Syria: Fihetsiketsehana manerana ny firenena, 6 ireo namoy ny ainy tao Dara'a

Syria indray no firenena farany isiana fihetsiketsehana lehibe manerana an'i Afovoany Atsinanana (Moyen Orient). Raha tsy nahomby ny fiantsona hihetsika tamin'ny 5 febroary teo,  dia nahavory vahoaka an-jatony maro avy amin'ireo tanàna marobe kosa ny fiantsona indray  hidina an-dalambe ny 14 martsa, tao anatin'izany ny renivohitra, Damascus sy Aleppo. Raha somary vitsy ny isan'ireo mpanao fihetsiketsehana, izay nampatsiahy ny zava-nisy teo aloha tao Syria raha tsy heno ny fihetsiketseham-panoherana ny governemanta,   potika tsy azo raisina izay fikasana hanohitra rehetra.

Tamin'ny 16 Martsa, manodidina ny  150 no nanao fihetsiketsehana manoloana ny minisiteran'ny Atitany mitaky ny famoahana ireo gadra noho ny fitenenana, tonga teo koa ireo fianakaviany.

. Naparitaka tamin-kerisetra ireo mpanao fihetsiketsehana ka manodidina ny 38 ireo voasambotra.

hoy ny vakin ny teny hoe 15 marsa 2011 Afaho i Syria. 48 taona ny tsy rariny sy ny jadona

Androany, fihetsiketsehana goavana no niseho manerana ny firenena, ary ny be olona indrindra dia tao Dara'a, 100Km(60 Miles) atsinanan'ny renivohitra Damascus. Fampiasan-kery mahafaty no nampiasaina tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ary nilaza ny fahalalam-baovao fa 6 ireo maty ary manodidina ny 50 no naratra.

Bilaogera Syriana @Okbah nitatitra tao amin'ny Twitter:

مصدر دكتور في مستشفى درعا يؤكد لمحمد العبد الله وصول ستة قتلى للمستشفى وخمسين جريحا. والصور قريبا#Syria #Daraa
Dokotera tao amin'ny hopitalin'i Dara no nanamafy tamin'i Mohammad Al Abdallah fa 6 ireo olona notsaboina ka namoy ny ainy ary 50 ireo naratra. Amin'ny manaraka ny sary.

Mampiseho ny fihetsiketsehana tao Dara ity horonan-tsary manaraka ity, izay ahitana ireo vahoaka miventso hoe “Ilay Mpiaro no Mpangalatra.”

@Okbah adds:

عشائر درعا تهدد بحرق كل مقار الأمن والجيش في المدينة ان لم يحاسب الرئيس قتلة أبنائها اليوم #Syria #Daraa
Nandrahona ny handoro ny toby fibaikona  miaramila sy ny mpitandro ny filaminana ao an-tanàna ny foko ao Daraa raha tsy mitady ampamoaka amin'izay namono ny zanak'izy ireo lahy androany ny Filoha.

Nanamafy ilay mpikatroka Syriana antsoina amin'ny solon'anarana hoe  Malath Aumran  fa efa miseho ny faharavana:

Antson'ny namana iray: fanafihana ny biraon'i Atef Najeeb, sy ny lehiben'ny departemanta ny politikan'ny fiarovana ao Derra #Syria

Avy any Etazonia, nilaza ilay mpikatroka Syriana Ammar Abdulhamid fa:

#Syria: efa revolisiona ofisialy izany. Fifandonana ao #Deraa #Homs #Damascus #Banyas#Hassakeh #DeirAzzor #Hama, sns March15 إنها الثورة

Mampiseho ny fiara mpamono afo nampiasaina hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny alalan'ny fitifirana rano:

Nitatitra ny Syrian Revolisiona tao amin'ny pejin'ny Facebook fa angidim-by maromaro no tazana eny amin'ny habakabak'i  Dara, ary araka ny lazainy dia tsy misy atahorana ao an-tanàna satria mpitandro ny filaminana an-jatony no miatrana ao. Araka ny voalazan'ny pejy ihany koa, nisy nandoro ireo fiaran'ny mpitandro ny filaminana 6, miezaka manafina ireo vatana mangatsiaka  voavono tamin'ny fahamaizana ny manam-pahefana.

Mampiseho ny angindiby nipetraka tao Daraa ity sary ity

Fomban'ireo mpitandro ny filaminana sy ny miaramika no miditra an-keriny ao amin'ny hopitaly ary manery ireo dokotera mba hanao taratasy fanamarinam-pahafatesana sandoka milaza fa namoy ny ainy noho ny lozam-piarakodia ireo olona voavono.

Ho tantarainay eto ihany ny tohin'ny zava-nitranga.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.