Taiwan: Antso mba hanopaza-maso ny politikan'ny angovo

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Horohorontany Japana2011.

Nampitahotra ny vahoakan'i Taiwan ny tranga niseho tany amin'ny toby nokleary any Fukushima any Japana, momba ny fiarovana ny toby nokleary any amin'ny fireneny.

Mba hamadihana ny olana misy amin'izao fotoana ho politika maharitra ho an'ny governemanta, mpampiasa aterineto maro no nangataka ny governemanta Taiwanais mba hamerina handinika tsara ny politikam-pirenena momba ny angovo sy ny orinasa.

Fifanoherana anatiny amin'ilay politika

Anti-nuclear rally in Taiwan capital, Taipei on March 20, 2011. Image by Flickr user KarlMarx (CC BY-NC-ND 2.0).

famoriam-bahoaka manohitra ny nokleary tany an-drenivohitr'i Taiwan, Taipei tamin'ny 20 Martsa 2011. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr KarlMarx (CC BY-NC-ND 2.0).

Tamin'ny 14 Febroary 2011, izany hoe iray volana talohan'ny horohorontany sy tondra-dranobe nandrava an'i Japana, nanao fanambarana ampahibemaso ny Birao misahana ny fiarovana ny tontolo iainana any Taiwan, izay nampiandraiketin'ny Biraon'ny Angovo ny politikan'ny angovom-pirenena ho an'ny 2011-2020.

Na izany aza, heverin'ny vondrona mpiaro ny tontolo iainana fa ity politikan'ny angovo ity dia tsy manaja ny fifanarahana [zh] natao tao amin'ny “Torolalana Maharitra ho Fampandrosoana ny Angovo ” (永續能源政策綱領) [zh] nambara tamin'ny 2008, na ny “Fanambarana ny Angovo Nasionaly” avy amin'ilay fivoriana natao tamin'ny 2009.

Amin'ny fanoherana ireo tanjona napetraka ho an'ny fampihenana ny entona manimba rivotra, amin'ny fampitomboana ny angovo azo havaozina sy ny fampitodihana ny toe-karena hankamin'ny orinasa tsy mandany angovo be loatra, manohana ny fampandrosoana ny orinasa mampiasa angovo simika azo avy amin'ny solika ilay politika vaovao.

Miteraka fifanoheran-javatra ho an'ny fampivoarana maharitra ny angovo fanodina ny tsy fahombiazan'ny fanavaozana ny rafitry ny orinasa ao Taiwan, araka ny asongadin'i [zh] Chia-Yang Tsai (蔡嘉陽) avy amin'ny Tobim-baovao momba ny Tontolo iainana any Taiwan:

工業消耗台灣60%以上的電力,價格又僅是民生用電一半以上,電價結構如此不合理,當然容易造成工業用電的浪費。提高工業用電的電價更可以淘汰高耗能、高汙染的產業,讓台灣的產業結構從根本上轉型,台灣的能源問題才能解決。

Ny orinasa any Taiwan dia mandany maherin'ny 60 isan-jaton'ny fitambaramben'ny herinaratra [an'ny firenena], nefa ny vidin'ny herinaratra ho an'ny orinasa dia antsasaky ny vidin'izany ho an'ny olon-tsotra. Noho izany vidiny ambany dia ambany izany dia tsotra no ahafahan'ny orinasa mandanilany fahatany ny herinaratra. Raha hampitombo ny vidin'ny herinaratra ho an'ny orinasa isika dia mety ho afaka hamongotra ireny orinasa mpandany angovo betsaka sy mpanaparitaka loto be ireny.  Rehefa voaovantsika tanteraka ny rafitry ny orinasa dia ho voavahantsika ny olana mikasika ny angovo.

Ilaina ny safidy mazava

Man at an anti-nuclear rally Taiwanese capital, Taipei on March 20, 2011. Image by Flickr user KarlMarx (CC BY-NC-ND 2.0).

Lehilahy tany amin'ny famoriam-bahoaka manohitra ny nokleary tany Taipei, renivohitra Taiwanais, tamin'ny 20 Martsa 2011. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr KarlMarx (CC BY-NC-ND 2.0).

Satria mbola mitohy ny olana ara-nokleary any Japana mpifanila vodirindrina aminy, ilaina fanaraha-maso ny politikan'ny angovo mifandraika amin'izany any Taiwan, indrindra ho an'ny fampandrosoana ny angovo nokleary any an-toerana.

Araka ny lahatsoratra [zh] iray momba ny loza mitatao noho ny angovo nokleary, naneho ny ahiahiny i Yen (焱) fa mety hiteraka tsy fahampian'ny herinaratra any amin'ny firenena ny fampiatoana ireo toby nokleary :

如果您接受了缺電的狀況並且可以安撫其他人接受電力不足的現實,就反吧!

Raha vonona hiatrika ny tsy fahampiana herinaratra sy vonona handresy lahatra ny olona hanaiky ny tsy fahampian'ny herinaratra ianao, mandehana dia tohero ny toby nokleary.

Amin'ny lafiny iray, maro ireo mpampiasa aterineto no manizingizina fa na dia mety hifidy ny hampandroso ny hery nokleary aza ny vahoaka Taiwanais, zava-dehibe ho an'ny vahoaka ny fahatakarana ny risika raisina mialohan'ny hanaovany safidy. Hoy ilay mpitoraka bilaogy Subing argues [zh] tamin'ny 14 Martsa :

擁核的人該提出理由說服台灣人為什麼大家要為幾家高耗能公司負擔這麼大的風險。

Tokony handresy lahatra antsika ireo mpandàla ny herinaratra nokleary amin'ny antony tokony handraisanantsika risika manoloana  ireo orinasa sasany mpandany angovo be.

Fametraham-panontaniana momba ny fangatahana

Raha ny marina, momba ny vaovao navoakan'ny Orinasa mpamokatra Herinaratra any Taiwan, nanambàra [zh] i Siro tao amin'ny sehatra fiadian-kevitra iray tamin'ny 21 Martsa :

目前台灣的總發電量, 即使在尖峰負載, 也仍有 23.4% 的賸餘…就算現在把三座核電廠全部關閉, 台灣依然沒有立即的電力危機.

23,4 isan-jaton'ny fitambaramben'ny famokarana herinaratra amin'izao no tsy ampiasaina akory amin'ny fotoana tena ilàna azy…  Raha haatontsika ny toby nokleary telo dia tsy tokony hiatrika tsy fahampiana herinaratra avy hatrany isika.

Nanohy nanazava i Siro fa sady tsy mora vidy ny angovo nokleary no tsy madio:

核廢料處理及核電廠除役都很可能讓核能發電成本遠高於台電宣稱的成本.

Mety hampitombo ny vidin'ny angovo nokleary, mihoatra noho ny nambaran'ny Orinasa mpamokatra Herinaratra any Taiwan ny fandiovana ny loto nokleary aorian'ny fampiatoana ireo toby nokleary.

Manohy ihany anefa i Siro fa tsy mora na tsotra ny asa fampiatoana toby nokleary:

我舉我住的澎湖為例, 澎湖舊火力發電廠位置接近市區, 當郊區新發電廠蓋好, 原電廠拆除後, 土地變成價值不斐, 而這一點是核電廠辦不到的..也是台電在計算成本中, 刻意去忽略的. 核電廠因為儲存核廢料, 即使關閉, 也永遠需要管理監控, 更不用說想要遷廠R回收土地.

Raiso ohatra i Penghu, ny toeram-ponenako, akaikin'ny faritry ny tanàn-dehibe ny toby ahodina solika taloha. Rehefa naorina ny tobin'angovo vaovao tany ambanivohitra dia nakatona ilay taloha. Namidy tamin'ny vidiny lafo io tany io. Tsy mbola nitranga tamin'ny toby nokleary mihitsy izany … Izany no tsy noraharahian'ny Orinasa mpamokatra Herinaratra any Taiwan rehefa nikajikajy ny vidiny izy. Mitahiry loto nokleary koa ny toby nokleary. Rehefa haato [ny toby nokleary iray] dia mila fikarakarana mandritra ny fotoana maharitra. Tsy mety ny mampiato ny toby ary mampiasa ny tany indray avy eo.

Loza mitatao mandrakariva ny fifehezana toby nokleary sy loto nokleary. Nanontany i Tyrone tao amin'ny sehatra adihevitra tamin'ny lahatsoratra momba ny lozan'ny nokleary [zh] tamin'ny 14 Martsa:

當中只要有一件事情疏忽是否就能造成核能污染事件. 為何我們要犧牲後代子孫的幸福造就個人的舒適?

Raha misy hadisoana kely amin'ny fifehezana [ny toby nokleary] dia miparitaka ny loto mitondra taratra. Nahoana isika no mila manao sorona ny hasambaran'ny taranatsika mba hahazoantsika aina fotsiny?

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Horohorontany Japana 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.