Ejipta: Adihevitra izay anjara toeran'ny Media amin'ny fisamborana bilaogeranoina

Tamin'ny 31 Marsa, nandefa izao siokantsera manaraka izao ny mpanao gazety sady bilaogera Sarah Carr manontany ny raharaha Maikel Nabil Sanad amin'ny fitsarana miaramila. Ny bilaogera Nabil moa dia nosamborina tao an-tokantranony ny 28 Marsa, ary nampangaina ho “nanompa ny tafika” sy namoaka [Ar] “vaovao diso momba ny tafika”.

@Sarahcarr: Misy mahare ny fitsarana miaramila mihatra amin'i  @MaikelNabil ve, izay nahemotra ka tontosaina amin'izao fotoana izao?

Mandritra izany fotoana izany dia mpisera Twitter maro no miampanga ny fampahalalam-baovao ao an-toerana tsy te-hahalala izay mahazo an'i Nabil, ka manontany ny mpanentana ny ON-TV ejipsiana (Yosri Fouda) mba hanome fanazavana amin'ity raharaha ity. Nanapa-kevitra ny hamelatra kokoa ny heviny momba ity raharaha ity i Fouda.

@YosriFouda: Plz don't ask me to demand release of anyone. I'm not a judge; I'm a journalist and I don't even know their charges. Fix your country
first.

Azafady indrindra aza mangataka amiko ny hamoaka olona. tsy mpitsara aho ary mpanao gazety ka tsy mahalala akory ny vesatra iampangana azy ireny. Tohano aloha ny firenenao.

Nanapa-kevita avy eo i Carr ny hiady hevitra amin'i Fouda momba ny anjara toerany amin'ny maha-mpanentana fahitalavitra azy.

@Sarahcarr: @YosriFouda U don't have to demand their release. Host someone on yr programme who will.
@Sarahcarr: @YosriFouda It might also be worth finding out the charges against people.

@YosriFouda Tsy mila mitaky ny famoahana azy ireo ianao. Manasà olona amin'ny fandaharanao hanao izany.
@YosriFouda Fa mety ilaina ihany koa ny mitady ny vesatra iampangana ny olona.

Niditra tamin'ity adihevitra ity ihany koa ny mpisera Twitter hafa.

@AmrBassiouny: @Sarahcarr @YosriFouda Yes, we need to at least bring the #MaikelNabil case to light. There is a media blackout about this, why?

@Sarahcarr @YosriFouda Eny fa mba mila ny raharaha #MaikelNabil hazava izahay. Tsy misy milaza momba ity ny fampahalalam-baovao, nahoana?

@Adham_Mostafa: @YosriFouda When you said:”Fix YOUR country” are you not one of us???

@YosriFouda raha miteny ianao hoe “tohano aloha ny fireneNAO” fa angaha tsy anisantsika ianao???

Fa mitovy hevitra tanteraka amin'i Fouda kosa ny hafa

@DrZee01: @YosriFouda Well said , couldn't agree more.

@YosriFouda voalaza tsara, mitovy hevitra tanteraka

@Neofluxs: @YosriFouda I respect you alot.you're a professional Journalist in a time where this is rare.God bless you 🙂

@YosriFouda manaja anao tanteraka. Mpanao gazety matihanina ianao amin'izao fotoana mahavitsy azy izao. Homba anao anie Andriamanitra 🙂 .

Vao maika nanamafy ny heviny i Fouda ary nilaza ny anjara toeran'ny fampahalalam-baovao araka ny fijeriny manokana.

@YosriFouda: Some thought Jazeera can liberate Jerusalem, some now think ONtv can start a revolution. They can't help if ppl don't help themselves first.

Misy ny mieritreritra fa afa-manafaka an'i Jerosalema ny Jazeera, ny sasany indray mieritreritra ankehitriny fa afa-manomboka ny revolisiona ny ONtv. Tsy afa-mamonjy izy ireo raha tsy mamonjyny tenany aloha ny olona.

@YosriFouda: That frustration and pressure should be positively directed somewhere else and not at friends

Tokony azotra mankany amin-javatra hafa any ambadika any izany fangidiam-panahy sy fanerena izany hahasoa fa tsy alefa any amin'ny namana

Farany, ary lavitra an'i Yosri Fouda izay iray amin'ireo mpanentana vitsy amin'ny fahitalavitra mba ao amin'ny Twitter, dia miaza ny heviny amin'ity tifitra mafanavay mahazo an'i Fouda manokana ity i Andre. Nohitsian'i Fares ary fa mitsikera azy izy ireo amin'ny ankapobeny satria manaja azy.

@andreasfares: @YosriFouda We respect you. I'm sure you know this. But you also know that we are #ANGRY no one mentions the detainees as if they don't know.

@YosriFouda manaja anao izahay. Matoky aho fa fantatrao izany. Saingy fantatrao ihany koa fa TEZITRA izahay satria tsy misy ny miteny sompirana ireo voafonja tahaka ny hoe tsy fantany ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.