Indonezia: Nanome baiko ny Minisitra ny hamindrana ny sarivongan'i Bouddha ao Indonezia

Ny sarivongan-i Bouddha mampiady hevitra izay tsy maintsy ravana ka afindra ao Tanjungbalai. Sary: tranokala Sehatra fiadia-kevitra momba ny Boddhisma

Lasa nampametra-panontaniana ny finiavan'i Indonezia hampiroborobo ny fifandeferana raha nanome baiko ny minisitry ny Raharaham-bahiny handrava ny sarivongana lehibe bodhista an'ny fiangonana bodhista « Tri Ratna » ao an-tanànan'i Tanjungbalai [@ teny anglisy] andrefan'i Sumatra, satria nitaraina tamin'ny fahatongavany ireo fondamentalista ao an-toerana.

Volana maromaro izay, ireo mpitarika finoana sy fikambanana antokom-pivavahana vitsy an'isa hafa no notafihan’‘ireo mpankasitraka ny miozolomana, izay nahitan'ny vahoaka maro fa ireo finoana vitsy an'isa no tena enjehina ao Indonezia. Indonezia no firenena be miozolomana indrindra maneran-tany.

Nanomboka ny olana taorian'ny fiheveran'ny olona maromaro izay ao amin'ny fikambanana antsoin'izy ireo hoe Gerakan Islam Bersatu (GIB – Hetsika Islamika Tafaray) fa fandrahonana ho an'ny finoana islamika ao an-tanana ny sarivongan'i Boddha ao Tri Ratna. Nanambara koa izy ireo fa mety hanaloka ny mariky ny tantaran'ny tanàna « Balai di Ujung Tanduk » ny sarivongana, izay mipetraka eo ampitany. Navoaka tamin'ny sehatra fiadin-kevitra momba ny boddhisma [amin'ny teny indonezia] ny taratasin'ny GIB mangataka ny famindrana ny sarivongana.

Nisy koa ny adihevitra lavabe natao mba hitondra fanohanana amin'ny antso nalefan'ireo moanina boddhista tamin'ny governemanta ao an-toerana :

Mohon berikan tekanan kpd Walikota Tanjung Balai SUMUT agar mencabut Surat Keputusan ttg Penurunan Patung Budha di Vihara Tri Ratna Tanjung Balai, Sumut.

Miangavy anao izay mba handresy lahatra ny ben'ny tanànan'i Tanjung Balai, ao Sumatra avaratra, mba hanafoanana ny didim-panjakana mandrava ny sarivongan'i Boddha an'ny fiangonana Tri Ratna.

Maro ireo fanapahan-kevitra noraisin'ny fiangonana sy ny mpino ao aminy mba hanakanana ny fandravana ny sarivongana kanefa nolavin'ny minisitera ny antso nataon'ireo moanina.

Namoaka ny fandehan'ny fanapaha-kevitra noraisin'i Veryanto Sitohang,  Direktur Eksekutif Aliansi Sumut Bersatu (Tale Mpanatanteraka an'ny Fitambaran'ny andrefana Sumatra Miray) ilay bilaogera EKSPRESI HAT . Voalohany indrindra, dia nitaraina tamin'ny ben'ny tanàna izy ireo; avy eo nankeny amin'ny solombavambahoaka ao an-toerana; manaraka izany, tao amin'ny minisiteran'ny Raharaham-pivavahana; ary farany nanery ireo solontenan'ny antenimieram-pirenena. Kanefa dia tsy nahazo valinteny mahafa-po. Izany no nahatonga azy ireo talanjona raha nahare fa nanapa-kevitra ny handrava ny sarivongana ny minisitera.

Indreto fihetseham-po vitsivitsy hita tao amin'ny aterineto : HETSIKA INDONEZIANA MANOHITRA NY FANAVAKAVAHANA [amin'ny teny indoneziana] nanao izao fanambarana manaraka izao :

“Negara tidak berhak untuk mengatur apalagi menurunkan perlengkapan apapun yang ada di tempat ibadah. Penurunan patung Buddha di Vihara sudah dapat dikategorikan kekerasan agama yang dilakukan oleh negara. Ini akan menjadi catatan pelanggaran konstitusi dan hak asasi manusia”, demikian ditegaskan oleh Wahyu Effendy, Ketua Umum Gerakan Perjuangan Anti Diskriminasi (GANDI) dalam pernyataan persnya.

Ny Filohan'ny Hetsika, Wahyu Effendy, nanamafy fa « tsy manana zo hanery ary indrindra hamindra ny fitaovana efa-napetraka amin'ny toeram-pivavahana ny Fanjakana. Azo sokajiana ho toy ny karazana herisetra ataon'ny Fanjakana ny fandravana ny sarivonganan'i Boddha ao am-piangonana. Fanitsakitsahana ny lalampanorenana sy ny zon'olombelona izany».

Ilay bilaogera JOEBIGJOE [amin'ny teny indonezia] nanohy hoe :

Walaupun agama Buddha dianggap sebagai agama minoritas, tetapi apakah agama yang mayoritas harus menindas yang minoritas? Apakah hanya sebuah patung Buddha saja harus mendapatkan restu dari yang beragama mayoritas? Dan dimana rasa saling menghormati antar beragama di Negara ini?

Na dia lazaina fa finoana vitsy an'isa aza ny boddhisma , tokony hanao tsindrihazolena ny mpanaraka fivavahana vitsy an'isa ve ireo mpanaraka fivavahana maro an'isa? Ny moanina boddhista ve no tokana tokony hahazo fankatoavana avy amin'ny finoana maro an'isa? Aiza ny fifanajana amin'ny samy mpino eto amin'ity firenena ity ?

Colson, bilaogera ao amin'ny Pelopor, nidrikina hoe :

Manatrika ny  Aceh 2011 fa tsy Afghanistan 2001 isika izao, charia amin'ny modely« Lavarangan'i Lameka» izany fa tsy an'ireo talibans ; toy ny sarivongana rehetra ihany ny sarivongan'i Boddha fa tsy tsangambato taloha tamin'ny 1700 taona -lasa an'ireo lova ara-koltoraly an'izao tontolo izao, ary ny haavony dia eo amin'ny 6 metatra eo fotsiny fa tsy 53 metatra. Saingy amin'ireo zavatra roa ireo, hita  fa ny zava-nisy fahiny toy ny tsy fifandeferana ara-pinoana na koa ny  fihantsiana, ny fitiavan-tena, ny fahambanian-tsaina ary ny fiteny diso ara-koltoraly, dia notohanan'ny kilasy politika.

Ilay bilaogera LAPAK INFO  nanamarika fa efa maty ny fahamaroana ara-pinoana Indonezia:

INI ADALAH PERUSAKAN TERHADAP KEBEBASAN BERAGAMA, PLURALISME DAN RUNTUHNYA BHINEKA TUNGGAL IKA

Izao no fandravana ny fahalalahana ara-pinoana, sy ny fahasamihafana ary ny fahataperan'ny Firaisana anaty fahasamihafana.

« Firaisana anaty fahasamihafana» no teny filamatra nasionaly ao Indonezia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.