azerbaijani ianao, dia fianakaviana foana. Raha ny fahitan'ny Azerbaijani azy, dia ireo izay tsy any an-trano/tsy ao anaty trano amin'ny Novruz/dia tsy hanana trano izy mandritra ny fito taona amin'ny andron'ny Taom-Baovao. Ny bozaka maniry sy ny atody maty no maneho ny lasan'ny Zoroastriana any Azerbaijan. Avy amin'ny fomba fanao Silamo indray ny mandingana im-pito ny afo. Nanjary fanao eo amin'ny fiaraha-monina ny manao zavatra mamy, miaraka amin'ireo vehivavy mandany andro mifanampy manao zava-mamy anjatonjatony. Ny voanjo, izay mandreraka ny mihinana azy, no maneho ny hamafin'ny fiainana indraindray, nefa kosa misy ny fankasitrahana amin'ny faharetana. Ary mazava ho azy, fa ny vehivavy sy ny tovovavy miasa mafy any Azerbaijan no manao izany fikarakarana.

Tsy eo amin'ireo Azerbaijani any Azerbaijan ihany no mankalaza ny Novruz. Ao ve ianao, Marina? Izaho ihany ity, Jefferson miresadresaka mikasika ny fialan-tsasatra eo amin'ny foko Azeri indrindra, tanànan'i Marneuli any Zeorzia izay ankalazana ny fialan-tsasatra amin'ny fomba ofisialy ihany koa.

ka ny Alatsinainy izany no Novruz Bayram, fankalazana ny lohataona sy ny taom-baovao Azeri. […] Mpihira pop Azeri malaza, Manana, no ho avy eo an-tanànanay, miaraka amin'ny Zeorziana sy ny filoha Azeri! Manao indray mijery ny tranon'ny fanatanjahantena vaovao izy ireo avy eo, izay notohanan'ny governemanta Azeri, miaraka amin'ny fankalazana an'ity fialan-tsasatra ity. Nodiovin'izy ireo avokoa ny hazo rehetra, nolokoina ny marika eny amin'ny lalana sy ny zavatra rehetra tokony hiloko, sy diovina. Nanjary toa nadio ivelany tsikelikely izany ny tanànako. Niresaka tamin'iray amin'ireo mpianatro aho, ary ary gaga aho fa mety ho mpikambana amin'ity fanatanjahantena vaovao ity aho , raha ho vita!

[…]

Betsaka ny fotoana lany ao anatin'ny iray andro, ary faly aza aho milaza hoe tena manararaotra izany mihitsy aho. Mirary Novruz sambatra ho antsika rehetra!

Farany, Te hisaotra ny mpitoraka bilaogy ny Mpanoratra Global Voices any Kaokazy noho ny fampiantranoana tamin'ny fitsidihana tany Marneuli mba hakana sary ny Novruz. Ireto ambany ireto ny sary sasany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.