Syria : Horonantsarin'ny famoretana tao Daraa

Mitohy ny famaizana ny fihetsiketsehana ao Daraa ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona maty sy maratra, misy ny  sary nalaina tao amin'ny YouTube an'ireo  olo-tsotra mpaka-sary ao an-tanàna, YouTube izay tranokala vao noesorina vao haingana ny fanivanana azy tao Syria. Nalaina tamin'ny 23 martsa ireto horonantsary manaraka ireto izay mampiseho ny famoretana tao Daraa, tanàna atsimon'i Syrie.

Fampitandremana : ahitana sary mampihoro-koditra ny horonantsary sasany.

Amin'io horonantsary feno herisetra navoakan'i   io, niantso fiara mpitondra marary haka lehilahy iray vao avy voatifitra ireo mpanao fihetsiketsehana. Tamin'ny voalohany, nahitàna olona telo nitsirara tamin'ny tany, avy eo maratra hafa no napoitran'ny fakantsary. Nisy ny feom-basy re. Nanantona ireo olona maromaro naratra mafy avy eo ny fakan-tsary.

Amin'io horonan-tsary io, izay mbola navoakan'i SHAMSNN ihany, nitondra olona iray naratra teny amin'ny arabe ireo mpanao fihetsiketsehana, no sady mahare fitifirana izahay :

Amin'ity horonan-tsary mitsatotsatoka ity, mbola mahare fitifirana ihany izahay, raha nanao filaharambe ireo mpanao fihetsiketsehana, : lehilahy iray no mihiaka hoe “Lehibe Andriamanitra!” avy eo nitsoropaka avy any ny baomba mandatsa-dranomaso ho ao anatin'ny vahoaka. Nalaina tao amin'ny Youtube an'i islam1tv:

http://www.youtube.com/watch?v=iJp7lKt1I3I

Nalaina tamin'ny ny fandevenana ireo “maritiora” enina sy nandritra ny fanafihana vao maraimbe tao amin'ny moske Al Omari ny 23 martsa ity horonantsary ity. Niantsoantso ny vahoaka hoe :  “Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Andriamanitra irery ihany, ary eo anilany ireo martiora!” Nalaina tao amin'ny Youtube navoakan'i islam1tv :

http://www.youtube.com/watch?v=Xce6iCe7vhE

Amin'ity horonantsary ity, hita tsara ny famonoana faobe natao. Mitsirara amin'ny tany ireo vata-mangatsiaka ary tifirina ireo izay mbola mikofokofoka. Vondron'olona maromaro no miafina ao ambadiky ny fiara be mba hiaro tena tsy ho voatifitra. Nalaina tao amin'ny Youtube nataon'i .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.