Libya: Nitombo tao Misrata ny Helok'i Gadhafi.

Ao anatin'ny tantaran'ny fandravana sy ny fiakaran'ny isan'ny maty, nifoha maraina ny olom-pirenena Libyana androany noho ny vaovao momba ny fahafahan'ny Zintan sy ny fandroahana ireo tafik'i  Gaddafi ao Addabiya. Nandritra izany, nanohy nijery ny zava-mahatsiravina sy ny habibiana mibaribary ao Misrata izao tontolo izao, izay mbola notohizan'ny tafik'i Gaddafi nandritra ny alina.

Indreto fitetezana ireo fihetseham-po tao amin'ny Twitter:

Libya 2 Martsa

Ao Zintan:

Tahaka ny mahita an'i Zintan afaka. Toa hisy vaovao mahafaly (efa voamarina) ihany koa avy any Misrata ato ho ato, ary Tombony azo any Ajdabiya.

  • Hitahy ny vahoaka mahery fo any Zintan anie Andrimanitra. Miaraka amin'ny fanampian'ny daroka ataon'ny mpiara-dia ka miezaka manafaka ny tanànany indray. Misrata no inshallah manaraka.
  • #Zintan noafahana indray! nitsoaka ireo mpandrava efan'i #Gaddaf i ary namela fiara mifono vy sy fitaovam-piadina mahery vaika sasantsasany http://bit.ly/esP9oW #Libya

  • @osamasolieman: Lehilahy naratra tao Zintan no nilaza ahy fa nomen'i #Gaddafi vola 250,000 tsirairay mba hiady. Saingy nandà izy ireo #feb17 #Libya

  • #Zintan efa zatra #Libya tonga tao #Tunis ireo tanora ary nilaza fa manana trano fametrahana fitaovam-piadiana ny milisin'i #Gadafi eo akaikin'ny#Zintan izay mety kendreny mba hiarovana ireo olo-tsotra.

  • Tao Misrata:
  • Namono olona tao #Misrata ny tafik”i #Gaddafi. Mila mihetsika ny tafiky ny mpiara-dia (miangavy indrindra e) PLZ PLZ

  • Mitohy ny famonoan'olona ao Misrata, tsy hisy ho tafajanona intsony rehefa avy eo #feb17 #libya

  • Mbola tafihina foana i Misrata ary darohan'ny tafik'i Gadhafi baomba, mbola mitohy ny fanafihana ka mampanahy indrindra ny maha-olona #feb17 #libya

  • saika madio ny tanàna ao #Alzzawia, tsy misy olona tsaboina..Ankehitriny, miaina izany toe-javatra izany koa i #Misrata, ka faly amin'izany ny#Erdogan.
  • LPC: Niezaka nandefa mailaka tamin'ireo tafiky ny mpiara-dia ny vahoaka ao #Misrata mba hijery miaraka ny fandrindrana ny tanjona ao Misrata -tsy nisy valiny || #Libya

  • Raha voavono i #Khamis zanaka lahin'ny MPAMONO OLONA, hanao HADALANA i#Gaddafi ao #Libya mba hamalifaty, handeha hifantoka amin'ny VONOAN OLONA ao #MISRATA.

  • Tokony afaka mikendry tsara ny fiara mifono vy an'i #Gaddafi ireo mpiara-dia, ao ivelan'ny faritra fonenana ao #Misrata izany.

  • **Ireo kinga amin'ny fitifirana ao#Misrata, tsy misy volabe afaka hividy ny fandriampahalemana ho anao eto an-tany na any an-danitra ! #libya #misrata #curses

  • LPC #Misrata: Niezaka nitondra kinga amin'ny fitifirana izahay mba hanakana azy ireo tsy hatory amin'ny alina. Vahaolana tsotra izany. #libya

  • LPC #Misrata: Niasa izahay mba hivoaka ny tanàna manodidina ireo tafik'i #Gaddafi ao anatin'i #Misrata (feo afaka fotoana fohy) #Libya

  • Ny hitan'ny LPC (Anglisy) http://bit.ly/glvi8F namaritra ireo toerana maromaro misy ny tafik'i #Gaddafi, anisan'izany#Misrata #Libya

  • Vaovao: Tsy mampiasa “anesthésie” ny mpitsabo ao amin'ny hopitaly Misrata. http://bit.ly/gcffFF tsy misy fanafody manala fanaintainana #humanrights, #medicalethics

  • Mahafantatra ny rehetra raha nalain'ny revolisionera indray ny hopitaly ao #Misrata?

  • Ny tafik'i#Gaddafi nanafika ny moské tao #Misrata-azafady jerevo izany any amin'ny farany http://youtu.be/SQVeLelLYts Tsy misy toerana hivavahana izay tokony ho kendrena 🙁

  • ampy ny 90 andro? “@NickKristof: Tao Ajdabiya n Misrata, toa mandeha tsara ny ao anaty vahoaka ao #Libya. Omeo ny mpikomy ny fotoana. Naka 10 herinandro ny tao Kosovo.”

  • Haza ho an'olona tsirairay i Libya, Ny “Afera Maloto” dia hampisaraka ireo #Libya Atsinanana & Andrefana & manakana izany tsy hiseho ny ao #Misrata, TSAROVY NY TENIKO

  • Atombohy ny resaka

    Mpanoratra, azafady Hiditra »

    Torolalana

    • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
    • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.