Yemen: Vita koa ve i Ali Abdullah Saleh?

Fanadihadina manokana ataonay mikasika ny  Fihetsiketsehana ao Yemen taona 2011 ity lahatsoratra ity.

Andro nisiana rà mandrika ny 18 martsa hatramin'ny nisiana fihetsiketseham-panoherana tao Yemen, efa ho roa volana izay. Niantso mandrakariva ireo mpitandro ny filaminana i Ali Abdullah Saleh mba hiaro ny mpanohana sy ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta . Na dia izany aza, tsy nisy zava-niseho toy izany tany an-toerana. Tamin'ny Zoma, nitifitra ireo nanao fihetsiketsehana tamim-pilaminana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Sana ka namoizana ain'olona 46 farafahakeliny ary am-polony ireo naratra ny tafika sy ny mpitandro ny filaminana manohana ny filoha Yemenita. Fanafihana izay nikendry ny hanafoana ireo fihetsiketsehana mameno ny firenena, ka  nampitombo ny fangorahana sy ny fanohanana ireo mpanao fihetsiketsehana.

Fihetsiketsehana tao Sana tamin-ny volana martsa, ireo sary 16 tamin-i Afrah Nasser

Tamin'ny Alatsinainy, nanambara ny fanohanany ny  “revolisiona milamina an'ireo  tanora sy ny hetahetany” i Ali Muhsen, manamboninahitra ambony ao amin'ny tafika Yemenita.

Nanoratra i Nasser Arrabyee, mpanao gazety  Yemenita mipetraka ao Yemen:

Nanambara ny fanohanany ny revolisiona milamina mifanohitra amin'ny 33 taona nanjakan'ny Filoha Ali Abdullah Saleh ny lehiben'ny miaramila any amin'ny faritra andrefana, Ali Muhsen, ny Alatsinainy.

Tonga ny dingana manaraka taorian'ny nanaparitahana ireo miaramilan'ny jeneraly  Muhsen manodidina ny sit-in ao amin'ny toby akaikin'ny oniversité tamin'ny Alahady 20 martsa 2011.

Nampiany hoe:

Dingana vaovao ho an'ny fihetsiketseham-panoherana an'i Saleh indray.

Jeneraly Mussen, iray amin'ireo akaiky ny Filoha Saleh, no heverina ho lehiben'ny miaramila  faharoa maharitaka aorian'i Saleh.

Ny fihetsiketsehan'i Ali Muhsen dia toy ny midika fa maka ny mpanao fihetsiketsehana ireo miaramila  ary mitsangana manohitra an'i Ali Abdullah Saleh.
Mpitolona Yemenita no ni-tweet (@yemen4change):

@RAHB1980 nanomboka androany, mino aho fa nizarazara ireo miaramila, saingy miaraka amin'ny fametra-pialàna marobe, mety hametra-pialàna koa ny ambin'ireo miaramila amin'ny andro manaraka

Taty aoriana, ny andro Alatsinainy, nanara-dia an'i Ali Muhsen nanao fametraha-piàlana faobe ny mpiasa-panjakana Yemenita, ny ambasadoro, ny miaramila jeneraly sy ny mpikambana ao amin'ny parlemanta

ni-tweet ny Suhail TV:

نعتذر عن عدم قدرتنا مواكبة جميع الإستقالات المتواليه من الحزب الحاكم ومن القاده العسكريين ومن المشائخ والشخصيات لكثرتها #yemen #suhail

Miala tsiny izahay raha tsy afa-nitatitra ireo fametra-pialàna misesisesy tao amin'ny antokon'ny fitondrana, tamin'ny lehiben'ny miaramila, ny  Sheikhs ary ny olona manakaja noho ny fahabetsahany.

Nitatitra koa izy hoe:

سفراء اليمن في كل من الكويت والصين وسوريا والأردن واليابان والسعوديه وباكستان وغيرها ينضمون لثورة الشعب والشباب #yemen #suhail #sanaa #yf

Nanohana ny revolision'ny vahoaka sy tanora ny masoivoho Yemenita ao Koety, Shina, Syria, Jordana, Japana, Arabia Saodita, Pakistan sy ny hafa;
ni-tweets i Tom Finn:

Nianjera toy ny lalitra izy ireo tao#Yemen, jeneraly miaramila 2, mpitondra teny ao amin'ny antenimieram-pirenena, ny ambasadaoro ao Japana  dia niala daholo tamin'ny fitondrana

Yahya Al-Saryhi, namoaka tao amin'ny  (G.C.Y) جيل التغيير اليمني lisitra an'ireo rehetra izay nametra-pialàna androany, ary nanambara ny fanohanany ny revolisiona. Hameer Al-Ahmer, Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena, ny masoivoho Yemenita ao amin'ny repoblika Czech, ny lehiben'ny televiziona Yemenita, sy ny governoran'i Aden dia ao anatin'io lisitra lavabe io avokoa.
Midika fa akaiky ny fiafaran'ny 33 taona nitondran'i Ali Abdullah Saleh noho ireo fametraha-pialàna .
Ben Wedeman ni-tweet:

Mivembena, efa hianjera: Ali Abdallah Saleh ao #Yemen

Wsaqaf ni-tweet:

Tantara ao #Yemen miaraka amin'ireo lehiben'ny miaramila mamonjy ny fihetsiketsehana. Andrasana hametra-pialàna na hitsoaka i #Saleh


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.