- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Qatar: Fankafizana rotsak'orana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Katara, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

Tsy misy zavatra mahatonga ny olona hiresaka ankoatra ny fioan'ny toetr'andro, ary amin'ny firenena anjakan'ny tanihay, inona moa no hanaitaitra ankoatra ny orana?

Nahazo sombin'orana kely ny mponina ao Qatar. Hatairana, tahotra, fikorontanan-tsaina ary faniriana mba hisiany bebe kokoa no tora-po nifangaro hita tao amin'ny Twitter.

Ny takarivan'ny alatsinainy no nitarafana voalohany ny mety ho fahatongavan'ilay fanomezana mahafinaritra tsy ho ela.

Will it rain?? Crazy Skies over Doha - Short Timelapse for IP... on Twitpic [1]@SequinMiner: [2]Ho avy ve ny orana?? Manjombona ny lanitr-i  Doha – Fotoana fohy ho an-ny IPhone http://twitpic.com/4jmcid (click to see video)

Mbola tsy nihatsara izany ny talata:

@WeatherSteff [3]: Mitorajofo ny andro eto Doha ary mbola miharatsy. Mihamandrivotra, mahatratra 50km isan'ora faraparany teo…ary mety ho avy ny orana (mety ho orambaratra?!) manomboka amin'ny enina ora hariva.

Saingy nirotsaka ny pitik'orana ny folakandro, niato sy nirotsaka hatrany nandritra ny andro avy eo.

@mukesh6582: [4] Oee Avy ny orana eto # DOHA #QATAR. 🙂 Yoppppppppppppy

Doha rain

orana ao Doha

@dohanews: [5] Avy ny orana, mirotsaka… andraso aloha, nijanona sahady #doha #rain http://twitpic.com/4jy7o3

@jmugford: [6] @dohanews Nisy tselatra teto Duhail!

@DohaCandy: [7] misy rotsak'orana eto ain khalid #doha #qatar

@hussdajani: LOL (tpt), ok, mbola manontany ihany aho….. fa Fa maninona ny toetr'andro eto Qatar? #rain #hot http://yfrog.com/h85kptjj

Rain in Doha [8]

Orana ao Doha

@mabdrabbo: [9] Orana eto Doha http://instagr.am/p/DFL5w/

@NasiminDoha: [10] Tsy maintsy miteny ihany hoe mampihomehy ny orana eto Doha ;p

@SybnDoha: [11] @NasiminDoha haha, Tsy misy eto intsony izany orana fantatrao any Etazonia izany. Tsy maintsy mahay mankafy rotsak'orana 5 segondra ianao. #Doha

@casa_fuego: [12] Mahafinaritra fa maloto indray ny fiarako #doha #rain ☹