Syria: Tafaverina soa aman-tsara any an-tranony ny anankiroa, mbola tsy hita kosa i Khaled El Ghayesh

Anankiray amin'ireo lahatsoratra manokana momba ny fanoherana tany Syria 2011 ity .

Tamin'ny herinandro lasa teo, ilay teratany amerikana ejipsiana Muhammad Radwan (fantatra amin'ny @battutta ao amin'ny Twitter) no nosamborina tany Syria satria nampangaina ho mpitsikilo sy nahazo fangatahana avy any ivelany handefa sary sy lahatsary momba an'i Syria. Tamin'ny 01 aprily, nilaza ny CNN  fa navotsotra tao amin'ny masoivohon'i Ejipta any Damaskosy i Radwan.

Omaly, Radwan nilaza tao amin'ny twitter fa tafody soa aman-tsara any an-tranony izy:

tafaverina ato an-trano aho*, faly be fa tafody#egypt

Mpianatra amerikana hafa Tik Root, izay nianatra teny Arabo tany Syria, tafaverina tany an-tranony soa aman-tsara koa, rehefa notazonina tany am-ponja nandritra ny tapa-bolana. Nosamborina izy tamin'ny 18 martsa satria naka sary ireo mpanao fihetsiketsehana.

Avy any Ejipta @Tom_El_Rumi manao tweet:

Toy ny niverenan'i @battutta tany Ejipta, dia tafaverina omaly tany an-tranony koa ilay mpianatra amerikana hafa Tik Root avy any Syria http://j.mp/dYV5jz #FREEKHALED

Ny teny fototra #FreeKhaled ao amin'ny tweet an'i Tom kosa no milaza an'ilay ejiptiana iray hafa izay tsy hita tany Syria, Khaled El Ghayesh (@kghayesh ao amin'nyTwitter). Araka ny voalazan'i  Hassan El Ghayesh tao amin'ny twitter,dia azo antoka ny nisamborana an'i Khaled; noho izany nanome soso-kevitra izy hampiasana ny teny fototra #khaledmissing (#tsyhitaikhaled) ilazana ity tovolahy ity.

Hassan El Ghayesh miresaka:

Misaotra anao sady misaotra an'i @battutta .. ny tokony ifotoran'ny masoivohon'i Ejipta izao dia ny fitadiavana an'i #khaledelghayesh #khaledmissing

Misy koa ny pejy ao amin'ny Facebook natao hanampiana amin'ny fitadiavana an'i Khaled.

Fotoana fohy taorian'ny nahatongavany tany an-tranony, Muhammad Radwan nizara ny maha voakasika azy koa amin'ny raharaha Khaled, niresaka:

Fitiavana sy fanohanana lehibe. kanefa ny hanafahana an'izao no zava-dehibe amiko, miangavy aho manaova tweet indray

*”Om el donya” adika amin'ny ankapobeny hoe “Renin'izao tontolo izao” ary ilazana an'i Ejipta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.