- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanalahidy Hamongorana Ny Hanoanana Eran'Izao Tontolo Izao Ve Ny Fandrisihana Ny Vehivavy?

Sokajy: Afrika Mainty, Azia Atsimo, Filipina, Ghana, India, Nepal, Oganda, Fampandrosoana, Sakafo, Tontolo_iainana, Vehivavy sy Miralenta

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo nangatahan'ny Pulitzer Center/Global Voices Online ho soratana tanatinà andian-dahatsoratra momba ny Tsy Fanjariana Ara-tsakafo [1]. Ireny tatitra ireny dia fakàn-kevitra ho amin'ny fanadihadiana anaty multimedia nokarakarain'ny Pulitzer momba ny Tsy Fanjariana Ara-tsakafo [2] sy ny mpitoraka bilaogy maro miresaka momba ireny olana ireny manerana izao tontolo izao. Zarao etoana ny tantara manokana avy any aminao mikasika ny tsy fanjariana ara-tsakafo [3].

Satria ny vidin-tsakafo eran-tany dia mitohy hatrany mijanona ho avo [4], ary mbola hita eny am-paratazana ny fisondrotana noho ny sondro-bidin'ny solika sy ny tahirin-tsakafo [5], milaza ireo manampahaizana manokana fa misy vahaolana izay matetika no tsinontsinoavina azo iadiana amin'ny hanoanana: ny vehivavy.

Ny hantsana eo amin'ny Lahy sy Vavy

Woman farmer harvesting high yielding maize variety. Image by Flickr user IITA Image Library (CC BY-NC 2.0). [6]

Vehivavy mpamboly mioty karazan-katsaka manome vokatra betsaka. Sary avy amin'ny tahirin'ilay mpampiasa Flickr IITA (CC BY-NC 2.0).

Manana toerana iankinan'ny aina ny vehivavy eo amin'ny famokarana sakafo any amin'ny tany an-dalam-pandrosoana maro, manome ny salan'isa 43% amin'ny hery afaka mamokatra eny ambanivohitra. Ny sasany maminavina fa 80 isan-jatony [7]amin'ireo no eo anivon'ny sehatry ny fambolena any Afrika ary 60 isan-jatony ny ao Azia no vehivavy daholo.

Nandritra ny fifanakalozan-kevitra Envision tamin'ny herinandro lasa tao an-tananan'i New York, tao anatinà lohahevitra nibanjinana ny anjara toeran'ny vehivavy amin'ny fampihenana ny hanoanana sy ny fahantràna, ny Lefitry ny Sekretera Jeneraly sady Mpandrindra mpiara-mitantana ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana , Rebeca Grynspan, dia niteny hoe: :

Na dia ny faritra ambanivohitra fotsiny aza no resahana, ny vehivavy no mamokatra ny 50 isan-jaton'ny sakafo eran'izao tontolo izao. 1 isan-jato monja amin'ny fampindramam-bola no mba azon-dry zareo, kanefa dia mamokatra ny 50 isan-jaton'ny sakafo izy ireo.

Manampy io tsy fahampian'ny fankasitrahana io, tatitra iray nivoaka tamin'ny volana lasa [8] avy amin'ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo (FAO) no miteny fa na dia miovaova araka ny faritra aza ny anjara toerana misy ny vehivavy, dia mitoetra foana ny fahateren'ny fahafahan'izy ireny mahazo famatsiam-bola sy fanohanana raha miohatra amin'ireo lehilahy mpamboly toa azy. Ny fanafoanana io hantsana io dia mety hanavotra olona 150 tapitrisa amin'ny hanoanana.

Ma. Estrella A. Penunia, nanoratra tao amin'ny vohikalan'ny Fikambanan'ireo Tantsaha Aziatika ho amin'ny Fampandrosoana Maharitra ny eny Ambanivohitra, dia mitanisa antony enina fototra [9] tokony hijerentsika / hikarakarantsika ireo vehivavy tantsaha, tafiditra anatin'izany ny olan'ny fiahiana ara-tsakafo. Mandritra izany fotoana izany, Emily Oakley, tantsaha avy any Etazonia izay nianatra momba ny fandraharahana madinika eny ambanivohitra tany aminà firenena ampolony eo ho eo, dia mandinika mikasika ireo vehivavy tantsaha [10] ao anaty lahatsoratra In Her Field (Eo amin'ny taniny) nosoratany tao amin'ny bilaoginy:

Tany amin'ny ankabeazan'ireo toerana notsidihako, manoatra lavitra mihitsy noho ny mpitazam-potsiny ny asa eny an-tsaha ireo vehivavy; mirotsaka an-tsehatra ry zareo manampy ny vadiny amin'ny asa andavan'andro, ny fandraisana fanapahan-kevitra sy fandaminana. Tany Kenya, zavatra mahazatra ny mahita vehivavy tokantena mibaby zaza eo an-damosiny miasa tany aminà lapika tsy araham-badiny. Any aminà tanàna lavitr'andriana iray any Nepal Andrefana ( lavitra midika hoe dia an-togotra tapak'andro ianao vao tonga amin'ny arabe akaiky indrindra), ny tantsaha izay neken'ny rehetra tao an-tanàna fa nitondra fiovàna dia vehivavy. An-tehezam-bohitra iray no misy ny toeram-piompiany, toy ny toeram-pitodiana kelin'ny fandrosoana sy ny fahasamihafàna, toerana izay iainan'ny hafa ny fikorotsahan'ny tany sy ny tsy fahampian'ny tsiron-tany intsony. Tsy ela akory izay dia nandray anjara taminà atrikasa niarahan'ny mpamboly aho tany amin'ny Repoblika Dominikana, nibanjinana ny vehivavy tantsaha mamokatra sakaibe mitodika amin'ny tsenam-barotra. Andran-tsira fotsiny ihany amin'ny asan'ny vehivavy ao amin'ny sehatry ny fambolena io.

Sakafo ho an'ny fianakaviana manontolo

Maro amin'ny vehivavy no miasa ho toy ny tantsaha mpamokatra izay ilaina fotsiny, na mpandraharaha madinika, mpiasa tsy mandray karama na mpanao asa an-tselika. Ny fanomezana ireny vehivavy ireny ny fitaovana sy tohana mitovy amin'ny azon'ny lehilahy, tafiditra amin'izany ny fahazoana miditra amin'ny tolotra famatsiam-bola mendrika, fitaovana ara-teknika, tany, fanabeazana sy tsenam-barotra, dia afaka mampakatra ny vokatra ara-pambolena any amin'ireo tany andalam-pandrosoana hiala avy amin'ny 2.5 ho any amin'ny 4 isan-jato, raha araka ny tatitry ny Firenena Mikambana. Ireny tombony amin'ny vokatra ireny, ho setrin'izay, dia afaka mampidina ny isan'ireo olona noana ho 12 hatramin'ny 17 isan-jato, na 100 hatramin'ny 150 tapitrisa olona. Vinaina ho 925 tapitrisa eo ny olona zara raha mihinana maneran-tany tamin'ny 2010.

Ny fandrisihana ny vehivavy dia mety koa hanatsara ny fiahiana ara-tsakafo ho an'ny ankohonan-dry zareo manontolo, hoy ilay tatitra, satria ny vehivavy no mampiasa misimisy kokoa ny vola miditra amin'ny resaka sakafo, fanabeazana na filàna fototra ho fampandehanana ny tokantrano raha miohatra amin'ny lehilahy. Nefa i Dipendra Pokharel, mpikaroka iray ao Nepal, dia miteny ao amin'ny bilaoginy fa ny andraikitra raisin'ny vehivavy ao an-tokantranon'izy ireny dia mety hidika koa fa tsy dia noheverina loatra [11] ny filàn-dry zareo :

Matetika ireo vehivavy tantsaha no manana laharam-pahamehana hafa mihitsy mitaha amin'ny an'ny vadin-dry zareo, ary io, amin'ny lafiny maro, dia mifandray mivantana amin'ny anjara andraikitra rasin'izy ireo mivantana amin'ny fanohanana ara-tsakafo ny ankohonany. Any amin'ny faritra ambanivohitr'i Nepal, raha araka ny fomban-drazana dia misahana ny tontolo ivelany ny lehilahy ary an'ny vehivavy ny ao anatin'ny trano. Ny fomba fijery nentim-paharazana toy izany dia manome vahana ny fitongilanana amin'ny fahazoam-baovao eo amin'ny lahy sy ny vavy, angonin'ireo vahiny te-hanampy vondrom-piaraha-monina iray. Mazàna dia ny lehilahy no manome valinteny ho an'ireo zavatra tian'ny vahiny ho fantarina. Midika izany fa matetika no atao anjorom-bala ny laharam-pahamehan'ireo vehivavy, raha tsy hoe raisina manokana ho ao anaty kajikajy izy ireny. Io koa dia manohana ilay fomba fijery hoe kely kokoa ny tolotra fanitàrana ilaina azon'ireo vehivavy tantsaha mba hanovàn-dry zareo ny rafitra famboleny nifototra fotsiny tamin'ny velontena ka hirona kokoa ho amin'ny famarotana.

Miasa aminà seha-pamokarana kelikely kokoa noho ny an'ny lehilahy ireo vehivavy tantsaha, mety ho ny antsasany fotsiny na ny roa ampahatelony raha be indrindra, araka ilay tatitra, ary matetika ny seha-pamokarany no zara raha mitera-bokatra. Tsy dia manam-pahafahana hanana tany ho azy manokana koa izy ireny na hanofa tany. Ilay tatitra dia mampiseho, ohatra, fa ambanin'ny 5 % no isan'ny vehivavy mpandraharaha ara-pambolena any Azia Andrefana sy Afrika Avaratra.

Jane Tarh Takang, izay niara-niasa niaraka tamin'ireo tantsaha tany Afrika Andrefana sy Afovoany, dia miresaka ireo olan'ny fananan-tany [12] tao anatin'ny resadresaka nifanaovany tamin'i Edith Abilogo nakarina tao amin'ny FORESTSBlog, ilay bilaogin'ny Ivontoerana Iraisam-pirenena Fikarohana momba ny Ala:

Any anatin'ny ankamaroan'ireo vondrom-piarahamonina ao Afrika, voafetra dia voafetra ny fahafahan'ny vehivavy sy ny ankizivavy miditra amin'izany fizakam-panànana sy fanànana tany izany raha ampitahaina amin'ny tovolahy sy ny lehilahy. Rehefa tsy misy tany, tsy afaka miantoka ny ara-tsakafon'ny ankohonany na mamorona fidiram-bola izy ireny, ary izany dia miteraka tsingeringerim-pahantrana hatrany amin'ny taranak'izy ireo. Ratsy be io fiantraikany io ho an'ireo mananon-tena na vehivavy tsy manambady… Raha amin'ny tranga hoe efa lanin'ireo seha-pambolena goavana ny tany azo volena, aleon'ny lehilahy mitazona ny faritra mahavokatra ho azy ireo manokana ka mamela ny sisa tsy dia mamokatra ho an'ny vehivavy.

Elfinesh Dermeji, vehivavy tantsaha Etiopiana iray izay nanatrika ny Atrikasa momba ny Maha lahy na Maha-vavy sy ny Asa Fambolena mitodika mankamin'ny Tsenam-bokatra natao tany Addis Abeba tamin'ny fiandohan'ity taona ity, dia manambara ao anatinà lahatsoratra iray ao amin'ny New Agriculturist (Tantsaha Vaovao) fa tsy mora hatrany akory [13] ny mampandray andraikitra ireo vehivavy amin'ny resaka fambolena:

Any anatin'ny fianakaviana sasany rehefa manaiky ry zareo lehilahy ary maniry ny handraisan'ny vadin'izy ireo anjara, dia ny vehivavy indray no tsy manana ilay toe-tsain'ny fandraharahana na tsy marisika. Amin'ny lafiny iray hafa dia misy lehilahy, rehefa ny vehivavy no marisika ary maniry ny handray anjara, tsy ankasitrahan-dry zareo ny handaozam-badiny ny tokantrano. Aleon-dry zareo tsy manana an'izay fanampim-pidiram-bola izay toy izay hahita ny vadin-dry zareo hiditra handray anjara anaty fikambanana iray.

Fikaroham-bahaolana

Kanefa, maro ireo tetikasa erantany no andraisan'ny vehivavy tantsaha anjara, miainga amin'ny fandrisihana ny vehivavy ao Ghana hividy fiara vaventy fanatanterahana asa “tracteurs” [14] hatramin'ny fanerena ny governemanta Filipiana mba hamela ny anaran-dramatoa ho azo apetraka [15] ao anaty taratasy fananan-tany ka hatramin'ny fampitomboana ny fampiasàna ny teknolojiam-baovao sy fifandraisana [16] eny anivon'ny tantsaha Ogande.

Ao amin'ny OneWorld South Asia, Ananya Mukherjee-Reed mamaritra ny fomba nataon'ireo mpikambana 250,000 ao amin'ny Kudumbashree, tambajotra iray misy vehivavy 3.7 tapitrisa any amin'ny faritra Indiana ao Kerala, nananganan-dry zareo fambolena iraisana [17] mba hiarahana manofa sy mamboly ny tany:

‘Amin'ny maha vehivavy tantsaha, izahay ankehitriny no mitantana ny fotoananay, ny loharanon-karena sy ny herim-pamokarana’, izany no reko noventiventesina hatrany hatrany. Dhanalakhsmi, vehivavy tanora iray ao Elappully, milaza amiko fa ny fiovàna eo amin'ny anjara andraikiny niàla tamin'ny maha mpiasa tsotra ka lasa mpamokatra dia tena nisy fiantraikany lalina teo amin'ireo zanany. Hafa mihitsy ny fomba fijerin'izy ireo ahy ankehitriny. Rehefa mba mifamory izahay miresaka momba ny asa fihariana, ny fidiram-bolanay, na mifampizara tsotra fotsiny ny olna mitranga, dia amim-pahalinana tokoa no hijeren'izy ireo ahy’

Nefa miteny ireo mpitoraka bilaogy fa mbola maro no azo efaina. Ao anaty lahatsoratra iray Solutions (Vahaolana), Yifat Susskind manohana fa Etazonia dia tokony hividy ireo vokatra avy amin'ny tantsaha Afrikana [18] ho tahaka ny fanampiana ivelany ataon-dry zareo. Dipendra Pokharel milaza fa ireo vehivavy eny ambanivohitra dia tsy maintsy hahazo toerana ara-tsosialy sy politika [11] eny amin'ny sehatra tsy miankina sy ara-panjakana. Melissa McEwan, mitoraka bilaogy ao amin'ny Shakesville avy any Etazonia, manohitra ny hevitra raiki-tampisaka hoe ny lehilahy irery ihany no tantsaha, amin'ny fanambatambàrana efa ho sarim-behivavy tantsaha 100 manerana izao tontolo izao [19]. Ilay tatitra dia milaza fa ilaina koa ny fanovàna eo amin'ny sehatra politika.

Na inona na inona fomba atao, miteny i Ma. Estrella A. Penunia fa raha tena tiana marina ny hahatafita an'io dia tokony ho azon'ny rehetra irotsahana [15]:

Satria ny asa eny an-tsaha dia ezaka ifarimbonan'ny fianakaviana manontolo any amin'ireo tany andalam-pandrosoana, ny zavatra iray lehibe mety hanampy koa ny vehivavy tantsaha dia ny fanohanana ataon'ny vadin-dry zareo azy ary fisian'ny lehilahy mitarika / mikambana any anatin'ireo fikambanan-dry zareo. Ao anatinà fitantanana izay iarahan'ny lehilahy sy ny vehivavy mitondra ary hahatsapany ny fifamenoana sy fitovian'ny roa tonta eo amin'ny zo sy fahafaha-manao, dia voatrandraka tanteraka amin'ny tokony ho izy ny tena fara-fahaizan'ny vehivavy.