Kolombia: Sarin-jaza tsy ampy taona anaty gazetiboky ho an'olon-dehibe

Ny herinandro lasa teo, ny Biraon'ny inspektora jeneraly, tamin'ny alalan'i Ilva Myriam Hoyos, solontenan'ny Inspektora misahana ny Fiarovana ny zon'ny Ankizy, ny Tanora, ary ny Fianakaviana, dia nanambara [es] fa efa nangataka tao amin'ny Birao jeneraly ny  mpampanoa lalàna sy ny Foibe Kolombiàna ho fiarovana ny Fianakaviana (ICBF, fanafohezan-teny amin'ny teny espagnola) mba hanokatra fanadihadina mikasika ny laharana nivoaka farany tao amin'ny Gazetiboky natokana ho an'olon-dehibe  SoHo. Nafototr'Andriamatoa Hoyos tamin'ny fitanisana ny Lalàna mifehy ny Ankizy sy ny Tanora [es], sy ny Fitsipika misahana ny fandikan-dalàna [es] ny fangatahany. Na Atoa Hoyos na ny Inspektora jeneraly Alejandro Ordóñez dia samy fantatra amin'ny fironana mpifikitra amin'ny mahazatra sy tsy tia fanovana loatra aryny gazetiboky SoHo ihany kosa dia efa  voarohirohy tamin'ny tranga tahaka izao tamin'ny taona 2005.

Ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Dejad que los niños vengan a mí” [es] (“Avelao ny zaza hanatona ahy,” nalaina tao amin'ny Marka 10:14 (FAMPITANDREMANA: sary mety hanafintohina), dia ahitana sary tamina Fampirantiana [es] nataon'ilay mpaka sary Mauricio Vélez (mpandefa sary hatrany amin'ilay gazetyboky), izay misokatra hatramin'ny tapaky ny volana aprily ao amina trano fandraisam-bahiny ao Medellín. Ny sary mampisy resaka dia ahitana zazalahy tsy ampy taona miboridana (na mody atao hoe modely ho an'ny tsy ampy taona aza) jeren'ireo mpilalao manao ny akanjon'ny pretra katolika.

Araka [es]ny nanambaran'ny tonian ‘ny famoahana ny Gazetiboky, Daniel Samper Ospina no nilazan'i Velez fa : “16 sy 17 taona ireo tsy ampy taona [naseho] “ary nalaina sary satria efa ” nahazo alalana avy amin'ny ray aman-dreniny” .” Nilaza i Samper [es] tao amin'ny Gazetiboky Semana (izay an'i SoHo ihany koa) fa  ” tia mampiseho bika sy tia misehoseho isika eto Kolombia”; araka izany, efa nitsahatra tamin'ny fanenjehana ilay  mpaka sary izay nandà fa tsy nanao “pédophilie”  tamin'ny asany izy ny fanjakana fa tsy amin'ireo izay manao ny fanararaotana [ny ankizy].”

Nipaka teny amin'ny serasera sosialy [valantserasera] koa ny adihevitra. Nilaza i @cynosargo:

Pfff, Daniel Samper Ospina se cree el Larry Flynt colombiano o qué? A otro perro con ése hueso.

Pfff, Daniel Samper Ospina angaha mihevitra azy ho  Larry Flynt Kolombiana sa inona? Tsy voafandrik'izany aho.

Jose L. Peñarredonda (@noalsilencio) nandresy lahatra fa,

Lo que va a ser interesante entre la pelea entre Soho y el Procurador es que van a llevar a los tribunales el concepto de ‘arte’

Ny mahaliana amin'ny adin'i SoHo sy ny Inspektora Jeneraly dia ny famaritana ny “zavakanto” eny anivon'ny tribonaly.

Nanohana ny asan'i Velez ny mpaka sary Manuel Noguera Salas (@manuelnogueraS):

@DanielSamperO Un aplauso para Mauric[i]o Velez, La gente se escandaliza por la representación de la realidad? La verdad les duele!

@DanielSamperO Nitehaka an'i Mauric[i]o Velez, tohina ve ny olona manoloana ny fampisehoana ny zava-misy? Manafintohina ny zavamarina!

Tsy nanaiky i But Lina Artunduaga (@LinaArtunduaga):

Pues a mi las fotos de Vélez no me gustan! Son niños desnudos con un adulto y punto. Parecen más apología que denuncia…

Tsy tiako ny sary nalain'i Vélez! Naboridany miaraka amin'ny olon-dehibe ny ankizy. Toy ny fankatoavana kokoa izany fa tsy fiampangana…

Mitovy hevitra amin'izany, María Prieto (@LaRola) ni-tweet:

La publicación de las fotos de #soho no aportan nada al debate de la protección a los menores. Soho social e irreverente ya me sabe mierda.

Tsy nitondra fanampiana amin'ny adihevitra momba ny fiarovana ny olona tsy ampy taona ny fanaparitahana ny sary avy amin'ny Gazetiboky #Soho . Tahaka ny diky ny avy hatrany amiko ny tsiron'ilay Sosialy sy mpanazimbazimba Soho.

Ny mpanao tantara an-tsary Shiliana Alberto Montt (@albertomontt) niteny ny talen'ny famoahana Gazety boky SoHo:

Señor @DanielSamperO, si la gente reaccionase la mitad de indignada x los casos de abusos y pdflia q x las fotos, otro gallo cantaría.

Atoa @DanielSamperO, raha taitra amina atsasaka fahatezerana noho ny raharaha fanararaotana ara-nofo sy ny fanaovana amin'ny ankizy ankoatra izay hitany an-tsary ny olona dia mety ho hafa ny fandehan-draharaha.

Raha nitsikera ny Gazety boky i  Daniel Arango (@stultaviro) :

SoHo, revista erótica con prurito intelectual y aire sofisticado, que termina reducida a material masturbatorio de taller de mecánica.

SoHo, Gazety boky erotika izay mibahana ao an-tsaina sy misy fijery miangesongeso,  izay miafara amin'ny fitadiavana famalifaliana ara-nofo samirery.

Dan Gamboa Bohorquez (@larepuvlica) nanoratra:

El contexto es tan importante como el contenido. El trabajo “Dejad que los niños vengan a mí” es muy bueno, pero SoHo no debió patrocinarlo

Zava-dehibe toy ny votoatiny ny Toe-java misy. Tsara ny hoe “Avelao ny zaza hanatona ahy”, fa tsy tokony niantoka izany i  SoHo.

Nanome ny heviny i Fernanda Contreras (@PardeGatos) tao amin'ny tweets roa (1, 2):

Si alguien, a favor o en contra de Soho, abre diciendo ‘sin moralismos’, empezó mal. De eso se trata, de debatir sobre morales. En ese sentido, estar a favor de Soho no es ‘no ser moralista’, sino argumentar en pro de una moral opuesta a la del Balbuceador.

Raha misy olona momba na manohitra an'i Soho, ka miteny hoe ‘tsy mieritreritra ny ho mpanoratra momba ny fitsipi-pitondratena’, dia mandeha amin'ny lalana diso izy ireo. Izany rehetra izany dia mikasika ny: fiadin-kevitra momba ny fitondratena. Amin'izany, Tsy midika hoe ” mpananatra ara-pitondratena raha manohana na manohitra an'i Soho,’ fa mandresy lahatra fotsiny amin'ny  fitondratena notoherina tamin'ny Jeneraly Stammerer

Ana Maria Villamil C (@Mme_Bavarde) niteny tamin'i Samper:

@DanielSamperO Así es este país! Se indignan por unas fotos y por la muerte de una lechuza… pero les da igual si matan a una juez!

@DanielSamperO Toy izao ity firenena ity! Mifanevateva izy ireo noho ny sary sasantsasany sy ny fahafatesan'ny vorondolo, kanefa tsy raharahiny  raha nisy namono ny mpitsara!

Tiffany Aching (@AgnesCheshire) ,nilaza fa,

A los curas les queda fácil comerse niños porque la iglesia tiene muchas organizaciones y colegios. Y También trabajan con niños vulnerables

Ho an'ireo pretra Katolika, tsotra kokoa ny manao firaisana ara-nofo amin'ny ankizy satria manana fikambanana sy sekoly maromaro rahateo ny fiangonana. Sady misahana koa ireo ankizy malemy na osa.

Ny talen'ny famoahana ny SoHo Daniel Samper Ospira (@DanielSamperO) ni-tweet(1, 2):

Los esfuerzos de las autoridades deberían ser contra la pedofilia, no contra el fotógrafo que la tomó como temática de trabajo y de denuncia[.] Las fotos no inducen a malos pensamientos con los niños, sino a sentir indignación ante el cura que les coquetea.

Tokony hanohitra ny “pedophilie” ny ezaka ataon'ny fanjakana, fa tsy manohitra an'ilay mpaka sary izay nampiasa izany ho toy ny lohahevitra amin'ny asany sy ho fiampangana. Tsy mamporisika hieritreritra ratsy amin'ny ankizy ny sary, fa kosa mba hahatsiaro fanevatevana ‘ireo pretra miaraka amin'izy ireo.

Ao amin'ny tontolon'ny bilaogy, niaro ny fangatahan-dRamatoa Hoyos i Jonathan ao amin'ny A la diestra [es] , raha nitsikera mafy  an'i Samper sy i  Vélez tao amin'ny Segunda Plana [es]:

Lo hecho por Vélez y Samper es asqueroso, usar a menores de edad desnudos en una exposición artística o en una revista para adultos es depravado, su supuesta iniciativa de denuncia se queda corta ante el hecho de la exhibición de los cuerpos de los niños.

Nahatsiravina izay nataon'i Vélez sy i Samperg, manimba ilay manaboridana ankizy tsy ampy taona ho amin'ny fampirantiana artistika na ho amina gazetiboky natokana ho an'olon-dehibe, ny fanapaha-keviny mody nolazainy momba  ny fiampangana dia talohakelin'ny fanaboridanana vatan'ny ankizy.

Saingy i David Osorio ao De avanzada dia nanohana [es] an'i Samper tamin'ny famoahana indray ilay sary nahatonga adihevitra ary nanandrina kosa ny an'ny Inspektora Jeneraly:

[E]n estos días el fanático, fundamentalista e intolerante Ordóñez ha vuelto a poner todas las armas que tiene a su alcance, lanza en ristre contra la revista SoHo, una vez más, por unas fotos que no son de su retorcido católico gusto y agrado.

Taitra sy manangom-piadiana manao izay tratrany hamelezana ny gazetiboky indray ilay mpiziriziry amin-kevitra,  tery fotokevitra, tsy mahazaka hevitra hafa [Inspektora Jeneraly] Ordóñez mba hamelezana ny Gazety boky SoHo, ary koa noho ireo sary sasany izay tsy azoazony loatra nefa mandrohy ny resaka katolika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.