Japana: Bitsika Vonjy Taitra Ho an'Ireo Ray Aman-dReny Mpialokaloka

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofana manokana ataonay momba ny  Horohorontany Japana 2011.

Raha mbola mampanahy mafy ny toe-draharaha ao amin'ilay toby nokleary ao Fukushima Daiichi [en] ary mampitandry ny amin'ny fisian'ny taratra maheryvaika avy amin'ny iodine sy cesium zava-maniry sy ny rano ny governemanta, mitady toky sy torohevitra avy amin'ireo manampahaizana manokana any anaty aterineto  kosa ireo ray aman-dreny manana zaza mbola kely.

Avy amin'i miyakowasureLC. Fampiasàna malalaka.

Indray mandeha indray dia voaporofo fa ny  Twitter dia fitaovam-pifandraisana faran'izay tena malaky nampiasaina hanakanana ireo mpampisavorovoro saina sy mpanely vaovao tsy marina.

Mpampiasa iray antsoina hoe panache_chocola no napitandrina mikasika ny fisavorovoroana afafin'ny orinasa sasany mampiasa teny tsy voalanjalanja anatin'ireo hafatra ara-barotra alefany.

@panache_chocola ミルク業者がミネラルウォーター使うなって言うのはとても語弊がある。正しくは硬水使うな、でしょ。みんな勘違いするってば。硬度120未満OKなんだから。日本製の市販の水は大概OKでしょうに。調乳水メーカーの策略としか思えない。 http://bit.ly/hxW2Na

@panache_chocola Mitondra fikorontanana ny filazan'ny orinasa mpanodina ronono hoe  ‘aza mampiasa rano mineraly’. Sahala amin'ny miteny hoe aza mampiasa rano mahery? Manjary mahazo hevi-diso ny olona. Tsy maninona mihitsy raha mbola ambanin'ny 120 ny PH-n'ny rano. Ny ankamaroan'ireo rano vokarina dia tokony ho OK daholo. Toa tetikadin'ireo orinasa mpamokatra vovo-dronono no fahitako azy io http://bit.ly/hxW2Na

Mba hifehezana ny tahotra an'ilay taratra, ireo manampahaizana manokana toy ny avy amin'ny ekipan'ny radiotherapy ao amin'ny Hopoitalin'ny Anjerimanontolon'i Tokyo dia namorona kaonty Twitter mba ho fanomezam-baovao tsy tapaka ny mpamaky mikasika ny vokatry ny sakafo voapoizin'ny taratra.

team_nakagawa
国 際放射線防護委員会の勧告は、CTなど医療で使用する放射線による、短時間での被ばくを想定したものもの です。原発から放出される放射線のように、長時間かけてゆっくり被ばくした場合には、被ばく中にDNAの回復が起きるため、短時間での被ばくよりもはるか に影響が出にくいことも知られています

team_nakagawa Ny torohevitra nomen'ny Kaomisiona Iraisampirenena momba ny Fiarovana amin'ny Taratra dia mifototra indrindra amin'ny fandalovana fotoana fohy tamin'ilay taratra ampiasaina amin'ny scanner toy ny CT / IRM (Avy amin'ny mpandika: sehatry ny fitsaboana). Raha sendra tratry ny taratra avy aminà toby nokleary nandritry ny fotoana maharitra, dia fantatra fa tsy dia goavana manao ahoana ny fiantraikany satria manavao tena ny ADN avy eo.

team_nakagawa
したがって、現状では、少なくとも避難地域や屋内退避地域以外であれば、胎児への影響はまず心配しなくてよ いでしょう。ただし、みなさんご存知のように、自然被ばく(原発事故がなくても、私たちが宇宙や大地や食料から受けている放射線)のレベルでも、奇形や小 児発がんは、皆無ではありません。

team_nakagawa Noho izany, tsy misy tokony hampanahy ny mikasika izay ho vokany amin'ny zaza am-bohoka ivelan'ireo faritra tsy maintsy nialàna na ireo nodidiana tsy hivoaka ny faritra misy azy. Na izany aza araka izay efa fantatrareo rahateo, tsy misy ny risika Aotra ho an'ny tsy fetezana na homamiadana mety hahazo ny zaza menavava avy amin'ny taratra entin'ny singa natoraly manodidina (na tsy nisy loza nokleary aza, miantefa amintsika ny taratra avy any an-habakabaka, ny tany ary ny sakafo.)

team_nakagawa
ホウレンソウの放射能測定方法について、新しいことがわかりましたのでご報告します。これまで検出されたホウレンソウの放射能量は、ホウレンソウを一旦水洗いしてから測定をおこなった結果である、とのことです。

team_nakagawa Nahita fampahafantarana mikasika ny fomba atao handrefesana ny taratra ao anatin'ny epinard izahay izay tiako hifampizaràna aminareo: ny vokatra avy amin'ny fandrefesana ny haavon'ny taratra tao anaty epinard dia azo avy amin'ireo anana nosasàna tamin'ny rano.

Ao amin'ny bilaoginy, i profesora Takeda mampianatra ho injeniera ao amin'ny Anjerimanontolon'i Chubu dia manazava hoe nahoana nyo tsy miantraika amin'ireo zazakely ny iodine 131 sy ny cesium 137 rehefa tsy misotro zavatra misy azy ireo ny ankizy.

また、赤ちゃんをお風呂に入れると水道水からの放射線をあびますが、人間の皮膚は放射線に強いので、飲むのに比べれば10倍で同じぐらいになります。
(非常時の被曝ですが、皮膚は10倍大丈夫とされています。)

Ny rano alaina amin'ny paompy hampandroana azy no mety hitondra taratra ho an'ny zazakely, saingy ny hoditry ny olombelona dia manana fahafahana manohitra ilay taratra ihany amin'ny lafiny sasany. Mampitombo avo 10 heny ny mety ho fahavoazana ny fisotraoana ilay rano.

Avy amin'i miyakowasureLC. Fampiasàna malalaka.

Raha fanazavana lavabe 140 no torohevitra omen'ireo manampahaizana, ireo reny sy raim-pianakaviana any amin'ireo faritra voadona kosa miantehitra amin'ilay vorona manga (Twitter) mba hifampizarany ny fomba atao ampiharina any amin'ireo  toby fialofana, amin'ny fampiasana ny tenifototra #babyhinan (na #babyrefugee).
Usako818, ohatra, dia manazava ny fomba tsotra ikarakarana sakafon-jaza avy aminà taharo vitsy monja.

usako818
紙コップやコンビにでもらえるようなデザートスプーン(プラスチックのもの)があれば、ごはんや薄味のせんべいにお湯を足してぐちゃぐちゃにして即席離乳食のでき上がりです。被災地では簡易容器が不足しているとのこと。どうか子供の命をつないであげてください!! #babyhinan

usako818 Amin'ny fampiasàna kaopy vita amin'ny baoritra sy sotrokely plastika (izay azon'ny rehetra jerena eny amin'ny toeram-pivarotana), azonao atao ny manapotsitra vary na kobam-bary manitra mba hanaovana sakafo tonga dia vonona ho an'ireo zazakely! Tena tsy ampy isa ireo kaopy kely tsotra any amin'ireo. Miangavy mba ampio ho fanavotana ireo zazakely!! #babyrefugee

While a mother links to a trustworthy source where breastfeeding in times of disaster is explained in details… Reny iray no manome rohy mankany amina loharano iray azo antoka izay anazavana amin'ny antipirihany ny fomba fampinonoana rehefa fotoanan'ny loza goavana toy izao…

nyamisuke
完ミママがもらい乳する時の注意点など、かなり詳しく記載されています #babyhinan 「被災時の貰い乳について。」

nyamisuke Ny zavatra tokony hosorohana rehefa mampiasa ronono avy aminà reny hafa mba hamahanana zaza iray dia nazavaina tamin'ny antipirihany mihitsy eto #babyrefugee ‘Mamahana ronono avy aminà reny hafa mandritra ny fotoanan'ny lozabe’

… iray hafa no manazava ny fomba fanamboarana tatin-jaza rehefa tratry ny nakamehana.

bachiriko災害時のオムツ:1.生理用の夜用ナプキンや介護用の尿取りパットで代用 2.ビニール袋にタオルを入れてはかせて、ラップで固定。又はタオルを股間に巻き付けて軽く何かで固定しラップ、ビニール袋などで保護。残り一枚でもあれば、タオルを入れておく。⁰(被災者体験談)#babyhinan

bachiriko Tàtin-jaza anaty fotoanan'ny ankamehana: 1. soloy tàty fanaon'ny vehivavy rehefa tonga fotoana na ho an'ireo tsy mahatàna amany 2. manaova lamba famaohana atao anaty harona plastika ka tazony amin'ny scotch. Fomba iray hafa ny famehezana ny elakelam-peny amin'ny lamba famaohana ka tazonina tsara amin-javatra, ary avy eo tazonina scotch na fonosina harona plastika. Raha mbola misy ambiny iray aza ny tàty, ampiasao iny fa asio lamba famaohana ao anatiny. (zava-niainan'ny niharam-boina iray) #babyrefugee

Farany, i babytweets dia manampy amin'ny fanelezana ireo hafatra mitondra fanantenana ho an'ireo ray aman-dreny afaka miserasera.

YourBabyJP_botママ、よしよし。なでなで。いいこいいこ。元気出た?もし電気が消えても、地面が揺れても、ママが元気なら怖くないよ。がんばろうね。

YourBabyJP_bot Ekena ry Neny, izao an, izao an, aza manahy. Efa ao tsara ve izao? Na tsy misy jiro aza ary mihetsika ny tany, tsy hatahotra aho raha mbola i Neny no OK. Aoka isika hahery!

YourBabyJP_bot
最初は泣くしかできなかった赤ちゃんも、すぐ成長してそのうち走り回ったりジャンプしたりするようになるから、見ててね、ママ。きっと日本の復興もそうだよね。

YourBabyJP_bot Na ireo zaza tsy nanao afa-tsy ny nitomany aza tany amboalohany dia hitombo ho afaka hiazakazaka sy hitsambikimbikina etsy sy eroa, noho izany i Neny jerena, azo antoka ny hitomboan'i Japana manaraka izany fomba izany.
Fisaorana betska no atolotra an'i Rino Yamamoto tamin'ny nandikany ireo bitsika rehetra ireo.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofana manokana ataonay momba ny  Horohorontany Japana 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.