15 Avrily 2011

Tantara tamin'ny 15 Avrily 2011

Voasambotra i Mahmood Al-Yousif, “rain'ny bilaogy” Bahraini

GV Mpisolovava  15 Avrily 2011

Fotoana fohy taorian'ny 3 ora maraina tany an-toerana, nosamborina tany an-tranony ny mpitoraka bilaogy fanta-daza Mahmood al-Yousif . Talohan'ny nialany niaraka tamin'ireo manam-pahefana, nitoraka tweet ilay mpitoraka bilaogy, "Eto amiko ny mpitandro filaminana." Samy nanamarina ny fisamborana azy na ny rahalahiny na ny zanany lahy.

Qatar: Fankafizana rotsak'orana

Tsy misy zavatra mahatonga ny olona hiresaka ankoatra ny fioan'ny toetr'andro, ary amin'ny firenena anjakan'ny tanihay, inona moa no hanaitaitra ankoatra ny orana? Nahazo sombin'orana kely ny mponina ao Qatar. Hatairana, tahotra, fikorontanan-tsaina ary faniriana mba hisiany bebe kokoa no tora-po nifangaro hita tao amin'ny Twitter.