Mampidi-doza ny fiainana manokan'ireo mpampiasa azy ny Microsoft: Tsy misy HTTPS any amin'ireo firenena Arabo, Iran

Amin'ny hetsi-panoherana mbola mitohy sy ny famoretana mafy ataon'ny governemanta any Afovoany Atsinanana, mampidi-doza ny tsy fahatoniana ao amin'ny aterineto izay mety hisy akony lehibe eo amin'ny fiadanan'ireo mpampiasa aterineto any amin'ny faritra. Laharam-pahamehana ny fiarovana ny mailaka ary tokony hipetraka ho azy ny fampiasàna ny HTTPS. Manao izany ny Gmail, raha mamela ireo mpampiasa azy hisafidy ny fampiasàna azy io kosa ny Microsoft, ary tsy manome izany kosa ny Yahoo! Mail.

Namorona sy nanaparitaka torolàlana tena ilaina amin'ny fiarovana ny tsiambaratelo ao amin'ny aterineto ny Accessnow. Tamin'ity maraina ity dia nisy mpianatra Siriana iray any Jordania nifandray  tamiko tao amin'ny twitter ary niteny fa tsy afaka manaraka ilay torolàlana ahafahana mampiasa ireo HTTPS amin'ny kaonty Hotmail-ny izy. Nangataka azy aho handefa amiko ny sarin'ny fàfana ary niroso tamin'ny fanairana an'i Jillian York any amin'ny Foibe Berkman Center mikasika ity raharaha ity.

York, izay sady manampy ihany koa amin'ny Fisoloana vava, dia nizotra tamin'ny fandalinana bebe kokoa ny mikasika ity raharaha ity. Ny ahiahiny voalohany dia tany amin'ireo sazy nampiharina tamin’ Syria mikasika ny fanondranan'entana, nefa nanamarika ilay mpampiasa fa any Jordana izy ary tany Jordania ihany koa ny mikasika ny momba azy no nitranga. Manala ny mety hisian'ny olana ateraky ny fanaraha-maso be loatra ny resaka fanondranan'entana , araka izany dia nandinika bebe kokoa ilay olana izy:

Namorona kaonty Hotmail haingana aho mba hijereko raha afaka hamerina ilay olana aho; inona tokoa, rehefa nametraka ny toeram-ponenako tany Etazonia aho, afaka namelona ny fampiasàna ny HTTPS, nefa rehefa mametraka hoe Jordania, tsy afaka. Nanandrana firenena Arabo maro hafa aho–Siria, Bahrain, Libanona, Maraoka, Alzeria–mbola tsy misy HTTPS ihany koa. Avy eo aho nanandrana an'i Goatemala, Israely, ary Tiorkia: mety tsara daholo. Frantsa, Alemana: tsy maninona. Iran…tsy misy HTTPS.

Ity dikasary eto ambany eto ity dia mamipesho ny hafatra milaza fahadisoana azon'ireo mpampiasa aterineto any amin'ireo firenena Arabo sy Iran rehefa miezaka mampiasa ireo fidirana misy fiarovana (HTTPS) ho an'ny kaonty mailaka maimaim-poana omen'ny Microsoft.

Soa ihany, misy vahaolana tsy maharitra hialana amin'izay ho an'ireo mpampiasa velon'ahiahy. Ny zavatra tokony ataon'izy ireo fotsiny dia ny manova ny fireneny ao amin'ny mombamomba azy ho Etazonia ary afaka mampiasa HTTPS izy ireo mba hiasa ho azy. Nanome toro-hevitra ihany koa i York fa afaka mikisaka any amin'ny gmail ihany koa ireo mpampiasa voakasika amin'izany, gmail izay manome fahafahana hampiasa azy io ho tonga dia vonona, ary nanambara izy fa efa noresahana ny Microsoft ary nampahafantarina ny olana. Hinoana fa hijery izany olana amin'ny fiarovana izany amin'ny fomba malaky ny Microsoft.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.