Belarosia: Fihetseham-po taorian'ny fipoahana tao anaty metro

Nahafaty olona 12 hatramin'izao ny baomba nipoaka tao anatin'ny fiantsonana ktyabrskaya, métro any Minsk ny 11 aprily 2011 teo, ary an-jatony ireo naratra.

Vetivety kely taorian'ny loza niseho, nandray ny fampaherezana nalefa tamin'ny tweet ireo fianakaviana sy naman'ireo niharam-boina tamin'ny alalan'ny tenifototra #minsk sy #minskblast (fipoahan'ny minsk).

Nitanisa vavolombelona maromaro tao an-toerana ny BBC izay nanambara fa nanomboka teo amin'ny  “5ora58 hariva” ny alatsinainy 11 aprily,  nisy “feo mafy be” ary ny toeram-piantsonan'ny metro ao Oktyabrskaya  afovoan'i Minsk izay ahitana lalana roa mifanipika ao an-tanàna no voarakotry ny setroka.

LMinsk subway exit after the explosion. Photo by TwitPic user @mixal_by

Fivoahana ao amin'ny métro ao Minsk taorian'ny fipoahana. Sary tao amin'ny TwitPic de @mixal

Raha mbola tsy  fantatra tany am-boalohany  izay toerana mety misy ny baomba na tao anatin'ny fiaran-dalambin'ny metro na teo ivelany amin'ny  sisin'ny fiantsonana, nitatitra ny Sampan'asa Rosiana BBC [amin'ny teny rosia] fa fiaran-dalamby roa no nijanona teo amin'ny fiantsonana tamin'ny fotoana nitrangan'ny loza , ary nampiseho ny iray tamin'ireo horonan-tsary voalohany taorian'ny loza. Nolazain'ny governemanta belarosiana fa toy ny “asa fampihorohoroana” ny fanapoahana baomba niseho.

Nitatitra ny mpanao gazety ao Minsk amin'ny Gazeta.ru [amin'ny teny rosia] fa tsy navelan'ireo mpanao politika nanatona ny faritra mifanakaiky amin'ny metro ireo mpanao gazety :

На месте ЧП милиция отбирает фотокамеры и сотовые телефоны у людей, которые пытаются снимать происходящее. «Милиция действует очень жестко.»

Teo an-toerana, nalain'ireo polisy misahana ny toe-draharaha vonjimaika ny fakan-tsary sy finday an'ireo rehetra izay mbola mikiry maka sary ny zava-nitranga. “Miseho ho sarotiny ny polisy”.

Maro ireo horonantsary mbola niseho tamin'ny aterineto. Ity horonantsary natao tamin'ny YouTube ity ny 11 aprily dia mampiseho ny tohin'ny fampihorohoroana eo noho eo (FAMPITANDREMANA : horonan-tsary mampatahotra) :

Horonantsary nalefan'ny  tamin'ny aterineto ny andro nisehoan'ny loza, mampiseho ny fomba namonjena ireo olona taorian'ny fipoahana:

Nitatitra i Ria Novosti [amin'ny teny rosia] fa ny marainan'ny 12 aprily, olona 157 no naiditra hopitaly ka 26 tamin'izany no naratra mafy.

Nanambara ny Filoha Belarosia Alexander Loukachenko fa ahiany ho misy fifandraisana tamin'ny loza niseho nandritra ny fampisehoana an-kalamanjana tamin'ny taona 2008 ny fampihorohorona nitranga.

Bilaogera sasantsasany no niray hevitra tamin'izany. Yuri Shevtso nanoratra  :

Я понимаю, и все мы тут понимаем, что мы атакованы серьезной террористической сетью. И что это не внутренний терроризм. Это – внешняя атака.

Mazava amiko, mazava amintsika rehetra, fa tafihin'ny vondrona mpampihorohoro tsy mitsitsy isika. Tsy fampihorohoroana ato anatiny izany. Fa fampihorohorona avy any ivelany.
Raha mbola nihevitra ireo bilaogera sasany fa asa fampihorohorona ireny, dia nanomboka nanazava  fa:

Если это терракт, если это не нелепая случайность с перевозкой взрывчатки, то это, имхо, – исламисты.
Наши “родные кавказские” исламисты. Не вижу других вариантов.

Raha fampihorohorona marina, raha tsy loza noho ny tsy fitandremana amin'ny fitaterana zavatra mipoaka (baomba), araka izany, raha ny hevitro manokana, dia ireo islamista. Ireo ” namana Kaokaziana ” islamista. Tsy mahita lalana hafa aho.

Niady hevitra ny hafa fa mety noketrehan'ny mpanohana an'i Loukachenko ny loza mba hamotehana ireo antoko mpanohitra.

Nilaza ny heviny ilay bilaogera Shusharin  :

КГБ взрывает Беларусь
Никаких других вариантов не видно. В белорусской оппозиции отродясь не было экстремистов.
Это выгодно только одному человеку – Лукашенко. Для того, чтобы начать террор против белорусского народа – уже не против оппозиции.

Ny KGB [Sampam-pitsikilovana Belarosia – GV] no nanapoaka baomba an'i Belarosia.
Tsy misy safidy hafa intsony. Mbola tsy nisy mihitsy ny fihetsika mahery tamin'ireo antoko mpanohitra Belarosiana. Olona iray ihany no mahazo tombony amin'izany: dia i Loukachenko. Mba hampitahorana ny vahoaka Belarosiana – fa tsy ny mpanohitra.

Raha mbola nameno ny Twitter ireo hafatra sy tweet mahakasika ny fampiononana, lahatsoratra iray no nilaza fa tamin'ny 12 aprily, olona maro no nivorivory mba handrehitra labozia ho an'ireo namoy ny ainy :

всем не безразличным! завтра в 19.00 возле театра Я.Купалы.цветы и свечи, в знак памяти. Передайте другим. Спасибо.

Ho antsika rehetra, aza mba variana! Rahampitso, amin'ny 7ora hariva eo ampitan'ny sehatra Y. Kupala. Voninkazo sy labozia ho fahatsiarovana. Ilazao ny hafa. Misaotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.