29 Marsa 2011

Tantara tamin'ny 29 Marsa 2011

Japana: Bitsika Vonjy Taitra Ho an'Ireo Ray Aman-dReny Mpialokaloka

  29 Marsa 2011

Raha mbola mampanahy mafy ny toe-draharaha ao amin'ilay toby nokleary ao Fukushima Daiichi [en] ary mampitandry ny amin'ny fisian'ny taratra maheryvaika avy amin'ny iodine sy cesium zava-maniry sy ny rano ny governemanta, mitady toky sy torohevitra avy amin'ireo manampahaizana manokana any anaty aterineto kosa ireo ray aman-dreny manana zaza mbola kely.

Malezia: Miteraka adihevitra ny boky ‘manafintohina’

  29 Marsa 2011

Adihevitra vaovao teraka tany Malezia ny olana momba ny boky iray natao boky fampiasa hitsongàna lahatsoratra ho an'ny literatiora any amin'ny sekoly ambaratonga faharoa. Interlok dia boky Maleziana nosoratan'i Abdullah Hussain ary nivoaka tamin'ny taona 1971. Niteraka tabataba izany rehefa lasa tsy maintsy vakian'ny mpianatra any amin'ny kilasy fahadimy noho...

Pakistana : Mihetsika ny foko vitsy an'isataorian'ny fahafatesan'ny minisitry ny foko vitsy an'isa

  29 Marsa 2011

Ny 2 martsa 2011 , andian'olona tsy fantatra mitam-piadiana no nitifitra sy namono ny Minisitra federaly Shahbaz Bhatti misahana ny foko vitsy an'isa ao Pakistana. Nandositra ireo namono azy rehefa navelan'izy ireo teo akaikin'ny vata-mangatsiaka loadoky ny bala ny taratasy manamarina ny fahafatesany. Famonoan'olona ambony faharoa ity nitranga ity, taorian'ny goverinora Salman...

Ejipta: Baolina kitra (fandaka) nialoha sy taorian'ny Revolisiona

Nandritra ny taona vitsivitsy izay, ny baolina fandaka na football (soccer) no loharanon-kafalian'ny Ejipsiana voalohany. Ny ekipam-pirenena Ejipsiana no efa nahazo ny amboaran'i Afrika intelo misesy notontosaina tany Ejipta, Ghana ary Angola. Mandritra ny fifaninanam-pirenena moa dia mahazatra ny mahita ny olona mifantoka lalina eo anoloan'ny vata fahitalavitra, vonona miaraka amin'ny...

Panama: Fara-veloma an'i Guillermo Ford

  29 Marsa 2011

Nomen'i Panama voninahitra tamin'ny alalan'ny fandevenana ara-panjakana, tamin'ny 22 Martsa i Guillermo “Billy” Ford[es], Filoha lefitra teo aloha ary Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny politika ara-toekarena (1989-1994). Nampihetsi-po ny fotoana, hoy ireo Panameana nahatsiaro ny fiainan'ity mpanao politika sy mpandraharaha ity, izay olo-malaza fantatra amin'ny anarana hoe “Feo garagaran'Akoholahy”...