Azerbaijan: “Andron'ny olona mahafinaritra” Tsikera momba ny fihetsiketsehana

Taorian'ny  fihetsiketsehan'ny tanora tao Baku ny faha-11 ny volana martsa izay nahitana ireo tanora mpitolona voatàna sy voasambotra teo aloha, nandritra ny zava-nitranga sy taoriana, nitsikera ireo mpikarakara ny bilaogera sasany ao Azerbaijan izay nanjary fantatra amin'ny anarana hoe “Andron'ny olona mahafinaritra.” Analoqu olmayan bloq 🙂 [AZ],ohatra, mitsikera ny momba ireo enina amin'ireo fito tompon'andraikitra an'ity pejy ity izay  mipetraka ivelan'ny firenena.

Xaricdə oturub şüarçılıqdan, hakimiyyəti söyməkdən asan nə var ki? Yerlərdə vətəndaş cəmiyyəti, gənclərin azadlığı daha da daraldı – yaxın günlərdə hamımız bunu əyani görəcəyik.

Tsy misy zavatra mora kokoa raha tsy ny fitiavana manao teny filamatra sy ny fitsikerana ny governemanta avy any ivelany. Amin'ny faritra hafa, mbola miha-sarotra ny fahafahan'ny fiaraha-monina sy ny tanora. Ho avy ny andro ahitana marina izany.

Bilaogin'i Gulara Azimzadeh [AZ] nitsikera koa ireo mpikarakara satria toy ny tsy misy drafitra mazava ny amin'ny 11 martsa.

11 mart xalq günü keçirildi ama nə düz əməlli plan oldu nə də şüar. Tarix boyu uduzulmuş  döyüşlərə, qiyamlara baxsaq, səbəbi 90% mütəşəkkilliliyin olmaması, strategiyanın düzgün seçilməməsidir.

Nanomboka ny Andron'ny olona mahafinaritra ny 11 Martsa, saingy tsy nahitana drafitra mati-paika na teny filamatra. Tao anatin'ny tantara, very 90 isan-jato ny fotoana nanaovana tolona noho ny tsy fahatomombanan'ny fikarakarana sy ny fisafidianana tetikady tsy nahomby.

Nitsikera ny toerana nofaina nanaovana ny hetsika ihany koa izy, izay tao ampovoa-tsena, nofinidin'ireo sasany tamin'ny mpanao fihetsiketsehana.

Hamısı bahalı qlamur mağazalar, evlər ya ofisdir ya kirayə qalan xaricilər ya ki, nizamın pozulmasını istəməyən hər şeydən razılar. Kim qoşula bilərdi ordan? Bunu hansısa gününü gündən zorla yetirən kasıb qəsəbədə eləmək məntiqli olmazdımı? Qəsəbədən başlayıb yürüş etmək olmazdımı?

Toerana feno trano fonenana na birao, sy fivarotana zavatra lafo, magazay lehibe. Na vahiny avy any ivelany na ireo izay afa-po amin'ny fandehan-javatra ary maniry ny fandriampahalemana sy ny filaminana no manofa izany toerana izany. Iza no handeha ho any? Lojika ve ny fanaovana izany any amin'ny tanàna mahantra, izay ahitana ireo vahoaka mitolona mba hahitana izay hohanina? Afaka eritreretina ve ny handehanana any ary manao diabe manomboka any?

Tao amin'ny bilaogy vaovao, Bloq yolun bir hissəsidir, na dia izany aza, iray amin'ireo mpikarakara, Mejid Merjanli, namaly hoe.

Xəbərlər yayıldı ki bəs şəhərə ordu yeridirlər, hakimiyyət xalqı qıracaq. Burda hamıdan çox qorxmalı olan bizlər olmalı ikən məsələyə aidiyyatı olmayanlar düşdülər üstümüzə ki bəs “oturmusuz xaricdə, burda xalqın balalarını qırğına verirsiz”, “sizə görə burda gənclər haqqsız yerə həbs olundular”, “sizə görə İnsan Haqqları evini bağladılar, NDI bağladılar, AFUnu da bağlayacaqlar”. […] Biz martın 11dən bir neçə gün qabaqcadan ard-arda bəyanatlar verdik, yazılar yazdıq ki heç kim qarşıdurmaya getməsin, provokasiyaya uymasın. “Haranısa dağıdan, sındıran bizdən deyil” dəfələrcə bunu eventin divarına da yazdıq, öz səhifələrimizdə də.[…] Guya bu həbslərin baiskarları bizlərik. Cabbar Savalanlı, Eynulla Fətullayev, Emin Milli, Adnan Hacızadə də bu eventə görə tutulublar? 11 martda da tutulanlar haqqsız yerə həbs olunublar ondan qabaq tutulanlar da. Gedin hakimiyyətə deyin ki gəncləri niyə durduqları yerdə həbs eləyirsən, yox əgər cəsarətiniz çatmırsa bizdən nə istəyirsiniz? İnsan Hüquqları evinin bağlanması söhbətini hələ 1 ay bundan qabaq, Bakıda olarkən eşitmişdim. Çox adam da gözləyirdi bunu, yəni 11 martla heçbir əlaqəsi yoxdu. 12 martda da Müsavatın həsrətində olduğumuz möhtəşəm aksiyası oldu. Mən əminəm ki 11 mart buna güclü stimul oldu.

Niely ny vaovao raha nandefa andia-miaramila ao amin'ny tanàna izy ireo, nanakana ireo vahoaka ny manampahefana. Tokony izahay no matahotra voalohany indrindra, ireo olona tsy miditra amin'izao raharaha izao dia niteny hoe “mipetraka any ivelany ianao, mandefa ny zanaky ny olona ho vonoina,” “notanana tsy ara-drariny ireo tanora noho ianao,” “Nikatona ny tranon'ny zon'olombelona NDI, mbola hanakatona ny Oniversité tsy miankina ihany koa izy ireo.” […] Andro vitsivitsy alohan'ny 11 Martsa, nandefa fanambarana maromaro izahay, nanoratra lahatsoratra milaza fa tsy misy olona afaka mandray anjara amin'ny fifanatrehana na manaiky ho entin'ny fihantsiana. “Ireo izay manimba sy manankorontana dia tsy avy aminay,” -tsy hitsahatra izahay hanoratra ity, eo amin'ny rindrin'ny zava-mitranga sy ny pejy manokana anay. […] Toa izahay no anton'izao fisamborana izao. Raha voasambotra koa i Jabbar Savalan, Eynulla Fatullayev, Emin Milli, Adnan Hajizada noho io raharaha io? Nosamborina tsy ara-drariny ireo izay voasambotra tamin'ny 11 Martsa fa tsy tahaka ireo izany nosamborina alohan'io. Mandehana anontanio ny governemanta nahoana no nosamborina tsy amin'ny antony ireo tanoranay -raha tsy manana herim-po hanontany izany ianao, inona no ilànao anay? Efa nahare momba ny tranon'ireo mpiaro ny zon'olombelona nakatona iray volana lasa teo aho, tamin'ny mbola tao Baku. Maro ireo olona niandry izany -tsy misy ifandraisana ny tamin'ny 11 martsa. Tamin'ny 12 Martsa, nanao fihetsiketsehana lehibe ny antoko Musavat. Inoako fa ny 11 Martsa no tena hery lehibe tamin'izany.

Nandritra izany, nitohy ny lahasa sasany. Tamin'ny 18 Martsa, nitatitra i Baku Post fa fikambanana tanora enina tao Azerbaijan no nangataka fitsarana ambony noho ny fisamborana natao mialoha tamin'ny “Andron'ny olona mahafinaritra” ary koa niantso ireo manam-pahefana mba hamela hanao fivoriana malalaka sy fihetsiketsehana milamina amin'ny hoavy.

Abbas Atilay/RFE

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.