Syria: Hetsi-panoherana Ho Fanafahana Ireo Gadra Politika, 38 No Voasambotra

Tamin'ny 15 Martsa, nanaraka ny “Androm-pahatezerana” tao Syria, andian'olona 150 teo ho eo,  mpanao fihetsiketsehana, no nifamory teo ivelan'ny Ministeran'ny Atitanytao Damaskaosy, nangataka ny hamotsorana ireo gadra politika rehetra. Araka ny ambaran'ny BBC, raha kely indrindra dia 38 tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ireo no voasambotra. Anisan'ireo voatana ny mafana fo amin'ny fiarovana ny zon'olombelona, Suhair Atassi. Hoy i @assuss:

#Syria Fanavaozana: Vao nangiran-dratsy androany dia notanan'ny mpitandro filaminana Siriana i Suheir Atasi, ilay mpiaro zon'olombelona malaza, taorian'ny resadresaka nifanaovany tamin'ny  #Aljazeera #March15

Tao amin'ny Twitter, nitatitra fisamborana an'ireo olona hafa nandray anjara tamin'ilay hetsika ry zareo Siriana. @razaniyat nibitsika hoe:

Wissam Tarif: Nasreen Al Housien koa voasambotra. Mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Damaskosy izy, Fakiolten'ny Fitsaboana, Taona fahadiny. #Syria

@wissamtarif nanamarika hoe:

Hasiba Abed Al Rahman  #mpiarozonolombelona sady mpanoratra iray malaza koa voasambotra. #Syria #March15

Nalaky navotsotra ny sasany tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana. Ny Alarobia hariva, namafisin’ i @razaniyat :

Voamarina: Mazen Darwish, voasambotra androany tao anatin'ilay fitorevahana, dia votsotra minitra vitsy lasa izao. #Syria

Voamarina: Mymouna Al Ammar dia nafahana minitra vitsy lasa izao. Hatreto izany dia olona roa voasambotra no efa votsotra. #Syria

Tao amin'ny Facebook, vondrona iray no nanangana lisitra misy ireo voasambotra, sy ireo izay efa navotsotra. Isan'ny voatàna 38, miaraka amin'ireo roa hany voamarina fa navotsotra hatreto.

Sarin'ny fitorevahana tao Damaskosy

Siriana mpitoraka bilaogy iray, tezitra,  Khaled Akbik avy amin'ny  Middle Eastern Poles no mampitaha ny fomba fitondran'ny governemanta Siriana ny vahoakany amin'ny fitondran'ny Israely ny Palestiniana, no manoratra:

Aminay, tsy misy maha-samihafa anao amin'Israely fahavalonay hatrany amin'ny tsinay maintiny. Ataonao aminay isanandro izay ataon'i Israely amin'ny Palestiniana isanandro. Manararaotra ny fahefanao ianao, manandevo ny vahoakanao ary nandroba azy ireo nandritra ny 40 taona. Nomena fotoana ela tokoa ianao mba hanao zavatra mendrika kokoa saingy tsy nahavita, ankehitriny tapitra ny fe-potoanao. Ankehitriny dia miteny ny vahoaka Siriana hoe ampy izay. Mandehana any amin'izay niavianao any satria mazava be fa tsy nahavita nitantana ny firenena tamin'ny lafiny rehetra  ianao. Mandehana mody dieny mbola afaka manao izany.

Zeinobia, Ejiptiana mpitoraka bilaogy ao amin'ny Egyptian Chronicles nizara ireo fomba fijeriny manokana momba ilay hetsi-panoherana bitika kelin'ny Siriana:

Ny 15 Martsa tao Syria no mety ho ny 25 Janoary ho antsika, aza hamaivanina. Raha miezaka ny hihetsika hatramin'ny Zoma izao Siriana rahalahy sy anabavy malalantsika, mandrapivadiky ny vavaka isan-joma ho fandresena miezinezina. Ireo loharanom-baovao omaly avy any Syria dia miteny fa tsy latsaky  ny 300 no voasambotra nandritra sy taorian'ilay hetsika.

Na teo aza anefa ireny fisamborana ireny, tsy kivy ireo mafàna fo ary nanapa-kevitra ny hanao hetsi-panoherana vao maraim-be  androany eo anoloan'ny Ministeran'ny Atitany, eny, ny ministeran'ny atitany, mba hangatahana am-pahasahiana ny hamotsorana an'ireo voatana. Efa nanatevin-daharana an-dry zareo sahady ny fianakavian'ireo voatana, ny tianay holazaina dia hoe misy anti-bavy, tovovavy ary ankizy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.